Eksodosy 25:1-40

25  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:+  “Ilazao ny zanak’Israely mba hitondra fanomezana ho ahy, ka avy amin’ny olona rehetra atosiky ny fony no handraisanareo izany fanomezana izany.+  Ary izao no fanomezana horaisinareo avy amin’izy ireo: Volamena,+ volafotsy,+ varahina,+  kofehy manga, volonondry nolokoana volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra,* lamba rongony tena tsara, volon’osy,+  hoditr’ondry nolokoana mena, hoditra faoky,* hazo akasia,+  menaka ho an’ny jiro,+ menaka balsama+ hatao amin’ny menaka masina fanosorana+ sy ny emboka manitra,+  vato oniksa, ary vato voatefy apetaka amin’ny efoda*+ sy ny saron-tratra.+  Ary manaova toerana masina ho ahy, satria hitoetra eo anivon’izy ireo aho.+  Araka izay rehetra asehoko anao ho modelin’ny tranolay masina sy ny kojakojany rehetra, no tokony hanaovanareo azy.+ 10  “Dia manaova Vata amin’ny hazo akasia,+ ka roa hakiho* sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony. 11  Petaho takela-bolamena tsy misy fangarony+ ny atiny sy ny ivelany, ary asio sisiny volamena manaraka ny molony.+ 12  Ary aoka ianao handrendrika volamena, mba hanaovana ny tahony boribory efatra izay hapetakao eo ambony kelin’ny tongony efatra, ka ny roa eo amin’ny lafiny iray ary ny roa eo amin’ny lafiny ilany.+ 13  Ary manaova bao filanjana amin’ny hazo akasia ka petaho takela-bolamena.+ 14  Dia atsofohy ao amin’ny tahony eo amin’ny lafiny roa ireo bao ireo, mba hilanjana ilay Vata. 15  Tokony havela eo amin’ny tahon’ny Vata ny bao, fa tsy hotsoahana eo.+ 16  Ary ataovy ao anatin’ilay Vata ireo takela-bato izay homeko anao ho vavolombelona.+ 17  “Ary manaova sarony amin’ny volamena tsy misy fangarony, ka roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany.+ 18  Manaova koa kerobima volamena roa. Tefeo amin’ny marotoa ireo ary ataovy eo amin’ny sisiny roa manaraka ny sakan’ilay sarony,+ 19  ka ny kerobima iray eo amin’ny sisiny iray ary ny iray eo amin’ny sisiny iray.+ Eo amin’ny sisiny roa amin’ilay sarony no hametrahanao an’ireo kerobima. 20  Samy tokony hivelatra miakatra ny elatra roan’ireo kerobima, ka hanakona an’ilay sarony. Ary tokony hifanatrika ireo kerobima+ sady hiondrika hijery an’ilay sarony. 21  Dia apetraho eo ambonin’ilay Vata ny sarony,+ ary ataovy ao anatin’ilay Vata ireo takela-bato izay homeko anao ho vavolombelona. 22  Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin’ny saron’ilay Vata aho,+ eo anelanelan’ireo kerobima roa eo amin’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, ka hilaza aminao ny didy rehetra omeko anao ho an’ny zanak’Israely.+ 23  “Ary manaova latabatra+ amin’ny hazo akasia, ka roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony. 24  Dia petaho takela-bolamena tsy misy fangarony ilay latabatra, ka asio haingony volamena manodidina ny tampony.+ 25  Ary manaova sisiny mitovy refy amin’ny sakan’ny felatanana, ka asio haingony volamena koa ny morony ambany amin’iny sisiny iny.+ 26  Ary manaova tahony boribory volamena efatra ho an’ilay latabatra, ka apetaho eo amin’ny zorony efatra izay hisy ny tongony efatra.+ 27  Tokony hifanakaiky tsara amin’ilay sisiny ireo tahony, izay hitsofohan’ireo bao hilanjana ny latabatra.+ 28  Hazo akasia no hanaovanao ireo bao, ka hopetahanao takela-bolamena. Ireo no hilanjana an’ilay latabatra.+ 29  “Ataovy koa ny fitaovana ho an’ny latabatra, dia ny vilia sy ny kaopy ary koa ny zinga sy ny vilia baolina handrarahana ny fanatitra zava-pisotro. Volamena tsy misy fangarony no hanaovanao an’ireo.+ 30  Dia ataovy eo ambonin’ilay latabatra eo anatrehako mandrakariva ny mofo aseho.+ 31  “Ary manaova fitoeran-jiro amin’ny volamena tsy misy fangarony, ka marotoa no hanefena azy.+ Tokony ho avy amin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro ihany ny tongony sy ny sampany sy ny voninkazony sy ny bokony ary ny felany. 32  Ary misy sampany enina eo amin’ny andaniny roa amin’ilay fitoeran-jiro, ka ny telo eo amin’ny andaniny, ary ny telo eo amin’ny ankilany.+ 33  Misy voninkazo telo miendrika vonin’amandie eo amin’ireo sampany amin’ny andaniny iray, miaraka amin’ny bokony sy ny felany mifanelanelana. Eo amin’ireo sampany eo amin’ny ankilany koa, dia misy voninkazo telo miendrika vonin’amandie miaraka amin’ny bokony sy ny felany mifanelanelana.+ Dia toy izany ny endrik’ireo sampany enina eo amin’ilay fitoeran-jiro. 34  Misy voninkazo efatra miendrika vonin’amandie koa eo amin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro, miaraka amin’ny bokony sy ny felany mifanelanelana.+ 35  Misy bokony iray eo ambanin’ny sampany roa voalohany amin’ilay fitoeran-jiro. Misy bokony iray koa eo ambanin’ny sampany roa faharoa. Ary misy bokony iray koa eo ambanin’ny sampany roa farany. Misy toy izany daholo eo ambanin’ny sampany enina amin’ilay fitoeran-jiro.+ 36  Tokony ho avy amin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro ihany ny bokony sy ny sampany. Marotoa no hanefena ireo rehetra ireo, avy amin’ny vongam-bolamena iray ihany tsy misy fangarony, ka tsy hosaratsarahina izy ireo rehefa tefena.+ 37  Ary manaova jiro fito ho an’ilay fitoeran-jiro. Dia harehitra ireo jiro ka hanazava ny faritra eo anoloany.+ 38  Volamena tsy misy fangarony no hanaovana ny fihazonana lahin-jiro sy ny fitondrana afo.+ 39  Volamena tsy misy fangarony milanja talenta* iray no hanaovana ilay fitoeran-jiro sy ireo fitaovana rehetra miaraka aminy ireo. 40  Ary tandremo mba ho araka ny modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao an’ireo.+

Fanamarihana

Loko menamena avy amin’ny bibikely.
Biby an-dranomasina.
Toy ny aron’akanjo misy aloha sy aoriana.
1 hakiho = 44,5 sm.
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. 6A.