Eksodosy 17:1-16

17  Ary niala tao an-tany efitr’i Sina+ ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely, ka nozarazarain’izy ireo ho ampahany maromaro ny lalany, araka ny baikon’i Jehovah.+ Koa nitoby tao Refidima+ ny vahoaka, nefa tsy nisy rano hosotroiny tao.  Ary nila ady tamin’i Mosesy ny vahoaka, ka nanao hoe:+ “Omeo rano izahay hosotroinay.” Dia hoy i Mosesy: “Fa nahoana ianareo no mila ady amiko? Nahoana ianareo no tsy mitsahatra mitsapa toetra an’i Jehovah?”+  Ary main’ny hetaheta ny vahoaka, ka nimenomenona tamin’i Mosesy foana hoe: “Fa maninona no nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay mba hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay ary ny biby fiompinay?”+  Farany, dia nitaraina mafy tamin’i Jehovah i Mosesy hoe: “Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Raha izao no mitohy, dia hitora-bato ahy mihitsy ireo!”+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandalova eo anatrehan’ny vahoaka,+ ka makà vitsivitsy amin’ny anti-panahin’ny Israely hiaraka aminao. Ary ataovy an-tanana ny tehinao, ilay nikapohanao ny Reniranon’i Neily,+ ka mandehana.  Fa hitsangana eo anatrehanao aho, eo ambony harambato ao Horeba. Ary kapohy ny harambato, dia hisy rano hivoaka avy ao, ary hosotroin’ny olona izany.”+ Dia nataon’i Mosesy teo imason’ny anti-panahin’ny Israely izany.  Koa nantsoiny hoe Masa+ sy Meriba+ ilay toerana, satria nila ady tamin’i Mosesy ny zanak’Israely, sady nitsapa toetra an’i Jehovah+ ka niteny hoe: “Fa eto amintsika ve i Jehovah sa tsy eto e?”+  Ary tonga ny Amalekita+ ka niady tamin’ny Israely tao Refidima.+  Koa hoy i Mosesy tamin’i Josoa:+ “Mifidiana lehilahy hiady ho antsika,+ ka mivoaha hiady amin’ny Amalekita. Ary ho eny an-tampon-kavoana aho rahampitso, sady hataoko an-tanana ny tehin’Andriamanitra.”+ 10  Dia nanao araka izay nolazain’i Mosesy i Josoa,+ ka niady tamin’ny Amalekita. Ary niakatra teny an-tampon-kavoana i Mosesy sy Arona ary Hora.+ 11  Ary raha vao nampiakarin’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita.+ Fa raha vao nampidininy kosa ny tanany, dia ny Amalekita no nahery. 12  Ary nony vizana ny tanan’i Mosesy, dia nalain’i Arona sy Hora ny vato ka nataony teo ambanin’i Mosesy, ary iny no nipetrahan’i Mosesy. Ary nanohana ny tanany roa izy roa lahy, ka i Arona teo an-daniny ary i Hora teo an-kilany, mba tsy hihetsehan’ny tanan’i Mosesy mandra-pilentiky ny masoandro. 13  Koa resin’i Josoa tamin’ny lelan-tsabatra i Amaleka sy ny vahoakany.+ 14  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Soraty ao amin’ny boky+ izao ho fahatsiarovana, sady lazao amin’i Josoa hoe: ‘Hofafako tanteraka tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana ny Amalekita.’”+ 15  Ary nanorina alitara i Mosesy ka nomeny anarana hoe Jehovah-nisỳ. 16  Fa hoy izy: “Misy tanana manohitra ny seza fiandrianan’i+ Jah,+ ka hiady amin’ny Amalekita hatramin’ny taranany fara mandimby i Jehovah.”+

Fanamarihana