Eksodosy 31:1-18

31  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Antsoiko amin’ny anarany i Bezalila+ zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda.+  Dia hofenoiko ny fanahiko* i Bezalila, mba hananany fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ary fahaizana asa tanana isan-karazany,+  ka hahafahany hamoron-javatra, sy hanefy volamena sy volafotsy ary varahina,+  sy hanefy vatosoa hatao anaty tranom-bato,+ ary hanao sokitra hazo hanamboarany taozavatra isan-karazany.+  Ary tendreko hanampy azy i Oholiaba zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana.+ Ary omeko talenta bebe kokoa izay rehetra efa manan-talenta, mba hanaovany izay rehetra nandidiako anao,+  dia ny tranolay fihaonana,+ ny Vata+ misy ny tenin’ny vavolombelona sy ny saron’ilay Vata,+ ny fitaovana rehetran’ny tranolay,  ny latabatra sy ny fitaovany,+ ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony mbamin’ny fitaovany rehetra,+ ny alitaran’ny emboka manitra,+  ny alitaran’ny fanatitra dorana mbamin’ny fitaovany rehetra,+ ny kovetabe sy ny tongony,+ 10  ny fitafiana tsara tenona, ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona, ny fitafian’ireo zanany mba hanaovan’izy ireo ny asan’ny mpisorona,+ 11  ny menaka masina fanosorana, ary ny emboka manitra ho an’ny toerana masina.+ Araka izay rehetra nandidiako anao no hataon’izy ireo.” 12  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 13  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Tandremo tsara ny sabatako+ satria izany no famantarana eo amiko sy aminareo, hatramin’ny taranakareo fara mandimby, mba hahafantaranareo fa izaho Jehovah no manamasina anareo.+ 14  Ary tandremo ny sabata, satria masina aminareo izany.+ Hovonoina ho faty tokoa izay manazimbazimba azy io.+ Ary raha misy olona miasa amin’io andro io, dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izy.*+ 15  Enina andro no azo iasana, fa sabata fitsaharana tanteraka kosa ny andro fahafito.+ Masina eo anatrehan’i Jehovah ny sabata, koa hovonoina ho faty tokoa izay miasa amin’io andro io. 16  Ary tsy maintsy tandreman’ny zanak’Israely ny sabata, eny, hotandremany hatramin’ny taranany fara mandimby. Fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.+ 17  Famantarana eo amiko sy amin’ny zanak’Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.+ Enina andro mantsy no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, dia nitsahatra izy tamin’ny andro fahafito, ary afa-po.’”+ 18  Ary raha vao vita ny teny nataony tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ dia ny takela-bato nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra.+

Fanamarihana

A.b.t.: “fanahin’Andriamanitra.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.