Eksodosy 33:1-23

  • Anatra nomen’Andriamanitra (1-6)

  • Tranolay fihaonana teo ivelan’ny toby (7-11)

  • Nangataka ny hahita ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy (12-23)

33  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandehana miala eto ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy tany Ejipta. Ary mankanesa any amin’ilay tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: ‘Ny taranakao no homeko azy io.’+ 2  Haniraka anjely eo alohanao aho,+ sady handroaka ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.+ 3  Miakara any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.+ Tsy handeha hiaraka aminareo anefa aho satria vahoaka mafy loha* ianareo,+ ka sao dia handringana anareo eny an-dalana aho.”+ 4  Hoatran’ny nivoaham-paty ny vahoaka rehefa naheno an’izany teny henjana izany, ka tsy nisy nihaingo. 5  Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Teneno ny Israelita hoe: ‘Vahoaka mafy loha* ianareo!+ Azoko atao ny mankeny amin’izay misy anareo ka mandringana anareo, ao anatin’ny indray mipy maso monja.+ Koa aza mihaingo aloha ianareo, fa mbola mandinika an’izay hataoko aminareo aho.’” 6  Koa tsy nihaingo* ny Israelita nanomboka teo amin’ny Tendrombohitra Horeba. 7  Ary nalain’i Mosesy ny tranolainy ka natsangany teny ivelan’ny toby, somary lavidavitra. Dia nantsoiny hoe tranolay fihaonana izy io. Ary izay olona nanontany an’i Jehovah,+ dia nankeny amin’ilay tranolay fihaonana teny ivelan’ny toby. 8  Raha vao nankeny amin’ilay tranolay i Mosesy, dia nitsangana daholo ny olona ary nankeo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy avy. Ary tany aminy foana ny mason’izy ireo, mandra-piditr’i Mosesy tao amin’ilay tranolay. 9  Vao tafiditra tao amin’ilay tranolay i Mosesy, dia nidina ny andry rahona+ ka nijanona teo amin’ny fidirana amin’ilay tranolay raha mbola niresaka tamin’i Mosesy Andriamanitra.+ 10  Rehefa hitan’ny rehetra hoe nijanona teo amin’ny fidirana amin’ilay tranolay ny andry rahona, dia samy niankohoka teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy avy izy ireo. 11  Niresaka nifanatrika tamin’i Mosesy i Jehovah,+ hoatran’ny olona roa mifampiresaka. Rehefa niverina nankany an-toby i Mosesy, dia tsy niala tao amin’ilay tranolay i Josoa+ zanak’i Nona. Mpanompon’i Mosesy izy io sady mpanampy azy.+ 12  Dia hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Ianao miteny amiko hoe: ‘Ento miakatra ity vahoaka ity’, nefa tsy nampahafantarinao ahy hoe iza no hirahinao hiaraka amiko. Niteny koa ianao hoe: ‘Fantatro tsara ianao* sady ankasitrahako.’ 13  Koa raha mahazo sitraka aminao àry aho, dia ampahafantaro ahy re ny lalanao e,+ mba hahafantarako anao sy hahazoako sitraka aminao foana! Tsarovy koa fa vahoakanao ity firenena ity.”+ 14  Koa niteny izy hoe: “Izaho mihitsy* no hiaraka aminao,+ ary hataoko milamin-tsaina ianao.”+ 15  Dia hoy i Mosesy taminy: “Aza entina miakatra hiala eto izahay, raha tsy ianao mihitsy* no miaraka aminay. 16  Ahoana moa no hahafantarana fa mahazo sitraka aminao izaho sy ny vahoakanao? Tsy rehefa mandeha miaraka aminay ve ianao?+ Amin’izay dia hiavaka amin’ny firenena hafa rehetra etỳ ambonin’ny tany izaho sy ny vahoakanao.”+ 17  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Hataoko koa izany zavatra angatahinao izany, satria mankasitraka anao aho sady mahalala tsara anao.”* 18  Dia niteny i Mosesy hoe: “Mba asehoy ahy re ny voninahitrao e!” 19  Fa hoy ny navaliny: “Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaran-toetrako rehetra, ary holazaiko aminao ilay anarako hoe Jehovah.+ Dia hankasitraka an’izay tiako hankasitrahana aho, ary hamindra fo amin’izay tiako hamindrana fo.”+ 20  Hoy koa anefa izy: “Tsy afaka mahita ny tarehiko ianao, satria tsy misy olona afaka mahita ahy ka mbola ho velona.” 21  Niteny koa i Jehovah hoe: “Misy toerana eto akaikiko, dia mijanòna eo ambony vatolampy. 22  Hataoko eo an-tsefatsefaky ny vatolampy ianao rehefa mandalo ny voninahitro, ary hotakonako amin’ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23  Hesoriko ny tanako avy eo, ka ny lamosiko no ho hitanao. Fa ny tarehiko kosa tsy azo jerena.”+

Fanamarihana

Abt: “mafy hatoka.”
Abt: “mafy hatoka.”
Abt: “nanaisotra ny haingony.”
Abt: “Fantatro amin’ny anaranao ianao.”
Abt: “Ny tarehiko.”
Abt: “raha tsy ny tarehinao.”
Abt: “mahalala anao amin’ny anaranao.”