Eksodosy 27:1-21

  • Alitara fanaovana fanatitra dorana (1-8)

  • Tokotany (9-19)

  • Menaka ho an’ny jiro (20, 21)

27  “Manaova alitara amin’ny hazo akasia,+ ka ho dimy hakiho* ny lavany ary dimy hakiho ny sakany. Tokony ho efamira ilay izy, ary telo hakiho ny haavony.+ 2  Asio tandroka+ ny zorony efatra, ka tokony ho hazo iray tsy tapatapahina no hanaovanao an’ilay alitara sy ireo tandrony. Dia petaho takela-barahina ilay alitara.+ 3  Ary manamboara fitaovana ho an’ny alitara: Siny fasiana lavenona,* lapelina, vilia baolina, fitrebika,* ary fitondrana afo. Varahina no hanaovana an’ireo rehetra ireo.+ 4  Manaova makarakara varahina miendrika harato ho an’ilay alitara, sy tahony boribory varahina efatra hatao eo amin’ny zorony efatra. 5  Ataovy eo ambany molotry ny alitara ilay makarakara, izany hoe eo amin’ny fisasahan’ilay alitara. 6  Manaova koa bao filanjana amin’ny hazo akasia ka petaho takela-barahina. 7  Ary atsofohy eo amin’ny tahony boribory ireo bao, mba ho eo amin’ny andaniny roa amin’ny alitara izy ireo rehefa lanjaina izy io.+ 8  Ataovy toy ny vata poakaty ilay alitara, ka hazo fisaka no hanaovanao azy. Hoatran’ilay nasehony anao tatỳ an-tendrombohitra mihitsy no hanaovanao an’ilay izy.+ 9  “Asio tokotany+ ilay tranolay. Lamba vita amin’ny kofehy rongony miolana tsara no hatao fefy eo amin’ny lafiny atsimo amin’ilay tokotany, izany hoe ilay mitodika mianatsimo. Ho 100 hakiho ny halavan’ilay fefy.+ 10  Hisy andry 20 ilay fefy ary hitsatoka amin’ny faladiany varahina 20 izy ireo. Ho volafotsy kosa ny faraingon’ireo andry sy ny fampitohizana* azy ireo. 11  Ho 100 hakiho koa ny halavan’ilay lamba hatao fefy eo amin’ny lafiny avaratra. Hisy andry 20 ilay fefy ary hitsatoka amin’ny faladiany varahina 20 izy ireo. Ho volafotsy ny faraingo sy ny fampitohizana* an’ireo andry. 12  Hisy fefy lamba 50 hakiho sy andry folo ary faladiany folo hitsatohan’ireo andry eo amin’ny sakan’ilay tokotany, eo amin’ny lafiny andrefana. 13  Ary 50 hakiho ny sakan’ilay tokotany eo amin’ny lafiny atsinanana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro. 14  Hisy fefy lamba 15 hakiho sy andry telo ary faladiany telo hitsatohan’ireo andry, eo amin’ny ilany iray amin’izy io.+ 15  Ary hisy fefy lamba 15 hakiho sy andry telo ary faladiany telo hitsatohan’ireo andry koa eo amin’ny ilany iray hafa. 16  “Hisy lamba fanakonana* mirefy 20 hakiho ny fidirana mankao amin’ilay tokotany, ka mpanenona no hanao izany amin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.+ Ary hisy andry efatra sy faladiany efatra hitsatohan’ny andry eo amin’ilay fidirana.+ 17  Hisy fampitohizana vita amin’ny volafotsy, sy faraingo volafotsy, ary faladiany varahina ny andry rehetra manodidina an’ilay tokotany.+ 18  Ho 100 hakiho ny lavan’ny fefin’ny tokotany,+ 50 hakiho ny sakany, ary 5 hakiho ny haavony. Lamba vita amin’ny kofehy rongony miolana tsara no hanaovana an’ilay fefy, ary varahina ireo faladiany hitsatohan’ny andry. 19  Varahina daholo no hanaovana an’ireo fitaovana hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay masina, sy ny fantsika be fanenjanan-day ary ny fantsika be rehetra ho an’ny tokotany.+ 20  “Omeo baiko ny Israelita hitondra menaka tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto, mba hatao amin’ny jiro. Amin’izay dia hirehitra foana ny jiro.+ 21  Eo anoloan’ilay ridao eo akaikin’ny Tenin’ny Vavolombelona,+ ao amin’ny tranolay fihaonana, no hikarakaran’i Arona sy ny zanany lahy ny jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan’i Jehovah ilay izy, manomboka amin’ny hariva ka mandra-paharainan’ny andro.+ Fitsipika tokony harahin’ny Israelita foana izany, ary harahin’ny taranak’izy ireo koa.+

Fanamarihana

1 hakiho = 44,5 sm. Jereo F.F. B14.
Na: “lavenona feno menaka”, izany hoe lavenona vonton’ny menak’ireo fanatitra.
Vy fanindronana misy lohany maranitra roa na mihoatra.
Na: “mason-drojo; tahony” mampitohy.
Na: “mason-drojo; tahony” mampitohy.
Na: “ridao.”