Eksodosy 21:1-36

21  “Ireto avy ny didy havoaka amin’ny fitsarana, ka tokony hampahafantarinao ny vahoaka:+  “Raha mividy mpanompolahy hebreo ianao,+ dia ho mpanompo mandritra ny enin-taona izy. Fa amin’ny taona fahafito kosa, dia hiala izy ka ho olona afaka ary tsy handoa na inona na inona.+  Raha irery izy no niditra, dia izy irery no hiala. Raha efa manambady kosa izy no niditra, dia hiala miaraka aminy ny vadiny.  Fa raha omen’ny tompony vady izy, ka miteraka lahy na vavy aminy ravehivavy, dia ho fananan’ny tompony ravehivavy sy ny zanany,+ fa ilay mpanompolahy irery no hiala.+  Raha manizingizina anefa izy hoe: ‘Tena tiako ny tompoko sy ny vady aman-janako, ka tsy te hiala aho ary tsy te ho olona afaka’,+  dia hoentin’ny tompony manatona an’Andriamanitra izy, ka hankininy eo amin’ny varavarana na eo amin’ny tolàna, ary hotevehiny amin’ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.+  “Ary raha misy lehilahy mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo,+ dia tsy hitovy amin’ny fomba ialan’ny mpanompolahy ny fomba ialan-drazazavavy.  Raha tsy mahafinaritra ny tompony ilay mpanompovavy ka tsy alainy ho vadikely+ fa itadiavany olona hanavotra, dia tsy ho azony amidy amin’ny hafa firenena izy, satria nofitahiny.  Ary raha ho an’ny zanany lahy no nakany an’ilay mpanompovavy, dia tsy maintsy omeny zo toy ny an’ny zanakavavy izy.+ 10  Ary raha maka vady hafa koa razazalahy, dia tsy tokony hahenany ny sakafon’ilay mpanompovavy sy ny fitafiany+ ary ny adidy amim-bady tokony hataony aminy.+ 11  Fa raha tsy omeny azy ireo zavatra telo ireo, dia hiala amin’izao fotsiny ilay mpanompovavy fa tsy handoa vola. 12  “Izay mamely olona ka mahafaty azy, dia tsy maintsy vonoina ho faty.+ 13  Fa raha tsy miafina mba hanafika kosa ny olona iray, nefa avelan’Andriamanitra hahavita izany ny tanany,+ dia hanondro toerana azony andosirana aho.+ 14  Ary raha tezitra amin’ny namany ny olona iray, ka manao hafetsena ary mamono azy,+ dia hosamborinao ilay olona na dia eo amin’ny alitarako aza, ary hovonoina ho faty.+ 15  Ary izay olona mamely ny rainy sy ny reniny, dia tsy maintsy vonoina ho faty.+ 16  “Izay maka olona an-keriny,+ dia tsy maintsy vonoina ho faty,+ na efa namidiny ilay olona+ na mbola tratra eo an-tanany. 17  “Izay manozona ny rainy sy ny reniny, dia tsy maintsy vonoina ho faty.+ 18  “Raha misy olona mifanditra, ka mamely amin’ny vato na angady ny iray, nefa tsy maty ilay voa saingy tsy maintsy mijanona eo am-pandriana, 19  dia tsy hosazina ilay namely raha tafatsangana ilay voa ka mandehandeha mitondra tehina eny ivelany. Hanome onitra fotsiny ilay namely, noho ny fotoana very tsy niasan’ilay namany mandra-pahasitrany tanteraka. 20  “Ary raha mikapoka+ ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin’ny hazo ny olona iray, ka mahafaty azy, dia tsy maintsy sazina.+ 21  Tsy hisy sazy kosa anefa raha mbola velona iray andro na roa andro ilay mpanompo, satria volan’ny tompony ihany izy. 22  “Raha misy olona miady ka mahavoa vehivavy bevohoka, ary teraka tsy tonga volana ny zanany,+ nefa tsy misy maty vokatr’izany, dia hampandoavina onitra ilay olona, araka izay takin’ny vadin-dravehivavy.* Ary handoa izany amin’ny alalan’ny mpitsara izy.+ 23  Fa raha misy maty kosa vokatr’izany, dia tsy maintsy manome aina* ho solon’ny aina ianao,+ 24  maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify, tanana ho solon’ny tanana, tongotra ho solon’ny tongotra,+ 25  dorana ho solon’ny nodorana, ratra ho solon’ny ratra, kapoka ho solon’ny kapoka.+ 26  “Ary raha mamely ny mason’ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ny olona iray, ka manimba ny masony, dia halefany handeha izy mba ho olona afaka. Izany no onitra noho ny masony.+ 27  Ary raha ny nifin’ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny no afaka noho ny nataony, dia halefany handeha izy mba ho olona afaka. Izany no onitra noho ny nifiny. 28  “Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka maty ilay olona, dia tsy maintsy toraham-bato+ ilay omby ary tsy hohanina ny henany. Tsy hosazina kosa ny tompon’omby. 29  Raha misy anefa omby efa zatra nanoto, ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy niambina azy, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia hotoraham-bato ilay omby ary hovonoina ho faty ny tompony. 30  Ary raha itakiana vidim-panavotana ny tompon’omby, dia hanome izany izy hanavotana ny ainy, araka izay rehetra hotakina aminy.+ 31  Na nanoto zazalahy ilay omby na nanoto zazavavy, dia io didim-pitsarana io ihany no hampiharina amin’ny tompon’omby.+ 32  Ary raha nanoto mpanompolahy na mpanompovavy ilay omby, dia handoa sekely telopolo+ amin’ny tompon’ilay mpanompo, ny tompon’omby. Ary hotoraham-bato kosa ilay omby. 33  “Ary raha misy olona manokatra lavaka, na olona mihady lavaka ary tsy manarona azy, ka misy omby na ampondra latsaka ao,+ 34  dia handoa onitra ny tompon’ilay lavaka.+ Haloany amin’ny tompom-biby ny vidin’ilay biby, ary ho lasany ilay biby maty. 35  Ary raha misy omby mandratra ombin’olona ka maty ilay omby naratra, dia hamidy ilay omby velona ka hozarain’ireo tompon’omby ny vidiny. Ary hozarainy koa ilay omby maty.+ 36  Na, raha misy omby fantatra fa efa zatra nanoto nefa tsy nambenan’ny tompony,+ dia tsy maintsy manome onitra ilay tompony,+ ka omby ho solon’ny omby, ary ho lasany ilay omby maty.

Fanamarihana

A.b.t.: “tompon-dravehivavy.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.