Eksodosy 29:1-46

29  “Ary izao no hataonao amin’izy ireo, mba hanamasinana azy hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako: Makà vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy roa+ samy tsy misy kilema,+  sy mofo tsy misy lalivay, sy mofo boribory* tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, ary mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka.+ Lafarinina varimbazaha tsara toto no hanaovanao an’ireo mofo ireo.  Ataovy ao anaty harona ireo, ka ao anatin’iny no hanolorana azy.+ Atolory koa ilay ombilahy sy ireo ondrilahy roa.  “Ary ento eo amin’ny fidirana+ amin’ny tranolay fihaonana i Arona sy ireo zanany lahy, ka sasao amin’ny rano.+  Dia alaivo ireo fitafiana,+ ary ampanaovy an’i Arona ilay akanjo lava, sy ilay akanjo tsy misy tanany mifanolotra amin’ny efoda, sy ny efoda, ary ny saron-tratra. Ary ataovy migeja tsara amin’i Arona ny efoda, ka ny fehikibon’ny efoda no hangejana azy.+  Dia apetraho eo amin’ny lohany ny satroka lamba, ary ataovy eo amin’ilay satroka ny famantarana masina hoe voatokana izy.+  Ary alaivo ny menaka masina fanosorana,+ ka araraho amin’ny lohany, dia hosory ho mpisoronabe izy.+  “Ary ampanatony ireo zanany lahy ka ampanaovy azy ny akanjo lava.+  Ampanaovy an’i Arona sy ny zanany koa ireo fehikibo lamba. Ary ataovy mihodidina amin’ny lohan’ireo zanany ny fehiloha. Dia ho anjaran’izy ireo ny asa fisoronana, ary ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.+ Koa omeo fahefana ho mpisorona* i Arona sy ny zanany.+ 10  “Ento eo anoloan’ny tranolay fihaonana ilay ombilahy. Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay omby i Arona sy ny zanany.+ 11  Ary vonoy eo anatrehan’i Jehovah ilay omby, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+ 12  Dia hakanao ny ran’ilay omby,+ ka hatentinao eo amin’ny tandroky ny alitara,+ amin’ny rantsantananao. Ary hararakao eo am-pototry ny alitara ny ambin-dra rehetra.+ 13  Ary alaivo ny taviny+ rehetra manarona ny tsinainy,+ sy ny taviny eo amin’ny atiny,+ ary ny voa roa mbamin’ny taviny eo amboniny, ka dory eo ambony alitara mba hidona-tsetroka.+ 14  Fa ny henan’ilay omby sy ny hodiny ary ny tainy dia hodoranao any ivelan’ny toby.+ Izany no hatao amin’ny fanatitra noho ny ota. 15  “Avy eo dia alaivo ny ondrilahy iray.+ Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay ondry i Arona sy ny zanany.+ 16  Dia vonoy ilay ondry, ka alaivo ny rany ary afafazo eo amin’ireo lafin’ny alitara.+ 17  Rasao ilay ondry ary sasao madio ny tsinainy+ sy ny ranjony. Dia ampiaraho ireo tapany mitovy ary ampiaraho amin’ireo koa ny lohany. 18  Ary dory eo ambony alitara ilay ondry manontolo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana+ ho an’i Jehovah izany, ho hanitra mampitony.+ Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany. 19  “Aorian’izay, dia alaivo ilay ondrilahy anankiray. Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay ondry i Arona sy ny zanany.+ 20  Dia vonoy ilay ondry, ary makà amin’ny rany ka ataovy eo amin’i Arona sy ny zanany izany, dia eo amin’ny ravintsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana.+ Ary afafazo eo amin’ireo lafin’ny alitara ny ra. 21  Ary hakanao ny ra eo ambony alitara sy ny menaka masina fanosorana,+ ka hafafinao amin’i Arona sy ny fitafiany, ary amin’ireo zanany sy ny fitafian’ireo, mba ho masina i Arona sy ny fitafiany, ary koa ny zanany sy ny fitafian’ireo.+ 22  “Ary alaivo ny tavin’ilay ondry sy ny rambony matavy,+ ary ny taviny manarona ny tsinainy, sy ny taviny eo amin’ny atiny, sy ny voa roa mbamin’ny taviny eo amboniny, ary ny feny ankavanana.+ Atao sorona mba hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany mantsy io ondrilahy io.+ 23  Ary makà mofo boribory sy mofo* misy menaka ary mofo fisaka, avy ao anatin’ilay harona fasiana mofo tsy misy lalivay, dia ilay harona eo anatrehan’i Jehovah.+ 24  Ataovy eo amin’ny felatanan’i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo,+ ka ahetsiketseho* ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah.+ 25  Ary alaivo eny an-tanan’izy ireo izany ka dory eo ambony alitara miaraka amin’ny fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka, ho hanitra mampitony eo anatrehan’i Jehovah.+ Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.+ 26  “Ary alaivo ny tratran’ilay ondrilahy, izay atao sorona mba hametrahana an’i Arona ho mpisorona.+ Dia ahetsiketseho ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah ilay tratrany, ka iny no ho anjaranao. 27  Ary hamasino ny tratrany+ atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao anjara masina, eny, ilay fanatitra nahetsiketsika sy ilay fanatitra nalaina avy tamin’ilay ondrilahy natolotra mba hametrahana an’i Arona sy ny zanany ho mpisorona.+ 28  Dia ho an’i Arona sy ny zanany ireo, satria anjara masina.+ Ho fitsipika mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ka hotandreman’ny zanak’Israely. Ary ho anjara masina hatolotry ny zanak’Israely ireo, eny, anjara masina hatolony ho an’i Jehovah avy amin’ny sorona iombonana+ ateriny. 29  “Ireo fitafiana masin’i+ Arona dia hanaovan’izay taranany+ mandimby azy, amin’ny fotoana hanosorana+ sy hanomezana fahefana azy ho mpisorona.+ 30  Koa hanao ireo fitafiana ireo mandritra ny fito andro,+ ny mpisorona anisan’ny taranany izay mandimby azy sy miditra ao amin’ny tranolay fihaonana mba hanompo ao amin’ny toerana masina. 31  “Ary alaivo ilay ondrilahy izay atao sorona mba hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany, ka andrahoy ao amin’ny toerana masina ny henany.+ 32  Dia hohanin’i+ Arona sy ny zanany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny henan’ilay ondry sy ny mofo ao anatin’ilay harona. 33  Ary mba hanamasinana an’i Arona sy ny zanany, dia hohaniny ireo zavatra nampiasaina tamin’ny fandrakofam-pahotana sy nanomezam-pahefana azy ho mpisorona.+ Tsy mahazo mihinana izany ny olona tsy nahazo alalana, satria zava-masina izany.+ 34  Ary raha misy ambiny tavela mandra-maraina ny mofo sy ny henan’ilay ondrilahy natao sorona mba hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany, dia dory.+ Tsy tokony hohanina izany satria zava-masina. 35  “Izany no hataonao amin’i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao.+ Hataonao mandritra ny fito andro izany fanomezam-pahefana azy ireo ho mpisorona izany.+ 36  Ary hatolotrao isan’andro ho fandrakofam-pahotana+ ny ombilahy atao fanatitra noho ny ota. Ary diovy ho afaka amin’ny ota ny alitara ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy io, ary hosory+ izy io mba ho masina. 37  Hataonao mandritra ny fito andro ny fandrakofam-pahotana ho an’ny alitara, ary hamasino+ izy io mba ho alitara masina indrindra.+ Tokony ho olona masina no hikasika an’ilay alitara.+ 38  “Ary ondrilahy kely roa izay herintaona avy, no hatolotrao isan’andro eo ambony alitara.+ 39  Hatolotrao amin’ny maraina ny ondrilahy iray,+ ary ny iray kosa hatolotrao eo anelanelan’ny takariva roa.*+ 40  Ary izao no hampiarahina amin’ilay ondrilahy voalohany: Lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha+ afangaro amin’ny menaka ampahefatry ny hina* avy amin’ny oliva voatoto, ary koa divay ampahefatry ny hina ho fanatitra zava-pisotro.+ 41  Ary hatolotrao eo anelanelan’ny takariva roa* ilay ondrilahy faharoa, ka izao no hampiarahina aminy: Fanatitra varimbazaha+ toy ilay amin’ny maraina, sy fanatitra zava-pisotro toy ilay ampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha. Ho fanatitra mampitony izany, eny, fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. 42  Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka+ izany, hatramin’ny taranakareo fara mandimby, ka atao eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’i Jehovah, dia eo amin’izay hisehoako aminareo sy hitenenako aminao.+ 43  “Ary eo aho no hiseho amin’ny zanak’Israely, ka ny voninahitro no hanamasina io toerana io.+ 44  Dia hohamasiniko ny tranolay fihaonana sy ny alitara. Ary hohamasiniko+ i Arona sy ireo zanany mba hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako. 45  Ary hitoetra eo anivon’ny zanak’Israely aho ka ho Andriamaniny.+ 46  Dia ho fantatr’izy ireo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamaniny, izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta mba hitoerako eo anivony.+ Izaho no Jehovah Andriamaniny.+

Fanamarihana

Misy lavaka eo afovoany.
A.b.t.: “fenoy fahefana ny tanany.”
Mofo boribory misy lavaka eo afovoany.
Izany hoe mandroso sy mihemotra mankany amin’ny alitara.
Jereo Ek 12:6 f.a.p.
1 hina = 3,67 litatra.
Jereo Ek 12:6 f.a.p.