Eksodosy 19:1-25

19  Ary tonga tany an-tany efitr’i Sinay+ ny zanak’Israely ny androtr’iny, tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta.+  Ary niala tao Refidima+ izy ireo, dia nankany an-tany efitr’i Sinay ka nilasy tany.+ Dia nitoby tany ny Israely, teo anoloan’ny tendrombohitra.+  Ary niakatra nankany amin’Andriamanitra i Mosesy. Dia niantso azy avy teo amin’ilay tendrombohitra i Jehovah,+ ka nanao hoe: “Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hoteneninao amin’ny zanak’Israely:  ‘Hitanareo ny nataoko tamin’ny Ejipsianina,+ mba hahafahako hitondra anareo tamin’ny elatry ny voromahery sy hitarika anareo ho atỳ amiko.+  Ary ankehitriny, raha mankatò+ an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo,+ dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo,+ satria ahy ny tany manontolo.+  Ary ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho ahy ianareo.’+ Ireo no teny holazainao amin’ny zanak’Israely.”  Koa tonga i Mosesy ary nantsoiny ny anti-panahin’ny vahoaka,+ ka nolazainy teo anatrehan’izy ireo izany teny rehetra nandidian’i Jehovah azy izany.+  Dia namaly indray niredona ny olona rehetra hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”+ Ary nentin’i Mosesy avy hatrany tany amin’i Jehovah ny tenin’ny vahoaka.+  Koa hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Hankeo aminao ao anaty rahona mainty aho,+ mba ho ren’ny vahoaka aho rehefa miteny aminao,+ ary mba hino anao koa izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+ Dia nentin’i Mosesy tany amin’i Jehovah ny tenin’ny vahoaka. 10  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mankanesa any amin’ny vahoaka, ary hamasino izy ireo anio sy rahampitso, ary asaivo manasa ny lamba fitafiny.+ 11  Ary aoka izy ireo ho vonona ho amin’ny andro fahatelo, satria hidina eo an-tendrombohitra Sinay, eo imason’ny olona rehetra i Jehovah, amin’ny andro fahatelo.+ 12  Ary asio fetra tsy azon’ny vahoaka ihoarana manodidina ny tendrombohitra, ka teneno izy ireo hoe: ‘Tandremo sao miakatra ao an-tendrombohitra na mikasika ny sisiny, fa hovonoina ho faty tokoa izay mikasika ny tendrombohitra.+ 13  Aza mikasika an’izay manao izany anefa, fa toraho vato na tifiro amin’ny zana-tsipìka izy. Hovonoina ho faty izy, na olona na biby.’+ Rehefa tsofina ny anjombona vita amin’ny tandrok’ondry,+ vao mahazo manatona ny tendrombohitra ny vahoaka.” 14  Dia nidina avy tany an-tendrombohitra i Mosesy hankany amin’ny vahoaka, ka nanamasina azy. Ary nanasa ny lamba fitafiny izy ireo.+ 15  Koa niteny taminy i Mosesy hoe: “Miomàna+ mandritra ny telo andro. Ary aza manakaiky* vehivavy ianareo lehilahy.”+ 16  Ary tamin’ny andro fahatelo, nony maraina ny andro, dia nisy kotroka sy tselatra+ ary rahona matevina+ teo ambonin’ny tendrombohitra, sady nisy feon’anjombona naneno mafy be.+ Koa nangovitra ny rehetra tao an-toby.+ 17  Dia nentin’i Mosesy nivoaka avy tao an-toby ny vahoaka mba hihaona amin’Andriamanitra, ka nijoro teo am-pototry ny tendrombohitra.+ 18  Dia nidona-tsetroka ny Tendrombohitra Sinay iray manontolo,+ satria i Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo.+ Tsy nitsaha-niakatra ny setroka, toy ny setroky ny lafaoro fandoroana biriky.+ Ary nihovotrovotra mafy ilay tendrombohitra manontolo.+ 19  Rehefa nihamafy hatrany ny feon’anjombona, dia niteny i Mosesy ary namaly azy tamin’ny feo mafy Andriamanitra.+ 20  Koa nidina nankeo an-tampon’ny Tendrombohitra Sinay i Jehovah. Ary nantsoin’i Jehovah hankeo an-tampon-tendrombohitra i Mosesy, ka niakatra.+ 21  Dia hoy i Jehovah: “Midìna, ary teneno ny olona sao mitady hihoatra ny fetra mba hankatỳ amin’i Jehovah hijery, ka ho maro no ho faty.+ 22  Ary aoka hanamasina ny tenany koa ireo mpisorona mpankeo amin’i Jehovah,+ sao hitroatra hamely azy i Jehovah.”+ 23  Dia hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Tsy afaka miakatra etỳ an-tendrombohitra Sinay ny vahoaka, satria ianao no efa nampitandrina anay hoe: ‘Asio fetra manodidina ny tendrombohitra ary hamasino izy io.’”+ 24  Hoy anefa i Jehovah taminy: “Mandehana aloha midina, ary miakara ka ento miaraka aminao i Arona. Aoka anefa ny mpisorona sy ny vahoaka tsy hitady hihoatra ny fetra mba hankatỳ amin’i Jehovah, sao hitroatra hamely azy izy.”+ 25  Koa nidina ho any amin’ny vahoaka i Mosesy ka niteny taminy.+

Fanamarihana

Manao firaisana no tiana holazaina eto.