Eksodosy 24:1-18

24  Ary hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Miakara atỳ amin’i Jehovah ianao sy Arona, Nadaba sy Abiho,+ ary fitopolo+ lahy amin’ireo anti-panahin’ny Israely, ka miankohofa raha mbola lavidavitra.  Ary i Mosesy irery no hanatona an’i Jehovah, fa izy ireo kosa tsy tokony hanatona. Ary tsy tokony hiakatra miaraka amin’i Mosesy ny vahoaka.”+  Dia tonga i Mosesy, ka nolazainy tamin’ny vahoaka ny tenin’i Jehovah rehetra sy ny didy rehetra havoaka amin’ny fitsarana.+ Koa niara-niredona ny olona hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”+  Dia nosoratan’i Mosesy ny teny rehetra nolazain’i Jehovah.+ Ary nifoha maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra, sady nanao tsangambato roa ambin’ny folo mba hoenti-manondro ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.+  Taorian’izay, dia naniraka zatovolahy maromaro avy teo amin’ny zanak’Israely izy, ary nanolotra fanatitra dorana ireo sady namono omby ho sorona iombonana+ ho an’i Jehovah.  Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty vilia baolina,+ ary ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.+  Farany, dia noraisiny ny bokin’ny fifanekena+ ka novakiny teo anatrehan’ny vahoaka.+ Dia hoy ireo: “Vonona hanao sy hankatò izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”+  Koa noraisin’i Mosesy ny ra ary nafafiny teny amin’ny vahoaka+ sady hoy izy: “Ity no ran’ny fifanekena+ nataon’i Jehovah taminareo, momba izany teny rehetra izany.”  Ary niakatra i Mosesy sy Arona, Nadaba sy Abiho, ary fitopolo lahy tamin’ireo anti-panahin’ny Israely. 10  Dia hitan’izy ireo ny Andriamanitry ny Israely:+ Teo ambanin’ny tongony dia nisy zavatra toy ny safira fisaka natao rarivato, sy toy ny lanitra madio.+ 11  Ary tsy naninjitra ny tanany hamely an’ireo lehilahy nanan-kaja teo amin’ny zanak’Israely Izy.+ Nahazo fahitana an’Andriamanitra kosa anefa izy ireo,+ ary nihinana sy nisotro.+ 12  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Miakara atỳ amiko, atỳ an-tendrombohitra ary mijanòna atỳ, fa tiako homena anao ireo takela-bato mbamin’ny lalàna sy ny didy hosoratako, mba hampianarina azy.”+ 13  Koa nitsangana i Mosesy sy Josoa mpanompony, ary i Mosesy no niakatra nankao an-tendrombohitr’Andriamanitra.+ 14  Hoy anefa izy tamin’ireo anti-panahy: “Andraso eto izahay, mandra-piverinay eto aminareo.+ Ary indreo i Arona sy Hora+ miaraka aminareo. Koa izay manana raharaha hotsaraina, dia aoka hanatona azy roa lahy.”+ 15  Dia niakatra nankao an-tendrombohitra i Mosesy, raha mbola nanarona an’ilay tendrombohitra ny rahona.+ 16  Nitoetra teo an-tendrombohitra Sinay+ ny voninahitr’i Jehovah.+ Ary nanarona an’ilay tendrombohitra ny rahona nandritra ny enina andro. Farany, tamin’ny andro fahafito, dia niantso an’i Mosesy avy tao afovoan’ny rahona izy.+ 17  Toy ny afo mandevona+ teo an-tampon-tendrombohitra no fahitan’ny zanak’Israely ny voninahitr’i Jehovah. 18  Dia niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy ary mbola niakatra an’ilay tendrombohitra ihany.+ Ary nijanona efapolo andro sy efapolo alina tao an-tendrombohitra i Mosesy.+

Fanamarihana