Eksodosy 20:1-26

20  Ary nilaza ireto teny rehetra ireto Andriamanitra, ka nanao hoe:+  “Izaho no Jehovah Andriamanitrao+ izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny trano fanandevozana.+  Aza manana andriamani-kafa+ hifandrafy amiko.  “Aza manao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany.+  Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy,+ fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.+ Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.+  Fa izay tia ahy sy mitandrina ny didiko kosa hanehoako hatsaram-panahy feno fitiavana, na dia hatramin’ny taranaka faharivo aza.+  “Aza manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao,+ fa tsy havelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.+  “Aoka hotsarovana ny andro sabata mba hanamasinana azy io,+  ka enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.+ 10  Fa ny andro fahafito kosa sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Aza manao asa na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny monina ao an-tanànanao.+ 11  Fa enina andro no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo,+ ary nanomboka nitsahatra izy tamin’ny andro fahafito.+ Izany no antony nitahian’i Jehovah ny andro sabata sy nanamasinany azy.+ 12  “Hajao ny rainao sy ny reninao+ mba ho lava andro iainana ianao, eo amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 13  “Aza mamono olona.+ 14  “Aza manitsakitsa-bady.+ 15  “Aza mangalatra.+ 16  “Aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny mpiara-belona aminao.+ 17  “Aza mitsiriritra tranon’olona. Aza mitsiriritra vadin’olona,+ na mpanompolahin’olona, na mpanompovaviny, na ombiny, na ampondrany, na inona na inona fananany.”+ 18  Ary ren’ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon’anjombona, sady hitany ny tselatra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka. Koa rehefa nandre sy nahita izany izy ireo, dia nangovitra ka nijanona teny lavidavitra teny.+ 19  Dia hoy izy ireo tamin’i Mosesy: “Aleo ianao no miteny aminay, dia aoka izahay hihaino. Fa aoka tsy Andriamanitra no hiteny aminay sao ho faty izahay.”+ 20  Koa hoy i Mosesy tamin’ny olona: “Aza matahotra, fa mba hizahan-toetra anareo no nahatongavan’Andriamanitra,+ ary mba hatahoranareo azy mandrakariva ka tsy hanotanareo.”+ 21  Ary nijanona teny lavidavitra teny foana ny olona, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona mainty matevina, izay nisy an’Andriamanitra.+ 22  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:+ “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Hitanareo fa avy tany an-danitra no niresahako taminareo.+ 23  Koa aza manao andriamanitra volafotsy hifandrafy amiko, ary aza manao andriamanitra volamena ho anareo.+ 24  Alitara tany+ no ataovy ho ahy, ary ataovy sorona eo amboniny ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana atolotrao, dia ny ondrinao sy ny ombinao.+ Ary ho any aminao aho ka hitahy anao tokoa, any amin’izay toerana rehetra hofidiko hahatsiarovana ny anarako.+ 25  Ary raha manorina alitara vato ho ahy ianao, dia aza atao amin’ny vato voapaika izany, fa hanazimbazimba azy ianao raha mampiasa fandraka hanaovana azy.+ 26  Ary aza asiana tohatra hiakarana mankeo amin’ny alitarako, sao ho hita eo amin’ny alitara ny fitanjahanao.’*

Fanamarihana

Na: “filahianao.”