Eksodosy 35:1-35

35  Ary novorin’i Mosesy ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely, ka nilazany hoe: “Ireto avy ny zavatra nandidian’i Jehovah hatao:+  Enina andro no azo iasana,+ fa ny andro fahafito kosa ho masina aminareo. Sabata fitsaharana tanteraka natokana ho an’i Jehovah io. Koa izay miasa amin’io andro io dia hovonoina ho faty.+  Aza mandrehitra afo amin’ny andro sabata, any amin’izay toeram-ponenanareo.”  Ary hoy koa i Mosesy tamin’ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely: “Izao no teny nandidian’i Jehovah:  ‘Mitondrà fanomezana ho an’i Jehovah avy ao aminareo.+ Aoka hitondra izany ho fanomezana ho an’i Jehovah ny olona rehetra atosiky ny fony,+ ka hanome volamena, volafotsy, varahina,+  kofehy manga, volonondry nolokoana volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra, kofehy rongony tena tsara, volon’osy,+  hoditr’ondry nolokoana mena, hoditra faoky, hazo akasia,  menaka ho an’ny jiro, menaka balsama hatao amin’ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra,+  vato oniksa, ary vato voatefy apetaka amin’ny efoda+ sy ny saron-tratra.+ 10  “‘Ary aoka hanatona izay rehetra manan-talenta+ eo aminareo, ka hanao izay rehetra nandidian’i Jehovah, 11  dia ny tranolay mbamin’ny rakony, ny faraingony sy ny rafitra tsirairay, ny barany sy ny andry ary ny faladiany hitsatohany; 12  ny Vata+ sy ny bao filanjana+ azy sy ny sarony+ ary ny ridao+ fanakonana; 13  ny latabatra+ sy ny bao filanjana azy mbamin’ny fitaovany rehetra ary ny mofo aseho;+ 14  ny fitoeran-jiro+ ho fanazavana mbamin’ny fitaovany sy ny jirony ary ny menaka+ ho an’ny jiro; 15  ny alitaran’ny emboka manitra+ sy ny bao filanjana azy; ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra;+ ny lamba fanakonana an’ilay fidirana amin’ny tranolay; 16  ny alitaran’ny+ fanatitra dorana sy ny makarakara varahina miaraka aminy sy ny bao filanjana azy ary ny fitaovany rehetra; ny kovetabe+ sy ny tongony; 17  ny fefy lamban’ny tokotany+ mbamin’ny andry sy ny faladiany hitsatohany; ny lamba fanakonana ny vavahadin’ny tokotany; 18  ireo fantsika be fanenjanan-day ho an’ny tranolay sy ireo ho an’ny tokotany, mbamin’ireo tadiny;+ 19  ny fitafiana+ tsara tenona hoenti-manompo ao amin’ny toerana masina, sy ny fitafiana masina+ ho an’i Arona mpisorona ary ny fitafian’ireo zanany hanaovan’izy ireo ny asan’ny mpisorona.’” 20  Ary niala teo anatrehan’i Mosesy ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely. 21  Avy eo dia tonga izay rehetra natosiky ny fony,+ eny, izay rehetra noterem-panahy,* ka nitondra ny fanomezana ho an’i Jehovah hanaovana ny tranolay fihaonana, sy ny fanompoana rehetra ao, ary ny fitafiana masina. 22  Ary tonga foana ny olona, na lahy na vavy, dia izay rehetra natosiky ny fony. Ary nitondra firavaka misy paingotra, sy kavina, sy peratra, sy firava-behivavy, ary zavatra isan-karazany vita amin’ny volamena izy ireo. Izany no nentin’izay rehetra nanolotra volamena ho fanatitra ahetsiketsika ho an’i Jehovah.+ 23  Ary izay nanana kofehy manga, sy volonondry volomparasy somary mena, sy kofehy mena midorehitra, sy kofehy rongony tena tsara, sy volon’osy, sy hoditr’ondry nolokoana mena, ary hoditra faoky, dia nitondra izany.+ 24  Fanomezana ho an’i Jehovah no nataon’izay rehetra nanao fanomezana volafotsy sy varahina. Ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana ilay asa dia nitondra izany. 25  Ary nanao kofehy ny vehivavy rehetra nanan-talenta+ ka nentin’izy ireo izay vitany, dia ny kofehy manga, ny kofehy volonondry volomparasy somary mena, ny kofehy mena midorehitra, ary ny kofehy rongony tena tsara. 26  Ary nanao kofehy tamin’ny volon’osy ny vehivavy rehetra izay nanan-talenta sy natosiky ny fony. 27  Ary ny mpiadidy dia nitondra vato oniksa sy vato voatefy hapetaka amin’ny efoda sy ny saron-tratra.+ 28  Ary nentiny koa ny menaka balsama, sy ny menaka ho an’ny jiro, ary ny menaka hatao amin’ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra.+ 29  Koa izay lehilahy sy vehivavy natosiky ny fony, dia nitondra zavatra hanaovana ny asa rehetra nandidian’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy. Eny, nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah ny zanak’Israely.+ 30  Dia hoy i Mosesy tamin’ny zanak’Israely: “Efa nantsoin’i Jehovah tamin’ny anarany i Bezalila+ zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda. 31  Ary nofenoin’Andriamanitra ny fanahiny izy, mba hananany fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ary fahaizana asa tanana isan-karazany, 32  ka hahafahany hamoron-javatra, sy hanefy volamena sy volafotsy ary varahina,+ 33  sy hanefy vatosoa hatao anaty tranom-bato, ary hanao sokitra hazo hanamboarany taozavatra isan-karazany.+ 34  Ary efa nataony tao am-pon’i Bezalila ny fahaiza-mampianatra mba hampianarany. Dia hampianatra izy sy Oholiaba+ zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana. 35  Efa nomeny talenta+ izy ireo mba ho mpanao asa tanana, sy ho mpanao peta-kofehy,+ sy ho mpanenona lamba misoratsoratra amin’ny kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony tena tsara, ary ho mpanenona. Ho lehilahy mpanao asa isan-karazany sy mpamoron-javatra izy ireo.

Fanamarihana

‘fanahy.’ Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.