Eksodosy 34:1-35

  • Nanamboatra takela-bato vaovao (1-4)

  • Nahita ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy (5-9)

  • Naverina noresahina ny tsipiriany momba ny fifanekena (10-28)

  • Nanjelanjelatra ny tarehin’i Mosesy (29-35)

34  Dia niteny tamin’i Mosesy i Jehovah hoe: “Manamboara takela-bato roa mitovy amin’ireo voalohany,+ fa hosoratako eo amin’ireo ny teny nosoratana teo amin’ireo takela-bato voalohany+ efa nopotipotehinao.+ 2  Miomàna ho amin’ny rahampitso maraina. Hiakatra ho any amin’ny Tendrombohitra Sinay mantsy ianao amin’ny maraina, dia hijanona eo anatrehako eo an-tampon’ilay tendrombohitra.+ 3  Tsy misy mahazo miara-miakatra aminao anefa. Tsy tokony hisy olon-kafa ho hita mihitsy na aiza na aiza eo amin’ilay tendrombohitra. Na ny andian’ondry sy ny andian’omby aza tsy tokony hiraoka ahitra eo anoloan’io tendrombohitra io.”+ 4  Koa nanamboatra takela-bato roa nitovy tamin’ireo voalohany i Mosesy. Ary nifoha maraina izy, ka niakatra tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, araka ny didy nomen’i Jehovah azy. Ary nentiny teny an-tanany ny takela-bato roa. 5  Dia nidina tao anaty rahona i Jehovah,+ ka niaraka tamin’i Mosesy teo. Ary nolazainy ny anarany hoe Jehovah.+ 6  Nandalo teo anatrehan’i Mosesy i Jehovah ka niteny hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo+ sy mangoraka,*+ tsy mora tezitra,+ tena be fitiavana sy tsy mivadika*+ sady tena tia fahamarinana,*+ 7  be fitiavana sy tsy mivadika amin’olona an’arivony,+ mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana,+ kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy an’izay meloka,+ fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny rainy ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.”+ 8  Niondrika haingana tamin’ny tany i Mosesy ka niankohoka. 9  Avy eo dia hoy izy: “Jehovah ô, raha mahazo sitraka aminao aho, dia andao mba hiaraka aminay Jehovah ô,+ na dia vahoaka mafy loha* aza izahay!+ Ary mamelà ny fahadisoanay sy ny fahotanay,+ ka raiso ho fanananao izahay.” 10  Dia namaly izy hoe: “Manao fifanekena aminareo aho fa eo anatrehan’ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga, izay mbola tsy natao* tany amin’ny tany rehetra na teo amin’ny firenena rehetra.+ Ary hahita ny asan’i Jehovah ny firenena rehetra manodidina anareo, satria zavatra mahatalanjona no hataoko ho anareo.+ 11  “Henoy tsara izay didy omeko anareo anio.+ Horoahiko tsy ho eo anatrehanareo ny Amorita, ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.+ 12  Tandremo sao manao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany halehanareo,+ fa ho voafandrika ianareo raha manao an’izany.+ 13  Arodano kosa ny alitarany, potipoteho ny tsangambatony masina, ary kapao ny tsato-kazony masina.*+ 14  Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamani-kafa,+ satria i Jehovah efa fantatra hoe* mitaky ny hanompoana azy irery ihany.* Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany tokoa izy.+ 15  Tandremo sao manao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany. Rehefa manompo an’ireo* andriamaniny sy manao sorona ho an’ny andriamaniny mantsy izy ireo,+ dia hisy hanasa anao, ka hihinana amin’ny sorona ataony ianao.+ 16  Dia azo antoka fa haka amin’ny zanany vavy ho vadin’ny zanakao lahy ianao.+ Ary hanompo an’ireo* andriamaniny ny zanany vavy, ka hitarika ny zanakao lahy hanompo an’ireny* andriamaniny ireny koa.+ 17  “Aza manao andriamanitra vita amin’ny metaly narendrika.+ 18  “Ankalazao ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay.+ Hihinana mofo tsy misy lalivay ianao, araka ny didy nomeko anao. Hihinana an’izany ianao mandritra ny fito andro, amin’ny fotoana voatondro amin’ny volana Abiba.*+ Tamin’ny volana Abiba mantsy ianao no nivoaka avy tany Ejipta. 19  “Ahy ny lahy rehetra teraka voalohany,+ anisan’izany ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompinao, na omby izany na ondry.+ 20  Tokony havotanao ny voalohan-teraka amin’ny ampondra, ka ondry no ataovy solony. Raha tsy avotanao anefa ilay izy, dia velezo ny hatony mba hahafaty azy. Tokony havotanao koa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao.+ Tsy misy mahazo mitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehako. 21  “Enina andro no hiasanao, fa hitsahatra* kosa ianao amin’ny andro fahafito.+ Hitsahatra amin’ny asanao ianao, na amin’ny fotoana iasana ny tany na amin’ny fotoam-pijinjana. 22  “Ankalazao ny Fetin’ireo Herinandro, ka atero ny voaloham-bokatra amin’ny varimbazaha. Ankalazao koa ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra* amin’ny faramparan’ny taona.+ 23  “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah ilay tena Tompo, dia ny Andriamanitry ny Israely.+ 24  Fa horoahiko tsy ho eo anatrehanao ireo firenena,+ ary hohalehibeaziko ny faritry ny taninao. Ary tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao, rehefa miakatra mba hahita ny tarehin’i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-taona ianao. 25  “Aza ampiarahina amin-javatra misy lalivay ny ran’ny sorona atolotra ho ahy.+ Ary aza tehirizina mandra-paharainan’ny andro ny sorona atolotra amin’ny fetin’ny Paska.+ 26  “Ento mankao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao ny tsara indrindra amin’ny voaloham-bokatry ny taninao.+ “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.”+ 27  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Soraty ireo teny ireo,+ satria araka ireo teny ireo no anaovako fifanekena aminao sy amin’ny Israely.”+ 28  Dia nijanona tany niaraka tamin’i Jehovah 40 andro sy 40 alina izy, ary tsy nisakafo na nisotro rano.+ Ary nosoratany teo amin’ireo takela-bato ny teny tao amin’ilay fifanekena, izany hoe ny Didy Folo.*+ 29  Dia nidina avy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, ary teny an-tanany ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Ary tsy fantatr’i Mosesy hoe nanjelanjelatra ny tarehiny noho izy niresaka tamin’Andriamanitra. 30  Rehefa nahita an’i Mosesy i Arona sy ny Israelita rehetra, dia voamarik’izy ireo fa nanjelanjelatra ny tarehiny. Koa natahotra ny hanatona azy izy ireo.+ 31  Niantso azy ireo anefa i Mosesy. Koa nankeo aminy i Arona sy ny mpiadidy rehetra teo amin’ny vahoaka. Dia niresaka tamin’izy ireo i Mosesy. 32  Avy eo dia nanatona azy ny Israelita rehetra. Ary nomeny azy ireo ny didy rehetra nomen’i Jehovah azy tany amin’ny Tendrombohitra Sinay.+ 33  Dia nosaronan’i Mosesy lamba ny tarehiny, rehefa avy niresaka tamin’izy ireo izy.+ 34  Rehefa niditra nankeo anatrehan’i Jehovah anefa i Mosesy mba hiresaka taminy, dia nesoriny ilay lamba mandra-pivoakany avy tao.+ Ary nivoaka avy tao izy ka nampahafantariny an’ireo Israelita ny didy azony.+ 35  Ary hitan’ny Israelita fa nanjelanjelatra ny tarehin’i Mosesy. Dia nosaronan’i Mosesy lamba indray ny tarehiny, mandra-pandehany niditra hiresaka tamin’Andriamanitra.*+

Fanamarihana

Na: “mendri-pitokisana.”
Na: “tena be fitiavana sy tsara fanahy.”
Na: “tsara fanahy.”
Abt: “mafy hatoka.”
Na: “tsy noforonina.”
Jereo F.T.
Abt: “Jehovah, ny anarany dia.”
Na: “tsy manaiky hampirafesina.”
Na: “mivaro-tena amin’ireo.”
Na: “hivaro-tena amin’ireny.”
Na: “hivaro-tena amin’ireo.”
Na: “hitandrina sabata.”
Antsoina koa hoe Fetin’ny Trano Rantsankazo (Fetin’ny Tranolay).
Abt: “ny Teny Folo.”
Abt: “taminy.”