Eksodosy 30:1-38

  • Alitara fandoroana emboka manitra (1-10)

  • Fanisam-bahoaka sy vola fandrakofam-pahotana (11-16)

  • Kovetabe varahina fisasana (17-21)

  • Menaka fanosorana tena miavaka (22-33)

  • Fanamboarana emboka manitra masina (34-38)

30  “Manamboara alitara handoroana emboka manitra,+ ka hazo akasia no hanaovanao azy.+ 2  Ho efamira ilay izy, ka iray hakiho* ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary roa hakiho ny haavony. Ary tokony ho hazo iray tsy tapatapahina no hanaovana an’ilay alitara sy ireo tandrony.+ 3  Petaho takela-bolamena tsy misy fangarony ilay alitara, dia ny tampony sy ny lafiny rehetra manodidina ary ny tandrony. Ary asio sisiny* volamena manodidina ny tampony. 4  Manamboara koa tahony boribory volamena roa, dia asio roa avy, eo ambanin’ny sisin’ny* andaniny roa amin’ny alitara. Ireo no hitsofohan’ny bao hilanjana azy. 5  Hazo akasia no hanaovanao an’ireo bao, ary hopetahanao takela-bolamena izany. 6  Apetraho eo anoloan’ilay ridao eo akaikin’ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona+ ilay alitara, izany hoe tandrifin’ny sarony,* eo amin’izay hisehoako aminao.+ 7  “Handoro emboka manitra+ eo ambonin’ilay alitara i Arona,+ ka hidona-tsetroka eo ambonin’ilay alitara izany+ rehefa mikarakara ny jiro+ izy isa-maraina. 8  Handoro emboka manitra koa i Arona rehefa mandrehitra ny jiro, amin’ny takariva.* Ho emboka manitra hatolotra tsy tapaka eo anatrehan’i Jehovah izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. 9  Aza anolorana emboka manitra tsy nahazoana alalana,+ na fanatitra dorana, na fanatitra varimbazaha, eo ambonin’ilay alitara, ary aza andrarahana fanatitra zava-pisotro koa. 10  Ary hanao fandrakofam-pahotana eo amin’ny tandroky ny alitara i Arona, indray mandeha isan-taona.+ Hakany ny ra avy amin’ny fanatitra noho ny ota, ka hanao fandrakofam-pahotana+ ho an’ny alitara izy indray mandeha isan-taona, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Tena masina amin’i Jehovah ilay alitara.” 11  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 12  “Rehefa manao fanisam-bahoaka ianao ka manisa ny zanak’Israely,+ dia tsy maintsy manome ho an’i Jehovah ny vidin’ny fanavotana ny ainy ny tsirairay amin’ny fotoana hanaovana an’ilay fanisana. Amin’izay dia tsy hisy loza hanjo azy ireo, rehefa soratana ny anaran’izy ireo. 13  Izao no homen’izay rehetra voasoratra anarana: Antsasaka sekely,* araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina.*+ Ary 20 gera* ny iray sekely, ka antsasaka sekely no hatao fanomezana ho an’i Jehovah.+ 14  Hanome fanomezana ho an’i Jehovah izay rehetra voasoratra anarana, dia izay 20 taona no ho miakatra.+ 15  Tsy hanome mihoatra ny antsasaka sekely* ny mpanankarena, ary tsy hanome latsaka izany ny mahantra, rehefa manao fanomezana ho an’i Jehovah mba handrakofana ny fahotany ka hanavotana ny ainy. 16  Avy amin’ny Israelita no hakanao an’ilay vola* fandrakofam-pahotana. Dia omeo hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana izany, ho fahatsiarovana an’ireo Israelita eo anatrehan’i Jehovah mba handrakofana ny fahotany ka hanavotana ny ainy.” 17  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 18  “Manaova kovetabe varahina mba hampiasaina rehefa misasa, ary asio tongony varahina izany.+ Dia apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara izany, ka asio rano ao anatiny.+ 19  Ary hanasa ny tanany sy ny tongony eo i Arona sy ny zanany lahy.+ 20  Koa hisasa amin’ny rano izy ireo mba tsy ho faty rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana, na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ka handoro fanatitra atao anaty afo mba hidona-tsetroka ho an’i Jehovah. 21  Tsy maintsy manasa ny tanany sy ny tongony izy ireo mba tsy ho faty. Izany no ho fitsipika mandrakizay ho azy ireo, izany hoe ho azy sy ny zanany, hatramin’ny taranany fara aman-dimby.”+ 22  Nilaza tamin’i Mosesy koa i Jehovah hoe: 23  “Aorian’izay, dia makà an’ireto zava-manitra tsara indrindra ireto: Miora efa mivaingana milanja 500 sekely, sy kanelina antsasak’izany, izany hoe 250 sekely, sy harefo mani-pofona milanja 250 sekely, 24  sy kasia milanja 500 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,*+ ary menak’oliva iray hina.* 25  Dia manamboara menaka masina fanosorana avy amin’ireo. Tokony hafangaro tsara* ireo rehetra ireo.+ Ho menaka masina fanosorana izany. 26  “Hosory amin’izany ny tranolay fihaonana,+ ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona, 27  ny latabatra sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana miaraka aminy, ny alitara fandoroana emboka manitra, 28  ny alitara fanaovana fanatitra dorana sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny kovetabe sy ny tongony. 29  Dia hamasino ireo mba ho tena masina.+ Tokony ho masina izay olona mikasika an’ireo.+ 30  Dia hanosotra an’i Arona+ sy ny zanany lahy+ ianao ka hanamasina azy ireo, mba hanaovany ny asan’ny mpisorona eo anatrehako.+ 31  “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Ho menaka masina fanosorana izy io, ary hampiasaina amin’ny fanompoana ahy foana hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.+ 32  Tsy azo ahosotra amin’ny vatana io menaka io. Ary aza manamboatra menaka mitovy amin’izy io. Zava-masina izy io, ary ho masina foana aminareo. 33  Haringana tsy ho anisan’ny fireneny izay olona manamboatra menaka fanosorana mitovy amin’io, na maka amin’izy io mba hatao amin’olona tsy nahazo alalana.’”*+ 34  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Makà an’ireto zava-manitra ireto, ary ataovy mitovy daholo ny fatrany:+ Ditin-kazo stakite, onyka, galbanoma manitra, ary ditin-kazo manitra tsy misy fangarony. 35  Dia amboary ho emboka manitra izany.+ Tokony hafangaro tsara* ireo zava-manitra ireo, ary hasiana sira+ mba hadio sy ho masina. 36  Ary makà amin’ilay emboka manitra ka totoy ho lasa vovony izany. Dia makà amin’ilay vovony, ka ataovy eo anoloan’ny Tenin’ny Vavolombelona izay ao amin’ny tranolay fihaonana, eo amin’izay hisehoako aminao. Tokony ho zavatra tena masina aminareo izy io. 37  Aza manao emboka manitra amin’ireo zava-manitra ireo mba hampiasainareo ho anareo.+ Tokony hihevitra azy io ho zava-masina amin’i Jehovah ianareo. 38  Izay manamboatra emboka manitra mitovy amin’izany mba hankafizana ny fofony, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny.”

Fanamarihana

44,5 sm eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Na: “molony misy haingonkaingony.”
Na: “molony misy haingonkaingony amin’ny.”
Abt: “eo anoloan’ilay sarony eo ambonin’ny Tenin’ny Vavolombelona.”
Abt: “eo anelanelan’ny takariva roa.” Azo inoana hoe efa nilentika ny masoandro, saingy mbola tsy maizina ny andro.
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “araka ny sekely masina.”
1 gera = 0,57 g. Jereo F.F. B14.
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Abt: “volafotsy.”
Na: “araka ny sekely masina.”
1 hina = 3,67 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “Tokony hatao hoatran’ny fanaovan’ny mpanamboatra menaka fanosorana azy.”
Abt: “amin’ny vahiny”, izany hoe amin’ny lehilahy tsy anisan’ny taranak’i Arona.
Na: “Tokony hatao hoatran’ny fanaovan’ny mpanamboatra menaka fanosorana azy.”