Eksodosy 18:1-27

18  Ary ren’i Jetro, mpisorona tany Midianina sady rafozandahin’i Mosesy,+ ny zava-drehetra nataon’Andriamanitra ho an’i Mosesy sy ny Israely olony, dia ny namoahan’i Jehovah ny Israely tany Ejipta.+  Koa taorian’ny nandefasana an’i Zipora vadin’i Mosesy, dia nentin’i Jetro rafozan’i Mosesy i Zipora  sy ny zanany roa lahy.+ Gersoma+ no nataon’i Mosesy anaran’ny iray, fa hoy izy: “Satria lasa vahiny monina atỳ an-tanin’olona aho.”  Eliezera+ kosa no nataony anaran’ny iray, fa hoy izy: “Satria Andriamanitry ny razako no mpanampy ahy, noho izy namonjy ahy tsy ho azon’ny sabatr’i Farao.”+  Dia lasa i Jetro rafozany mbamin’ny vady aman-janak’i Mosesy, nankany amin’i Mosesy tany amin’ilay tany efitra nilasiany, teo amin’ny tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra.+  Dia nampilaza tamin’i Mosesy izy hoe: “Tonga atỳ aminao izaho Jetro+ rafozanao, miaraka amin’ny vadinao mbamin’ny zanany roa lahy.”  Koa nivoaka hitsena azy avy hatrany i Mosesy, ka niankohoka ary nanoroka azy.+ Dia nifampiarahaba teo izy mianaka, ary niditra tao an-tranolay avy eo.  Ary notantarain’i Mosesy tamin-drafozany izay rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Farao sy Ejipta noho ny amin’ny Israely,+ mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy ireo teny an-dalana,+ ary ny namonjen’i Jehovah azy ireo na teo aza izany.+  Dia faly i Jetro noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Israely, tamin’ny namonjeny azy teo an-tanan’ny Ejipsianina.+ 10  Koa hoy izy: “Hisaorana anie i Jehovah, izay namonjy anareo teo an-tanan’ny Ejipsianina sy teo an-tanan’i Farao, sady namonjy ny vahoaka teo ambany fifehezan’ny Ejipsianina!+ 11  Fantatro izao fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Jehovah,+ rehefa jerena ny nanjo ny Ejipsianina izay nanao tsinontsinona ny Israelita.” 12  Dia naka* fanatitra dorana sy sorona ho an’Andriamanitra+ i Jetro, rafozan’i Mosesy. Ary tonga mba hiara-misakafo aminy teo anatrehan’Andriamanitra,* i Arona sy ny anti-panahy rehetran’ny Israely.+ 13  Nipetraka toy ny mahazatra mba hitsara ny vahoaka i Mosesy, ny ampitson’iny.+ Ary nijajirika teo anoloany ny vahoaka, nanomboka tamin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro. 14  Dia nahita izay rehetra nataon’i Mosesy ho an’ny vahoaka ny rafozany, ka hoy izy: “Inona ity asa ataonao ho an’ny vahoaka ity? Nahoana no ianao irery no mipetraka mandrakariva, ary ny olona rehetra mijajirika eo anatrehanao, manomboka amin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro?” 15  Dia hoy i Mosesy taminy: “Satria tonga eto amiko foana ny olona mba hanontany an’Andriamanitra.+ 16  Rehefa misy raharaha mampifanolana azy,+ dia entiny eto amiko. Dia mitsara ny andaniny sy ny ankilany aho, ary mampahafantatra ny didim-pitsarana sy ny lalàn’Andriamanitra.”+ 17  Dia hoy ny rafozany: “Tsy mety izao fomba fiasanao izao. 18  Tena ho reraka ianao sy ity vahoaka miaraka aminao ity, satria mavesatra loatra aminao io asa io,+ ka tsy ho vitanao irery.+ 19  Koa henoy aho+ fa hanoro hevitra anao, ary homba anao anie Andriamanitra:+ Aoka ianao no hisolo tena ny vahoaka eo anatrehan’Andriamanitra,+ sy hitondra ny raharaha eo anatrehan’Andriamanitra.+ 20  Ary ampianaro azy ireo ny fitsipika sy ny lalàna,+ ary ampahafantaro azy ny lalana tokony halehany sy ny asa tokony hataony.+ 21  Mifantena anefa lehilahy eo anivon’ny olona rehetra, dia lehilahy mahay,+ matahotra an’Andriamanitra,+ azo itokisana,+ ary tsy tia tombony azo amin’ny tsy rariny.+ Dia tendreo izy ireo ho lehiben’ny arivo,+ sy lehiben’ny zato, sy lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo.+ 22  Ary izy ireo no hitsara ny vahoaka rehefa ilaina, ka ny raharaha lehibe rehetra hoentiny eo aminao,+ fa ny raharaha madinika rehetra kosa hotsarainy ihany. Koa ataovy izay hahamaivana kokoa ny andraikitrao, ary aoka izy ireo hiara-miantsoroka izany aminao.+ 23  Raha izany no ataonao, ary Andriamanitra rahateo no nandidy anao, dia azo antoka fa ho zakanao io andraikitra io ary hilamin-tsaina ity vahoaka ity rehefa mody any amin’ny fonenany avy.”+ 24  Koa nankatoavin’i Mosesy avy hatrany ny tenin-drafozany, ka narahiny daholo izay nolazainy.+ 25  Dia nifantina lehilahy mahay teo anivon’ny Israely rehetra i Mosesy, ka nanendry azy ho lohandohany teo amin’ny vahoaka,+ dia lehiben’ny arivo, sy lehiben’ny zato, sy lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo. 26  Ary nitsara ny olona ireo, rehefa nilaina. Ny raharaha sarotra no nentiny tany amin’i Mosesy,+ fa ny raharaha madinika rehetra kosa notsarainy ihany. 27  Taorian’izay, dia naterin’i Mosesy ny rafozany+ ka lasa nankany amin’ny taniny.

Fanamarihana

Na: “nanolotra.”
Jereo F.F. 1G.