Eksodosy 3:1-22

3  Ary i Mosesy lasa mpiandry ny andian’ondrin’i Jetro+ rafozany,+ izay mpisorona tany Midianina. Ary nitondra ny andian’ondry ho any amin’ny ilany andrefan’ny tany efitra izy, ka tonga tany Horeba,+ tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra,+ tamin’ny farany.  Ary ilay anjelin’i Jehovah dia niseho taminy tao anaty lelafo, teo afovoan’ny voaroy naniry.+ Koa raha mbola nijery i Mosesy, dia io fa nirehitra ilay voaroy nefa tsy nety levona.  Dia hoy izy: “Aleo aho hivily kely hijery akaiky an’io zava-mahagaga io. Fa maninona àry no tsy mety kilan’ny afo ilay voaroy?”+  Rehefa hitan’i Jehovah fa nivily hijery izany akaiky izy, dia niantso azy avy hatrany avy teo afovoan’ilay voaroy Andriamanitra ka nanao hoe: “Mosesy! Mosesy!” Dia hoy izy: “Intỳ aho.”+  Ary hoy Andriamanitra: “Aza manatona etỳ. Esory ny kapa eny an-tongotrao, fa tany masina io ijoroanao io.”+  Ary hoy koa izy: “Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.”+ Dia notakonan’i Mosesy ny tarehiny, satria natahotra hijery an’Andriamanitra izy.  Ary hoy koa i Jehovah: “Hitako mihitsy ny fahorian’ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ireo manery azy hiasa. Fantatro tsara ny fijaliany.+  Hidina aho hanafaka azy eo an-tanan’ny Ejipsianina,+ ka hitondra azy hiala amin’izany tany izany mba hiakatra ho any amin’ny tany soa sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely+ izay tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+  Ary efa tonga atỳ amiko ny fitarainan’ny zanak’Israely, sady hitako ny fampahorian’ny Ejipsianina azy.+ 10  Koa avia ianao hirahiko ho any amin’i Farao, ary hoentinao hiala any Ejipta ny zanak’Israely oloko.”+ 11  Hoy anefa i Mosesy tamin’Andriamanitra: “Fa mba iza moa aho no handeha hankany amin’i Farao, ka hitondra ny zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta?”+ 12  Dia hoy Andriamanitra: “Izaho no homba anao!+ Ary izao no famantarana hahalalanao fa izaho no naniraka anao:+ Hanompo an’ilay tena Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra+ ity ianareo, rehefa tafavoakanao avy any Ejipta ny vahoaka.” 13  Hoy anefa i Mosesy tamin’Andriamanitra: “Aoka àry hatao hoe tonga any amin’ny zanak’Israely aho, ary miteny hoe: ‘Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.’ Ary miteny amiko ry zareo hoe: ‘Iza no anarany?’+ Dia inona no havaliko?” 14  Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: “HOPOROFOIKO FA IZAHO ILAY MAHAVITA IZAY IRIKO.”+ Ary hoy koa izy: “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Ilay HOPOROFOIKO no naniraka ahy ho atỳ aminareo.’”+ 15  Ary hoy indray izy tamin’i Mosesy: “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Jehovah Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama+ sy Andriamanitr’i Isaka+ ary Andriamanitr’i Jakoba,+ no naniraka ahy ho atỳ aminareo.’ Izany no anarako mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ sy hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.+ 16  Koa mandehana vorio ny anti-panahin’ny Israely, ka ilazao hoe: ‘Niseho tamiko i Jehovah Andriamanitry ny razanareo,+ dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: “Tsy maintsy hitsinjo+ anareo sy hijery izay manjo anareo atỳ Ejipta aho. 17  Koa izany no ilazako hoe hanafaka anareo amin’ny fampahorian’ny+ Ejipsianina aho, ka hitondra anareo hiakatra any amin’ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita+ sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita,+ eny, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.”’+ 18  “Ary hihaino ny teninao tokoa izy ireo.+ Ary hankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta ianao sy ny anti-panahin’ny Israely. Dia hiteny aminy ianareo hoe: ‘Nifandray taminay+ i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo+ ka avelao izahay, azafady, handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra, mba hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray.’+ 19  Izaho anefa mahafantatra fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy hampiasana hery.+ 20  Koa haninjitra ny tanako+ aho, ary hamely an’i Ejipta ka ny zava-mahagaga rehetra hataoko ao aminy no hamelezako azy. Dia handefa anareo izy aorian’izay.+ 21  Ary hataoko mahazo sitraka amin’ny Ejipsianina ny vahoaka, ka tsy handeha tanam-polo ianareo rehefa miala any.+ 22  Koa ny vehivavy tsirairay dia hangataka zavatra vita amin’ny volafotsy sy volamena mbamin’ny lamba fitafy. Hangataka izany amin’ny mpiara-monina aminy sy ny vehivavy hafa firenena monina ao an-tranony izy. Dia ampanaovy ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ireny, ary ataovy fongana ny fananan’ny Ejipsianina.”+

Fanamarihana