Eksodosy 16:1-36

16  Ary niala tao Elima+ ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely. Farany, dia tonga tany an-tany efitr’i Sina,+ izay eo anelanelan’i Elima sy Sinay izy ireo, tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta.  Ary nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona tany an-tany efitra ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely.+  Ary hoy foana izy ireo tamin’izy mirahalahy: “Naleonay ihany matin’ny+ tanan’i Jehovah tany Ejipta, tamin’izahay nipetraka teo akaikin’ny vilanin-kena,+ sady nihinana izay mofo laninay. Fa nentinareo nankatỳ an-tany efitra atỳ izahay, mba hahafaty mosary an’ity fiangonana manontolo ity.”+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Handrotsaka mofo ho anareo avy any an-danitra aho.+ Ary hivoaka haka izay laniny isan’andro ny tsirairay,+ mba hizahako toetra azy raha handeha amin’ny lalàko izy, na tsia.+  Ary amin’ny andro fahenina,+ dia hokarakarain’izy ireo izay azony, ary tokony ho avo roa heny noho izay alainy isan’andro izany.”+  Koa hoy i Mosesy sy Arona tamin’ny zanak’Israely rehetra: “Rahariva, dia ho fantatrareo tokoa fa i Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta.+  Ary rahampitso maraina, dia ho hitanareo tokoa ny voninahitr’i Jehovah,+ satria henony ny fimenomenonanareo tamin’i Jehovah. Fa izahay moa no iza no imenomenonanareo?”  Hoy koa i Mosesy: “Ho hitanareo tokoa izany rehefa homen’i Jehovah hena ianareo amin’ny takariva, ary mofo araka izay laninareo amin’ny maraina, satria henon’i Jehovah ny fimenomenonanareo aminy. Fa izahay moa no iza? Tsy izahay ange no imenomenonanareo fa i Jehovah e!”+  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Izao lazaina amin’ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely: ‘Manatòna eo anatrehan’i Jehovah, fa efa henony ny fimenomenonanareo.’”+ 10  Ary raha vao niteny tamin’ny vahoaka manontolo i Arona, eny, tamin’ny zanak’Israely, dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo, ary io fa niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Jehovah.+ 11  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 12  “Efa reko ny fimenomenonan’ny zanak’Israely,+ ka teneno izy ireo hoe: ‘Hihinan-kena ianareo eo anelanelan’ny takariva roa,* ary ho voky mofo ianareo amin’ny maraina.+ Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’”+ 13  Koa nanomboka niakatra ny papelika*+ tamin’ny takariva ka nanenika ny toby. Ary nisy ando manodidina ny toby nony maraina.+ 14  Lasa etona ilay ando avy eo, ary nisy zavatra manify mikarepoka tany an-tany efitra,+ dia zavatra toy ny ranomandry mitsiratsiraka+ teny amin’ny tany. 15  Rehefa nahita izany ny zanak’Israely, dia nifanontany hoe: “Fa inona ireny?” Tsy fantany mantsy hoe inona ilay izy. Koa hoy i Mosesy taminy: “Mofo nomen’i Jehovah ho sakafonareo ireny.+ 16  Izao no teny nandidian’i Jehovah: ‘Aoka haka izay laniny ny olona tsirairay. Eran’ny omera*+ isan’olona no alaivo, araka ny isan’ny olona* ao amin’ny tranolainareo avy.’” 17  Koa naka tokoa ny zanak’Israely. Samy nanangona izy ireo: Ny an’ny sasany betsaka ary ny an’ny sasany kely. 18  Rehefa nafatran’izy ireo tamin’ny omera anefa izany, dia tsy nanana ambiny izay nanangona betsaka, ary tsy hoe tsy ampy ny an’izay nanangona kely.+ Naka izay laniny ny tsirairay. 19  Dia hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Aoka tsy hisy hamela ambiny ho tratran’ny andro maraina.”+ 20  Tsy nihaino an’i Mosesy anefa izy ireo. Koa rehefa nisy namela ambiny ho tratran’ny andro maraina, dia namoaka olitra izany ary maimbo,+ ka tezitra tamin’izy ireo i Mosesy.+ 21  Taorian’izay, dia naka izay laniny avy ny olona, isa-maraina.+ Ary nitsonika ilay izy tamin’ny mitataovovonana. 22  Ary tamin’ny andro fahenina dia naka mofo avo roa heny izy ireo,+ izany hoe, indroan’ny omera isan’olona. Koa tonga nilaza izany tamin’i Mosesy ny mpiadidy rehetra teo amin’ny vahoaka. 23  Dia hoy i Mosesy: “Izay mihitsy no nolazain’i Jehovah. Hisy fankalazana sabata rahampitso, dia sabata masina ho an’i Jehovah.+ Koa ataovy ao anaty lafaoro izay azonareo masahina ao, ary andrahoy izay azonareo andrahoina,+ ary izay ambiny rehetra dia tehirizo ho anareo ho zavatra tokony hotehirizina mandra-maraina.” 24  Notehirizin’izy ireo mandra-maraina tokoa izany, araka izay nandidian’i Mosesy. Ary tsy maimbo izany sady tsy namoaka olitra.+ 25  Dia hoy i Mosesy: “Hano androany io, satria sabata+ ho an’i Jehovah androany, ka tsy hahita azy io eny an-tsaha ianareo. 26  Enina andro ianareo no haka azy io, fa sabata kosa ny andro fahafito+ ka tsy hisy.” 27  Mbola nisy olona nivoaka mba haka izany ihany anefa tamin’ny andro fahafito, fa tsy nahita mihitsy. 28  Koa hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandra-pahoviana ianareo no handa tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?+ 29  Tadidio fa nanome anareo ny sabata i Jehovah!+ Izany no anomezany anareo mofo ampy roa andro amin’ny andro fahenina. Koa samia mipetraka any amin’ny fonenany avy,+ ary aoka tsy hisy hivoaka avy ao amin’izay misy azy amin’ny andro fahafito.” 30  Ary nanomboka nitandrina ny sabata tamin’ny andro fahafito ny vahoaka.+ 31  Dia niantso azy io hoe “mana” ny taranak’Israely. Fotsy tahaka ny voan-kotimila ny mana, ary ny tsirony dia toy ny an’ny mofo fisaka misy tantely.+ 32  Ary hoy i Mosesy: “Izao no teny nandidian’i Jehovah: ‘Makà mana eran’ny omera mba hotehirizina foana hatrany amin’ny taranakareo fara mandimby,+ mba hahitan’izy ireo ny mofo nomeko hohaninareo tatỳ an-tany efitra, fony aho nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta.’”+ 33  Koa hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Makà siny ka asio mana eran’ny omera, ary apetraho eo anatrehan’i Jehovah mba hotehirizina foana hatrany amin’ny taranakareo fara mandimby.”+ 34  Dia napetrak’i Arona teo anoloan’ny Tenin’ny Vavolombelona+ izany mba ho zavatra tokony hotehirizina, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 35  Ary nihinana mana nandritra ny efapolo taona ny zanak’Israely,+ mandra-pahatongany tany amin’izay tany nisy mponina.+ Ny mana no sakafon’izy ireo mandra-pahatongany tany amin’ny sisin’ny tany Kanana.+ 36  Ampahafolon’ny efaha* ny eran’ny omera.

Fanamarihana

Jereo Ek 12:6 f.a.p.
Vorona fihinana, mirefy 18 sm.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
1 omera = 2,2 litatra eo ho eo.
1 efaha = 22 litatra.