Eksodosy 28:1-43

28  “Ary alaivo avy eo amin’ny zanak’Israely i Arona rahalahinao sy ny zanany lahy, mba ho eo aminao. Koa hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako+ i Arona+ sy ny zanany lahy, dia i Nadaba, Abiho,+ Eleazara, ary Itamara.+  Ary anaovy fitafiana masina i Arona rahalahinao, mba hanomezana azy voninahitra sy hatsaran-tarehy.+  Mitenena amin’izay manan-talenta rehetra efa nofenoiko fanahin’ny fahendrena.+ Ary aoka izy ireo hanamboatra ny fitafian’i Arona mba hanamasinana azy, ka hanaovany ny asan’ny mpisorona eo anatrehako.+  “Ary ireto avy ny fitafiana hamboarin’izy ireo: Saron-tratra,+ efoda,+ akanjo tsy misy tanany,+ akanjo lava karôkarô, satroka lamba,*+ ary fehikibo lamba.+ Dia hanamboatra ny fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao sy ny zanany lahy izy ireo, mba hanaovan’i Arona ny asan’ny mpisorona eo anatrehako.  Koa halain’izy ireo àry ny kofehy volamena, sy ny kofehy manga, sy ny volonondry nolokoana volomparasy somary mena, sy ny kofehy mena midorehitra, ary ny kofehy rongony tena tsara.  “Ary kofehy volamena, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy somary mena, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara no hanaovan’izy ireo ny efoda, izay asan’ny mpanao peta-kofehy.+  Tokony hisy lamban-tsoroka roa ny efoda, ary hatambatra amin’ny tendrony roa amin’ny efoda izany, ka hitambatra ny efoda.+  Toy ny fomba hanaovana ny efoda ihany no hanaovana ny fehikibo,+ izay hatao eo amboniny mba hamatorana azy tsara. Mitovy koa ny zavatra hanaovana ny efoda sy ny fehikibo, dia kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.  “Ary makà vato oniksa+ roa, dia ataovy sokitra+ eo amin’ireo ny anaran’ny zanak’Israely,+ 10  ka eo amin’ny vato iray ny anaran’ny enina, ary eo amin’ny vato iray ny enina ambiny. Ary alaharo arakara-jokiny izany.+ 11  Soraty eo amin’ireo vato roa ireo ny anaran’ny zanak’Israely, ka ataovy sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase.+ Mpanao asa sokitra amin’ny vato no hanao izany. Ary ataovy ao anaty tranom-bato volamena ireo.+ 12  Apetraho eo amin’ny soroky ny efoda ireo vato roa, ho vato fahatsiarovana ny zanak’Israely.+ Dia hoentin’i Arona eo an-tsorony eo anatrehan’i Jehovah ny anaran’izy ireo, ho fahatsiarovana. 13  Ary manaova tranom-bato volamena, 14  sy rojo roa amin’ny volamena tsy misy fangarony.+ Dia ataovy mirandrana toy ny tady ireo rojo, ka ataovy miraikitra amin’ny tranom-bato.+ 15  “Ary ataovy ny saron-tratra fitsarana,+ ka ataovy peta-kofehy izany. Toy ny hanaovana ny efoda ihany no hanaovanao azy. Kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara, no hanaovanao azy.+ 16  Tokony ho efamira izy io rehefa avalona roa, ka irain-jehy ny lavany ary irain-jehy ny sakany.+ 17  Ary asio vatosoa misy laharany efatra ilay izy,+ ka ny laharana voalohany dia robia+ sy topaza+ ary emeraoda.+ 18  Ny laharana faharoa dia torkoazy+ sy safira+ ary jaspa.+ 19  Ny laharana fahatelo dia vato lesema sy agata+ ary ametista.+ 20  Ary ny laharana fahefatra dia krizolita+ sy oniksa+ ary jady. Ao anaty tranom-bato volamena ireo vato ireo, fa ny tranom-bato kosa mitsatoka ao anaty fitoerany avy.+ 21  Ary ireo vato dia tokony ho araka ny anaran’ny zanak’Israely, eny, araka ny anaran’izy roa ambin’ny folo.+ Atao sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase ny anarana eo amin’ny vato tsirairay, ho an’ireo foko roa ambin’ny folo.+ 22  “Ary eo amin’ilay saron-tratra dia asio rojo mirandrana toy ny tady, vita amin’ny volamena tsy misy fangarony.+ 23  Manaova mason-drojo volamena roa,+ ka asio iray avy ny zorony roa amin’ilay saron-tratra. 24  Dia atsofohy eo amin’ireo mason-drojo roa eo amin’ny zoron’ilay saron-tratra ireo tady volamena roa.+ 25  Ary atsofohy eo amin’ireo tranom-bato roa ny lohan’ireo tady roa, ka ataovy eo amin’ny soroky ny efoda eo anoloana.+ 26  Manaova koa mason-drojo volamena roa, ka asio iray avy ny zorony roa ambany amin’ilay saron-tratra, eo amin’ny sisiny anatiny mifanolotra amin’ny efoda.+ 27  Mbola manaova koa mason-drojo volamena roa, ka asio iray avy ny lamban-tsoroka roa amin’ny efoda. Ataovy eny ambany eo anoloana izany, eo akaikin’izay itambaran’ny efoda eo ambonin’ny fehikibony.+ 28  Ary ny saron-tratra dia hafatotra amin’ny kofehy manga, avy eo amin’ny mason-drojon’ny saron-tratra mankeo amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibon’ny efoda foana ny saron-tratra, ka tsy hihetsika eo ambonin’ny efoda.+ 29  “Ary rehefa miditra ao amin’ny Masina i Arona, dia tsy maintsy entiny eo amin’ny saron-tratra fitsarana eo amin’ny fony, ny anaran’ny zanak’Israely, ho fahatsiarovana eo anatrehan’i Jehovah mandrakariva. 30  Ary ataovy ao anatin’ny saron-tratra fitsarana ny Orima+ sy ny Tomima,* ary ho eo amin’ny fon’i Arona ireo rehefa miditra ho eo anatrehan’i Jehovah izy. Dia hoentin’i Arona eo amin’ny fony mandrakariva ny saron-tratra fitsarana+ ny zanak’Israely, rehefa mankeo anatrehan’i Jehovah izy. 31  “Ataovy amin’ny kofehy manga manontolo ny akanjo tsy misy tanany mifanolotra amin’ny efoda.+ 32  Asio lavaka eo afovoany hidiran’ny loha. Tokony hasiana sisiny vita tenona ny manodidina an’ilay lavaka. Toy ny vozon’ny akanjo vy fiarovan-tratra no hanaovana azy, mba tsy haharovitra azy.+ 33  Ary ny morontongony dia asio ampongabendanitra vita amin’ny kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena ary kofehy mena midorehitra. Ary asio lakolosy kely+ volamena eny anelanelan’ireo ampongabendanitra, 34  izany hoe lakolosy volamena dia avy eo ampongabendanitra, ary toy izany hatrany manaraka ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany.+ 35  Ary tsy maintsy hanaovan’i Arona ilay akanjo mba hahafahany hanompo. Koa rehefa miditra ao amin’ny toerana masina eo anatrehan’i Jehovah izy na mivoaka avy ao, dia ho re ny feon’ireo lakolosy ka tsy ho faty izy.+ 36  “Manaova takelaka mamirapiratra amin’ny volamena tsy misy fangarony, ka asio soratra hoe: ‘An’i Jehovah ny fahamasinana.’ Ataovy sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase izany.+ 37  Hafatotra eo anoloana amin’ilay satroka lamba ilay takela-bolamena, ka kofehy manga no hamatorana azy.+ 38  Dia hatao eo amin’ny handrin’i Arona ilay izy. Ary i Arona no hampamoahina noho izay fahadisoana atao amin’ireo zava-masina+ hohamasinin’ny zanak’Israely, dia ny fanomezany masina rehetra. Ary ho eo amin’ny handrin’i Arona foana ilay izy, mba hahazoan’izy ireo sitraka+ eo anatrehan’i Jehovah. 39  “Ary ataovy karôkarô ny tenon’ilay akanjo lava vita amin’ny rongony tena tsara. Manaova koa satroka amin’ny lamba rongony tena tsara,+ ary koa fehikibo lamba+ vita tenona. 40  “Ary ireo zanakalahin’i Arona dia anaovy akanjo lava+ sy fehikibo lamba ary fehiloha,*+ mba hanomezana azy voninahitra sy hatsaran-tarehy.+ 41  Ampiakanjoy an’ireo i Arona rahalahinao sy ny zanany lahy, ka hosory ho mpisorona+ sady omeo fahefana*+ ary hamasino. Dia hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy ireo. 42  Ary manamboara kilaoty lava amin’ny lamba rongony mba hanaronan’izy ireo ny fitanjahany.+ Avy eo amin’ny andilana ka hatreo amin’ny fe ireo kilaoty lava. 43  Ary hanaovan’i Arona sy ny zanany lahy izany, rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo na manatona ny alitara hanompo ao amin’ny toerana masina, mba tsy hahameloka azy ka hahafaty azy. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho azy sy ny taranany mandimby azy.+

Fanamarihana

Jereo F.F. 8.
Jereo F.F. 8.
Jereo F.F. 8.
A.b.t.: “fenoy fahefana ny tanany.”