Eksodosy 2:1-25

2  Nandritra izany fotoana izany, dia nisy lehilahy iray avy amin’ny ankohonan’i Levy, nandeha naka vady ny zanakavavin’i Levy.+  Dia bevohoka ravehivavy ka niteraka zazalahy. Koa nony hitany fa nahafatifaty ilay zaza, dia nafeniny+ nandritra ny telo volana.+  Rehefa tsy azony nafenina intsony anefa ilay zaza,+ dia naka vata kely zozoro izy. Ary nopetahany godorao mivaingana sy godorao ranony+ ilay vata kely, ka nataony tao anatin’iny ilay zaza ary napetrany teny amin’ny bararata+ naniry teny amoron’ny reniranon’i Neily.  Nijanona teny lavidavitra teny koa ny anabavin’ilay zaza, mba hahitany izay hanjo azy.+  Rehefa afaka kelikely, dia nidina mba handro tao amin’ny Reniranon’i Neily ny zanakavavin’i Farao. Ary nandehandeha teny amoron-drano ireo vehivavy mpikarakara azy. Dia tazan’ny zanakavavin’i Farao ilay vata kely teny anelanelan’ny bararata, ka nirahiny avy hatrany ny mpanompovaviny haka azy io.+  Ary nosokafany ilay vata, ka hitany ilay zazalahikely nitomany. Koa nangoraka azy izy,+ na dia teo aza ny teniny hoe: “Zanaky ny Hebreo ity.”  Ary hoy ny anabavin’ilay zaza tamin’ny zanakavavin’i Farao: “Tianao ve ny hiantsoako vehivavy hebreo mpampinono, mba hampinono azy?”  Dia hoy ny zanakavavin’i Farao: “Mandehana àry!” Koa avy hatrany ilay zazavavy dia lasa niantso ny renin’ilay zaza.+  Ary hoy ny zanakavavin’i Farao tamin’ilay vehivavy: “Ento any aminao ity zaza ity ka ampinonoy, fa homeko karama+ ianao.” Nalain’ilay vehivavy àry ilay zaza ka nampinonoiny. 10  Ary nihalehibe ilay zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’i Farao mba ho lasa zanany.+ Ary nataon’ny zanakavavin’i Farao hoe Mosesy* ny anarany, fa hoy izy: “Satria nalaiko avy teo amin’ny rano izy.”+ 11  Ary tamin’izany andro izany, rehefa nihalehibe i Mosesy, dia nivoaka ho any amin’ireo rahalahiny ka nahita fa noterena hiasa mafy izy ireo.+ Dia nahita Ejipsianina namely Hebreo anankiray, izay anisan’ny rahalahiny, izy.+ 12  Koa niherikerika izy, ka rehefa hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ho faty ilay Ejipsianina ary nasitriny tao anaty fasika.+ 13  Nivoaka indray anefa izy ny ampitso, ary indreo nisy Hebreo roa lahy niady, ka hoy izy tamin’ilay diso: “Nahoana ianao no mamely ny namanao?”+ 14  Dia hoy io: “Iza no nanendry an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay?+ Mitady hamono ahy koa angaha ialahy, toy ny namonoan’ialahy an’ilay Ejipsianina?”+ Dia natahotra i Mosesy ka nanao anakampo hoe: “Tena nisy nahafantatra ilay izy!”+ 15  Ren’i Farao izany tatỳ aoriana, ka nitady hamono an’i Mosesy izy.+ Nandositra azy anefa i Mosesy+ ka nonina tany amin’ny tany Midianina.+ Dia nipetrapetraka teo akaikin’ny lavadrano iray izy. 16  Ary nanan-janaka fito vavy ilay mpisorona+ tany Midianina. Tonga hantsaka toy ny mahazatra ireo zanany vavy, ka nameno ny tavin-drano mba hosotroin’ny andian’ondrin’ny rainy.+ 17  Tonga teo toy ny mahazatra koa anefa ny mpiandry ondry ka nandroaka an’ireo vehivavy ireo. Dia nitsangana i Mosesy, ka nanampy azy ireo sy nampisotro rano ny andian’ondrin’izy ireo.+ 18  Koa rehefa tonga tany an-trano tany amin’i Regoela+ rainy izy ireo, dia hoy ny rainy: “Ary toa vetivety kely ianareo dia tafaverina androany?” 19  Dia hoy ireo: “Nisy Ejipsianina+ niaro anay tamin’ny mpiandry ondry. Ary nanovo rano ho anay koa aza izy sady nampisotro ny andian’ondry.” 20  Dia hoy ralehilahy tamin’ireo zanany vavy: “Ka aiza izy? Nahoana no navelanareo any izany olona izany? Antsoy izy hisakafo.”+ 21  Ary sitrak’i Mosesy, taorian’izay, ny hiara-monina amin’ilay lehilahy. Ary nomen-dralehilahy azy ho vadiny i Zipora+ zanany vavy. 22  Dia niteraka zazalahy ravehivavy tatỳ aoriana, ka Gersoma+ no nataon’i Mosesy anarany satria hoy izy: “Lasa vahiny monina atỳ an-tanin’olona aho.”+ 23  Ary tao anatin’izany fotoana lava izany, no nahafatesan’ny mpanjakan’i Ejipta.+ Mbola nisento ihany anefa ny zanak’Israely noho ny fanandevozana, ka nitaraina foana.+ Dia niantso vonjy izy ireo noho izany, ary niakatra tany amin’ilay tena Andriamanitra ny antson’izy ireo.+ 24  Ary ren’Andriamanitra+ ny fitarainan’izy ireo,+ ka tsaroany ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.+ 25  Koa nijery ny zanak’Israely Andriamanitra sady nandre ny fitarainany.

Fanamarihana

Midika hoe “Nosintonina, Novonjena avy tao Anaty Rano.”