Eksodosy 22:1-31

  • Lalàna ho an’ny Israely (1-31)

    • Momba ny halatra (1-4)

    • Rehefa misy manimba ny voly (5, 6)

    • Momba ny onitra sy ny tompon-javatra (7-15)

    • Rehefa misy lehilahy manadala tovovavy (16, 17)

    • Momba ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fanaovana ny rariny (18-31)

22  “Raha misy olona mangalatra omby iray na ondry iray ary mamono na mivarotra azy, dia hanome onitra omby dimy izy ho solon’ilay omby, na ondry efatra ho solon’ilay ondry.+ 2  —“Raha misy mpangalatra+ tratra mamaky trano ary voavely ka maty, dia tsy ho meloka ho nandatsa-dra ilay namely azy. 3  Fa raha efa niposaka ny masoandro vao nitranga izany, dia ho meloka ho nandatsa-dra ilay namely azy.— “Tsy maintsy manome onitra ilay nangalatra. Raha tsy manana na inona na inona anefa izy, dia izy mihitsy no hamidy hanonerana an’izay nangalariny. 4  Raha tratra any aminy izay nangalariny sady mbola velona, na omby izany na ampondra na ondry, dia hanome onitra avo roa heny izy. 5  “Raha misy olona mandefa ny bibiny any an-tsaha na eny amin’ny tanimboaloboka, ka mamela an’ilay biby hihinana ny voly eny amin’ny sahan’olona, dia hanome an’izay tsara indrindra avy amin’ny sahany na tanimboalobony izy mba ho onitra. 6  “Raha misy afo mirehitra ary mitatra mankany amin’ny tsilo ilay izy ka lasa kilan’ny afo ny vokatra efa vita amboara, na ny vokatra eny an-tsaha, na ny saha, dia tsy maintsy manonitra an’izay may ilay nandrehitra ny afo. 7  “Raha mametraka vola na zavatra any amin’ny namany ny olona iray, ka misy mangalatra ao an-tranon’ilay namany izany, dia tokony hanome onitra avo roa heny ilay mpangalatra raha tratra.+ 8  Raha tsy tratra kosa ilay mpangalatra, dia hoentina eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra+ ilay tompon-trano mba hahafantarana raha izy ihany no naka* ny zavatr’ilay namany. 9  Rehefa misy olona miampanga olona iray hoe naka ny fananany, na omby izany, na ampondra, na ondry, na akanjo, na inona na inona very, ka miteny hoe: ‘Izaho no tompon’ity!’, dia samy hankeo anatrehan’ilay tena Andriamanitra+ izy roa tonta mba hahafantarana ny tena tompony. Izay lazain’Andriamanitra hoe meloka no hanome onitra avo roa heny ho an’ilay namany.+ 10  “Raha mametraka ampondra na omby na ondry na biby fiompy hafa any amin’ny namany ny olona iray, ka maty ilay biby na lasa kilemaina na nisy naka nefa tsy nisy nahita, 11  dia hianiana eo anatrehan’i Jehovah ilay nametrahana ny biby hoe tsy nataony na inona na inona* ny fananan’ny namany. Dia hanaiky an’izany ilay tompom-biby, ary tsy hanome onitra ilay namany.+ 12  Raha nisy nangalatra tao aminy kosa ilay biby, dia tokony hanome onitra ho an’ny tompom-biby izy. 13  Raha noviravirain’ny bibidia ilay biby, dia hoentiny ny sisa tavela amin’ilay biby ho porofo. Tsy hanonitra an’izay noviravirain’ny bibidia izy. 14  “Raha misy anefa olona mindrana biby amin’ny namany, ka lasa kilemaina ilay izy na maty nefa tsy teo ilay tompony, dia tsy maintsy manome onitra ilay nindrana. 15  Raha teo kosa ny tompony, dia tsy hanome onitra izy. Raha nohofana ilay biby, dia ilay hofany iny no onitra. 16  “Raha misy lehilahy manadala tovovavy virjiny mbola tsy manana fofombady ary manao firaisana aminy, dia tsy maintsy mandoa vodiondry izy mba hakana azy ho vady.+ 17  Raha tsy manaiky hanome an’ilay tovovavy ho an’ilay lehilahy mihitsy anefa ny rainy, dia tokony haloany ihany ny vola mifanitsy amin’ny vodiondry. 18  “Vonoy ho faty ny vehivavy mpilalao ody.+ 19  “Tsy maintsy hovonoina ho faty izay manao firaisana amin’ny biby.+ 20  “Izay manao sorona ho an’andriamani-kafa afa-tsy ho an’i Jehovah irery ihany, dia haringana.+ 21  “Aza mampijaly na mampahory ny olona avy amin’ny firenen-kafa,+ fa mba efa nivahiny tany Ejipta ihany ianareo.+ 22  “Aza mampijaly ny vehivavy maty vady na ny kamboty ray.+ 23  Raha mampijaly azy ianao ka mitaraina amiko izy, dia tena hohenoiko ny fitarainany.+ 24  Ary ho tezitra be aho ka hovonoiko amin’ny sabatra ianareo, dia ho lasa mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ray ny zanakareo. 25  “Raha toa ianao mampindrana vola amin’olona mahantra* eo amin’ny vahoakako, ary miara-monina aminao ilay olona, dia aza manao toy ny mpampisambo-bola.* Aza mangataka zanabola aminy.+ 26  “Raha alainao ho antoka ny akanjon’ny namanao,+ dia tokony haverinao aminy izany rehefa hilentika ny masoandro. 27  Fa iny ihany no mba firakofany, ary iny no mba fitafiana anaronany ny tenany.* Koa inona no hoentiny matory?+ Rehefa mitaraina amiko izy, dia tena hohenoiko satria mangoraka* aho.+ 28  “Aza manozona* an’Andriamanitra+ na ny mpiadidy* eo amin’ny firenenao.+ 29  “Aza misalasala manao fanatitra avy amin’ny vokatra be dia be azonao sy izay mihoatra avy amin’ny famiazanao.*+ Tokony homenao ho ahy ny zanakao lahimatoa.+ 30  Izao no tokony hataonao amin’ny omby aman’ondrinao:+ Tsy hosarahina amin’ny reniny izy mandritra ny fito andro, fa homenao ho ahy kosa izy amin’ny andro fahavalo.+ 31  “Tokony ho vahoaka masina ho ahy ianareo.+ Ary aza mihinana hena efa noviravirain’ny bibidia tany an-tsaha,+ fa atsipazo ho an’ny alika izany.

Fanamarihana

Abt: “nametraka ny tanany teo amin’ny.”
Abt: “tsy nametraka ny tanany teo amin’ny.”
Na: “mpanjana-bola.”
Na: “ory.”
Abt: “hodiny.”
Na: “mamindra fo.”
Na: “manevateva.”
Na: “mpitondra.”
Izany hoe famiazana menaka sy famiazana divay.