Eksodosy 37:1-29

37  Ary nanao ilay Vata+ tamin’ny hazo akasia i Bezalila,+ ka roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.+  Dia nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ny atiny sy ny ivelany, ary nasiany sisiny volamena nanaraka ny molony.+  Avy eo dia nandrendrika volamena izy, ka nataony tahony boribory efatra izay napetany teo ambony kelin’ny tongotra efatr’ilay Vata, ka ny roa teo amin’ny lafiny iray ary ny roa teo amin’ny lafiny ilany.+  Dia nanao bao filanjana tamin’ny hazo akasia izy, ary nopetahany takela-bolamena ireo bao ireo.+  Ary natsofony tao amin’ireo tahony teo amin’ny lafiny roa ireo bao ireo mba hilanjana ilay Vata.+  Ary nanao ny sarony+ tamin’ny volamena tsy misy fangarony izy, ka roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany.+  Nanao kerobima volamena roa koa izy. Notefeny tamin’ny marotoa ireo, ary nataony teo amin’ny sisiny roa manaraka ny sakan’ilay sarony,+  ka ny kerobima iray terỳ amin’ny sisiny iray, ary ny iray terỳ amin’ny sisiny iray. Teo amin’ny sisiny roa tamin’ilay sarony no nametrahany an’ireo kerobima.+  Ary ireo kerobima ireo dia namelatra ny elany roa niakatra. Nanakona an’ilay sarony ny elatr’izy ireo.+ Ary nifanatrika izy ireo sady niondrika nijery an’ilay sarony.+ 10  Ary nanao ilay latabatra tamin’ny hazo akasia izy,+ ka roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.+ 11  Ary nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ilay latabatra, ka nasiany haingony volamena manodidina ny tampony.+ 12  Dia nanao sisiny mitovy refy amin’ny sakan’ny felatanana izy, ka nasiany haingony volamena koa ny morony ambany tamin’iny sisiny iny.+ 13  Ary nandrendrika volamena izy, ka nataony tahony boribory efatra ho an’ilay latabatra. Dia napetany teo amin’ny zorony efatra izay nisy ny tongony efatra ireo.+ 14  Nifanakaiky tsara tamin’ilay sisiny ireo tahony, izay hitsofohan’ireo bao hilanjana ny latabatra.+ 15  Dia nanao ireo bao tamin’ny hazo akasia izy ka nopetahany takela-bolamena ireo. Hilanjana an’ilay latabatra ireo.+ 16  Avy eo dia nataony tamin’ny volamena tsy misy fangarony ny fitaovana hapetraka eo ambonin’ilay latabatra, izany hoe ny vilia sy ny kaopy mbamin’ny vilia baolina sy ny zinga handrarahana ny fanatitra zava-pisotro.+ 17  Dia nanao ny fitoeran-jiro+ tamin’ny volamena tsy misy fangarony izy, ka marotoa no nanefeny azy. Avy tamin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro ihany ny tongony sy ny sampany sy ny voninkazony sy ny bokony ary ny felany.+ 18  Ary nisy sampany enina teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay fitoeran-jiro, ka ny telo teo amin’ny andaniny, ary ny telo teo amin’ny ankilany.+ 19  Nisy voninkazo telo miendrika vonin’amandie teo amin’ireo sampany tamin’ny andaniny iray, niaraka tamin’ny bokony sy ny felany nifanelanelana. Teo amin’ireo sampany tamin’ny ankilany koa, dia nisy voninkazo telo miendrika vonin’amandie, niaraka tamin’ny bokony sy ny felany nifanelanelana. Dia toy izany ny endrik’ireo sampany enina teo amin’ilay fitoeran-jiro.+ 20  Nisy voninkazony efatra miendrika vonin’amandie koa teo amin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro, niaraka tamin’ny bokony sy ny felany nifanelanelana.+ 21  Nisy bokony iray teo ambanin’ny sampany roa voalohany tamin’ilay fitoeran-jiro. Nisy bokony iray koa teo ambanin’ny sampany roa faharoa. Ary nisy bokony iray koa teo ambanin’ny sampany roa farany. Nisy toy izany daholo teo ambanin’ny sampany enina tamin’ilay fitoeran-jiro.+ 22  Avy tamin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro ihany ny bokony sy ny sampany. Marotoa no nanefena ireo rehetra ireo avy tamin’ny vongam-bolamena iray ihany tsy misy fangarony, ka tsy nosaratsarahina izy ireo rehefa notefena.+ 23  Ary nataony tamin’ny volamena tsy misy fangarony ny jiro fito ho an’ilay fitoeran-jiro, mbamin’ny fihazonana lahin-jiro sy ny fitondrana afo.+ 24  Volamena tsy misy fangarony milanja talenta iray no nanaovany ilay fitoeran-jiro sy ny fitaovany rehetra. 25  Ary nanao ny alitaran’ny emboka manitra+ tamin’ny hazo akasia izy.+ Iray hakiho ny lavany ary iray hakiho ny sakany, ka efamira ilay izy, ary roa hakiho ny haavony. Ary avy tamin’ilay alitara ihany ireo tandrony.+ 26  Nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ilay alitara, dia ny tampony sy ny lafiny rehetra ary ny tandrony. Ary nasiany sisiny volamena manodidina ny tampony.+ 27  Ary tahony boribory volamena roa avy no nataony teo ambanin’ny sisin’ny andaniny roa tamin’ilay alitara. Ireo no hitsofohan’ny bao hilanjana an’ilay alitara.+ 28  Dia nanao ireo bao tamin’ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena ireo.+ 29  Namboariny koa ny menaka masina fanosorana+ sy ny emboka manitra tsy misy fangarony,+ toy ny ataon’ny mpanamboatra menaka fanosorana.

Fanamarihana