Eksodosy 26:1-37

26  “Ary ny hanaovanao ny tranolay masina dia lamba folo+ vita amin’ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga, sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena, ary kofehy mena midorehitra.+ Dia horavahanao kerobima+ atao peta-kofehy ireo lamba.  Valo amby roapolo hakiho ny lavan’ny lamba tsirairay, ary efatra hakiho ny sakany. Hatao mitovy ny refin’ny lamba rehetra.+  Ataovy mitohitohy hitambatra ny lamba dimy, ary ataovy toy izany koa ny lamba dimy ambiny.+  Dia asio vona amin’ny kofehy manga ny sisin’ny lamba farany amin’ilay fitambaran-damba voalohany. Asio vona koa ny sisin’ny lamba farany amin’ilay fitambaran-damba faharoa, eo amin’izay hihaonan’ireo fitambaran-damba.+  Vona dimampolo no ataovy eo amin’ny lamba iray, ary dimampolo koa eo amin’ny sisin’ny lamba iray, dia eo amin’izay hihaonan’izy ireo. Dia ataovy mifanitsy ireo vona.+  Ary manaova faraingo volamena dimampolo mba hanakambanana an’ireo fitambaran-damba ho lamba iray ihany.+  “Ary manaova lamba iraika ambin’ny folo vita amin’ny volon’osy+ mba handrakofana ny tranolay masina.  Telopolo hakiho ny lavan’ny lamba tsirairay+ ary efatra hakiho ny sakany, ka atao mitovy daholo ny refin’ny lamba iraika ambin’ny folo.  Ary ataovy mitohitohy hitambatra ny lamba dimy, ary ataovy toy izany koa ny lamba enina,+ ka avalòny roa ny lamba fahenina izay eo anoloan’ny tranolay. 10  Ary asio vona dimampolo ny sisin’ny lamba farany indrindra amin’ilay fitambaran-damba voalohany, ary dimampolo koa eo amin’ny sisin’ilay fitambaran-damba faharoa, eo amin’izay hihaonan’izy ireo. 11  Ary manaova faraingo varahina+ dimampolo, ka ampidiro eo amin’ireo vona, mba hanakambanana an’ireo fitambaran-damba ho lamba iray ihany.+ 12  Hikiraviravy ny ambiny amin’ireo lamba, ka ny antsasaky ny lamba ambiny no hikiraviravy eo andamosin’ny tranolay. 13  Raha oharina amin’ilay lamba voalohany ilay lamba volon’osy, dia mihoatra iray hakiho eo amin’ny andaniny ary mihoatra iray hakiho eo amin’ny ankilany, ka hikiraviravy eo amin’ny andaniny roa amin’ny tranolay mba hanarona azy. 14  “Manaova rakotra amin’ny hoditr’ondry nolokoana mena mba hatao eo ambonin’io, ary rakotra iray koa amin’ny hoditra faoky, hatao eo ambony indrindra. 15  “Ary hazo akasia no hanaovanao ireo rafitry+ ny tranolay masina, ka ataovy mitsangana ireo rafitra. 16  Folo hakiho ny lavan’ny rafitra tsirairay, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. 17  Ary ny rafitra tsirairay dia misy lahiny roa milahatra. Toy izany no hanaovanao ny rafitra rehetran’ny tranolay. 18  Ary ataovy ireo rafitry ny tranolay, ka rafitra roapolo no ho an’ny lafiny mitodika any Negeba, izany hoe mitodika mianatsimo. 19  “Ary manaova faladiany+ volafotsy efapolo hitsatohan’ny rafitra roapolo, ka faladiany roa no hitsatohan’ny rafitra iray misy lahiny roa, ary toy izany hatrany ho an’ny rafitra tsirairay. 20  Ary manaova rafitra roapolo ho an’ny lafiny ilany amin’ny tranolay, dia ny lafiny avaratra.+ 21  Ataovy koa ny faladiany volafotsy efapolo, ka faladiany roa no hitsatohan’ny rafitra iray, ary toy izany hatrany ho an’ny rafitra tsirairay.+ 22  Ary manaova rafitra enina ho lamosin’ny tranolay, eo amin’ny lafiny andrefana.+ 23  Dia manaova rafitra roa ho andry eo amin’ny zorony roa, eo amin’ny lamosin’ny tranolay.+ 24  Ary tokony ho roa sosona izy ireo miainga avy eny ambany hatreny amin’ny tampony, eo amin’ny tahony boribory voalohany. Toy izany no tokony hanaovana ireo rafitra roa, izay ho andry roa eo amin’ny zorony. 25  Dia valo no ho isan’ireo rafitra, ary enina ambin’ny folo ny faladiany volafotsy ka faladiany roa no hitsatohan’ny rafitra iray, ary toy izany hatrany ho an’ny rafitra tsirairay. 26  “Ary manaova barany amin’ny hazo akasia,+ ka dimy ho an’ny rafitra amin’ny lafiny iray amin’ny tranolay, 27  dimy ho an’ny rafitra amin’ny lafiny ilany, ary dimy ho an’ny rafitra eo amin’ny lamosiny, dia ny lafiny mitodika miankandrefana.+ 28  Ary ny barany afovoany, izay mitsivalana eo amin’ireo rafitra, dia mitsofoka avy eo anoloana ary mipoitra any amin’ny farany. 29  “Petaho takela-bolamena ireo rafitra,+ ary ataovy volamena ireo tahony boribory hitsofohan’ny barany. Petaho takela-bolamena koa ireo barany. 30  Ary atsangano ilay tranolay masina, araka ilay drafitra vao naseho anao tatỳ an-tendrombohitra.+ 31  “Ary manaova ridao+ amin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy somary mena, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara. Dia horavahana kerobima+ atao peta-kofehy ilay ridao, 32  ka andry efatra atao amin’ny hazo akasia no hanantonanao azy. Hopetahana takela-bolamena ireo andry, izay mitsatoka amin’ny faladiany volafotsy efatra, ary volamena ireo fantsika fanantonana eo aminy. 33  Ahantòny eo ambanin’ireo faraingo ny ridao, ary ento mankao ambadik’ilay ridao ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona.+ Koa ny ridao no hanasaraka ny Masina+ sy ny Masina Indrindra.+ 34  Ary saròny amin’ilay sarony ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, ao amin’ny Masina Indrindra. 35  “Apetraho eo ivelan’ilay ridao ny latabatra, ary ny fitoeran-jiro+ kosa eo amin’ny lafin’ny tranolay mitodika mianatsimo, izany hoe tandrifin’ny latabatra. Ary eo amin’ny lafiny avaratra no hametrahanao ilay latabatra. 36  Manaova koa lamba fanakonana+ ho an’ny fidirana amin’ny tranolay, ary mpanenona no hanao izany amin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy somary mena, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara. 37  Dia manaova andry dimy amin’ny hazo akasia hihantonan’ilay lamba fanakonana, ary petaho takela-bolamena ireo andry. Volamena koa ireo fantsika fanantonana eo aminy. Ary aoka ianao handrendrika varahina hanaovana faladiany dimy hitsatohan’ireo andry.

Fanamarihana