Eksodosy 36:1-38

36  “Ary aoka hiasa i Bezalila sy Oholiaba+ ary ny olona rehetra manan-talenta, izay nomen’i Jehovah talenta+ sy fahiratan-tsaina+ ilaina amin’ireo zavatra ireo, mba hahaizany hanao ny asa rehetra mahakasika ny fanompoana masina, araka izay rehetra nandidian’i Jehovah.”+  Dia nantsoin’i Mosesy i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona rehetra nanan-talenta izay efa nomen’i Jehovah talenta,+ dia izay rehetra natosiky ny fony ho tonga hanao ny asa.+  Ary nalain’izy ireo teo anatrehan’i Mosesy ny fanomezana rehetra+ nentin’ny zanak’Israely ho an’ny asa mahakasika ny fanompoana masina, mba hanaovana izany asa izany. Ary ny zanak’Israely mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo teo aminy ihany isa-maraina.  Ary ny olona rehetra nanan-talenta izay teo am-panaovana ny asa masina rehetra, dia nanajanona ny asa nataony ka tonga tsirairay  niteny tamin’i Mosesy hoe: “Be lavitra noho izay ilaina amin’ny asa nasain’i Jehovah natao no entin’ny olona.”  Koa nasain’i Mosesy nampilaza eran’ny toby izy ireo hoe: “Aza manao zavatra hatao fanomezana masina intsony, rey olona e!” Dia nosakanana tsy hanatitra intsony ny olona.  Ary ampy tsara ny akora ho an’ny asa rehetra hatao, eny, nihoatra aza.  Ary izay rehetra nanan-talenta+ teo amin’ireo nanao ny asa, dia nanao ny tranolay,+ izany hoe ny lamba folo vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara sy kofehy manga sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena ary kofehy mena midorehitra. Ary noravahany kerobima natao peta-kofehy ireo lamba.  Valo amby roapolo hakiho ny lavan’ny lamba tsirairay, ary efatra hakiho ny sakany. Nitovy ny refin’ny lamba rehetra. 10  Dia nataony nitohitohy nitambatra ny lamba dimy,+ ary nataony toy izany koa ny lamba dimy ambiny. 11  Avy eo dia nasiany vona tamin’ny kofehy manga ny sisin’ny lamba farany, teo amin’izay nihaonan’ireo fitambaran-damba. Nasiany vona koa ny sisin’ny lamba farany tamin’ilay fitambaran-damba faharoa, teo amin’izay nihaonan’ireo fitambaran-damba.+ 12  Vona dimampolo no nataony teo amin’ny lamba iray, ary vona dimampolo koa teo amin’ny sisin’ny lamba iray, dia teo amin’izay nihaonan’ireo fitambaran-damba. Ary nataony nifanitsy ireo vona.+ 13  Farany, dia nanao faraingo volamena dimampolo izy nanakambanana an’ireo fitambaran-damba ireo ho lamba iray ihany.+ 14  Ary nanao lamba iraika ambin’ny folo vita tamin’ny volon’osy izy nandrakofana ny tranolay masina.+ 15  Telopolo hakiho ny lavan’ny lamba tsirairay ary efatra hakiho ny sakany, ka nitovy daholo ny refin’ny lamba iraika ambin’ny folo.+ 16  Dia nataony nitohitohy nitambatra ny lamba dimy, ary nataony toy izany koa ny lamba enina.+ 17  Avy eo dia nasiany vona dimampolo ny sisin’ny lamba farany, teo amin’izay nihaonan’ireo fitambaran-damba, ary nasiany vona dimampolo koa ny sisin’ny fitambaran-damba faharoa izay nakambana tamin’iny.+ 18  Ary nanao faraingo varahina dimampolo izy nanakambanana an’ireo fitambaran-damba ho lamba iray ihany.+ 19  Ary nanao rakotra tamin’ny hoditr’ondry nolokoana mena izy natao teo ambonin’io, ary rakotra iray koa tamin’ny hoditra faoky,+ natao teo ambony indrindra.+ 20  Ary nanao ireo rafitry ny tranolay tamin’ny hazo akasia+ izy, ka nataony nitsangana ireo rafitra. 21  Folo hakiho ny lavan’ny rafitra tsirairay, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.+ 22  Ary ny rafitra tsirairay dia nisy lahiny roa nilahatra. Toy izany no nanaovany ny rafitra rehetran’ny tranolay.+ 23  Koa nataony ireo rafitry ny tranolay, ka rafitra roapolo no ho an’ny lafiny mitodika any Negeba, izany hoe mitodika mianatsimo.+ 24  Ary nanao faladiany volafotsy efapolo izy nitsatohan’ny rafitra roapolo, ka faladiany roa no nitsatohan’ny rafitra iray misy lahiny roa, ary toy izany hatrany tamin’ny rafitra tsirairay.+ 25  Nanao rafitra roapolo koa izy ho an’ny lafiny ilany amin’ny tranolay, dia ny lafiny avaratra.+ 26  Ary nanao faladiany volafotsy efapolo izy, ka faladiany roa no nitsatohan’ny rafitra iray, ary toy izany hatrany tamin’ny rafitra tsirairay.+ 27  Ary nanao rafitra enina izy ho lamosin’ny tranolay, teo amin’ny lafiny andrefana.+ 28  Ary nanao rafitra roa izy ho andry teo amin’ny zorony roa, teo amin’ny lamosin’ny tranolay.+ 29  Ary roa sosona izy ireo, niainga avy teny ambany hatreny amin’ny tampony, teo amin’ny tahony boribory voalohany. Toy izany no nanaovany ireo rafitra roa, izay andry roa teo amin’ny zorony.+ 30  Koa valo ny isan’ireo rafitra, ary enina ambin’ny folo ny faladiany volafotsy. Nisy faladiany roa teo akaikin’ny faladiany roa nitsatohan’ny rafitra tsirairay.+ 31  Ary nanao barany tamin’ny hazo akasia izy, ka dimy ho an’ny rafitra amin’ny lafiny iray amin’ny tranolay,+ 32  dimy ho an’ny rafitra amin’ny lafiny ilany, ary dimy ho an’ny rafitra eo amin’ny lamosiny, dia ny lafiny mitodika miankandrefana.+ 33  Ary nataony ny barany afovoany izay nitsivalana teo amin’ireo rafitra, ka natsofony avy teo anoloana mba hipoitra tany amin’ny farany.+ 34  Dia nopetahany takela-bolamena ireo rafitra, ary nataony volamena ireo tahony boribory izay nitsofohan’ireo barany. Nopetahany takela-bolamena koa ireo barany.+ 35  Ary nanao ridao+ izy, tamin’ny kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony miolana tsara. Ary noravahany kerobima+ natao peta-kofehy ilay ridao. 36  Dia nanao andry efatra tamin’ny hazo akasia izy hihantonan’ilay ridao, ka nopetahany takela-bolamena ireo andry. Ary volamena ireo fantsika fanantonana teo aminy. Dia nandrendrika volafotsy izy ka nataony faladiany efatra hitsatohan’ireo andry.+ 37  Ary nanao lamba fanakonana ho an’ny fidirana amin’ny tranolay izy, ka mpanenona no nanao izany tamin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy somary mena, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.+ 38  Nataony koa ireo andry dimy hihantonan’ilay lamba, sy ny fantsika fanantonana teo amin’ireo andry. Ary nopetahany takela-bolamena ny tampon’ireo andry sy ny fampitohizana teo aminy, fa varahina kosa ny faladiany dimy hitsatohany.+

Fanamarihana