Eksodosy 32:1-35

  • Nivavaka tamin’ny zanak’omby volamena (1-35)

    • Naheno hira hafahafa i Mosesy (17, 18)

    • Nopotipotehin’i Mosesy ireo takela-bato nisy ny Lalàna (19)

    • Tsy nivadika tamin’i Jehovah ny Levita (26-29)

32  Ary rehefa hitan’ny vahoaka fa naharitra ela tany an-tendrombohitra i Mosesy sady mbola tsy nidina ihany,+ dia nitangorona teo amin’i Arona izy ireo, ka niteny hoe: “Anamboary andriamanitra izahay hitarika anay,+ fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny!” 2  Dia hoy i Arona: “Esory àry ny kavina volamena+ eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy, ka ento etỳ amiko.” 3  Koa nesorin’ny olona rehetra ny kavina volamena teny an-tsofiny, dia nentiny tany amin’i Arona. 4  Dia noraisin’i Arona avy teny amin’izy ireo ny volamena, ary namboariny tamin’ny fandraka ka nanaovany sarivongana* zanak’omby.+ Ary hoy ny vahoaka: “Ry Israely ô! Io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.”+ 5  Nanorina alitara teo anoloan’ilay zanak’omby i Arona rehefa nahita an’izany. Dia niantsoantso izy hoe: “Hisy fety ho an’i Jehovah rahampitso!” 6  Koa nifoha maraina izy ireo ny ampitson’iny, ary nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka avy eo. Taorian’izay dia nitsangana izy ireo mba hanao fety.+ 7  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandehana midina, fa manao ratsy ny vahoakanao, izay nentinao niakatra avy tany Ejipta.+ 8  Nalaky niala tamin’ny lalana nasaiko nalehany izy ireo.+ Nanao sarivongana* zanak’omby izy, ary miankohoka eo anatrehany sy manao sorona ho azy, sady miteny hoe: ‘Ry Israely ô! Io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.’” 9  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Hitako fa vahoaka mafy loha* io vahoaka io.+ 10  Koa aleo aho hanampatra ny hatezerako aminy dia handringana azy ireo. Fa ianao kosa hataoko lasa firenena lehibe.”+ 11  Dia niangavy an’i* Jehovah Andriamaniny+ i Mosesy, ka niteny hoe: “Jehovah ô, nahoana ianao no hanampatra ny hatezeranao amin’ny vahoakanao, rehefa avy nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta tamin-kery lehibe sy tamin’ny sandry mahery?+ 12  Nahoana ny Ejipsianina no dia avela hiteny hoe: ‘Te hanisy ratsy azy ireo izy, dia nitondra azy ireo niala teto amintsika. Tiany hovonoina any an-tendrombohitra sy haringana tsy ho etỳ ambonin’ny tany izy ireo’?+ Aza manampatra ny hatezeranao intsony re e, ary mba ovao,* azafady, ny fanapahan-kevitrao hoe handringana ny vahoakanao. 13  Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nanaovanao fianianana hoe: ‘Hataoko lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakareo.+ Ary homeko ny taranakareo io tany manontolo io, izay efa nofidiko ho azy ireo. Dia ho azon’izy ireo alaina ho fananany mandrakizay izy io.’”+ 14  Koa niova hevitra* i Jehovah ka tsy naringany indray ny vahoakany, na dia efa nilaza aza izy hoe hanao an’izany.+ 15  Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, ary teny an-tanany+ ny takela-bato roa nisy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Nisy soratra ny lafiny roa tamin’ireo takela-bato ireo, izany hoe ny ambadika sy ambadika. 16  Asa tanan’Andriamanitra ireo takela-bato ireo, ary soratr’Andriamanitra ny soratra voasokitra teo aminy.+ 17  Dia henon’i Josoa ny tabataban’ny olona satria nihorakoraka izy ireo. Hoy àry izy tamin’i Mosesy: “Misy tabataban’ady ao an-toby ao izany!” 18  Hoy anefa i Mosesy: “Tsy hiran’olona nahazo fandresena izany,Na hiran’olona mitaraindraina fa resy.Karazan-kira hafa mihitsy izany henoko izany.” 19  Raha vao tonga teo akaikin’ny toby i Mosesy, ka nahita an’ilay zanak’omby+ sy ny olona nandihy, dia tezitra be. Natontany àry ireo takela-bato teny an-tanany, ka nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.+ 20  Nalainy koa ilay zanak’omby nataon’izy ireo, ka nodorany sy notorotoroiny ho lasa vovoka.+ Dia nafafiny teny amin’ny rano izany, ka nampisotroiny an’ireo Israelita.+ 21  Ary niteny tamin’i Arona i Mosesy hoe: “F’inona no nataon’ity vahoaka ity taminao no dia nahatonga azy ireo hanao an’izao fahotana lehibe izao ianao?” 22  Dia namaly i Arona hoe: “Aza tezitra be amiko ianao, tompoko. Fantatrao tsara fa mora manao ratsy ity vahoaka ity.+ 23  Koa nilaza tamiko ry zareo hoe: ‘Manamboara andriamanitra ho antsika hitarika antsika, fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.’+ 24  Dia niteny tamin-dry zareo aho hoe: ‘Esory àry izay volamena eny aminareo dia omeo ahy.’ Koa natsipiko tao anaty afo izany, dia io zanak’omby io no nivoaka avy tao.” 25  Hitan’i Mosesy fa nanaram-po tanteraka ny vahoaka, satria efa navelan’i Arona hanaram-po tanteraka, ka nanala baraka tena teo imason’ny fahavalony. 26  Nankeo am-bavahadin’ny toby àry i Mosesy ka niteny hoe: “Iza no momba an’i Jehovah? Avia etỳ amiko!”+ Dia nitangorona teny aminy daholo ny Levita. 27  Ary hoy izy tamin’ireo: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Raiso ny sabatrareo, dia tetezo ny toby manontolo ka idiro ny vavahady rehetra. Dia samia mamono ny rahalahiny sy ny mpiara-monina aminy ary ny namany akaiky.’”+ 28  Dia nataon’ny Levita izay nolazain’i Mosesy. Koa lehilahy 3 000 teo ho eo no maty tamin’iny andro iny. 29  Dia hoy i Mosesy: “Atokano ho an’i Jehovah ny tenanareo* anio, satria samy nanohitra ny zanakareo sy ny rahalahinareo avy ianareo.+ Koa hanome fitahiana ho anareo Andriamanitra anio.”+ 30  Hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka ny ampitson’iny: “Efa nanao fahotana lehibe ianareo. Koa hiakatra ho any amin’i Jehovah aho izao mba hahitako raha afaka mangataka famelan-keloka ho anareo aho.”+ 31  Dia niverina nankany amin’i Jehovah i Mosesy, ka niteny hoe: “Tena nanao fahotana lehibe ny vahoaka! Nanamboatra andriamanitra volamena ho azy ry zareo!+ 32  Koa mba avelao re ny helok’izy ireo, raha sitrakao e!+ Fa raha tsy izay ny sitrakao, dia mba fafao tsy ho ao amin’ny boky nosoratanao ny anarako!”+ 33  Hoy anefa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ny anaran’izay nanota tamiko ihany no hofafako tsy ho ao amin’ny bokiko. 34  Koa mandehana, ento ho any amin’ny toerana efa nolazaiko taminao ny vahoaka. Handeha eo alohanao ilay anjeliko,+ ary amin’ny andro hanaovako ampamoaka azy ireo, dia hosaziko noho ny fahotany izy ireo.” 35  Koa namely ny vahoaka i Jehovah noho izy ireo nanao zanak’omby, dia ilay nasain’izy ireo nataon’i Arona.

Fanamarihana

Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Abt: “mafy hatoka.”
Abt: “nampitony ny tarehin’i.”
Na: “aoka hanenenanao.”
Na: “nanenina.”
Abt: “Fenoy ny tananareo.”