Eksodosy 38:1-31

38  Ary nanao ny alitaran’ny fanatitra dorana izy, ka hazo akasia no nanaovany azy. Dimy hakiho ny lavany ary dimy hakiho ny sakany, ka efamira ilay izy, ary telo hakiho ny haavony.+  Ary nasiany tandrony+ ny zorony efatra, ka avy tamin’ny zoron’ilay alitara ihany ireo tandrony. Ary nopetahany takela-barahina ilay alitara.+  Avy eo dia nataony ny fitaovana rehetran’ny alitara: Ny fitoeran-davenona sy ny lapelina sy ny vilia baolina sy ny fitrebika ary ny fitondrana afo. Nataony varahina daholo ireo.+  Ary izy nanao makarakara varahina miendrika harato, teo ambanin’ny molotry ny alitara, teny ambanimbany teo amin’ny fisasahany.+  Ary nanao tahony boribory efatra izy, ka napetany teo amin’ny zorony efatra teo akaikin’ilay makarakara varahina, mba hitsofohan’ireo bao filanjana.  Dia nanao an’ireo bao tamin’ny hazo akasia izy, ary nopetahany takela-barahina ireo.+  Ary natsofony teo amin’ireo tahony ny bao, ka nataony teo amin’ny andaniny sy ny ankilany tamin’ny alitara mba hilanjana azy.+ Nataony toy ny vata poakaty ny alitara, ka hazo fisaka no nanaovany azy.+  Ary ny kovetabe varahina+ sy ny tongony varahina, dia nataony tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy izay nanao ny fanompoana voalamina teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+  Ary nanao ny tokotany izy.+ Natao tamin’ny kofehy rongony miolana tsara ny fefy lamban’ny tokotany, ho an’ny lafiny mitodika any Negeba, izany hoe mitodika mianatsimo. Zato hakiho ilay fefy.+ 10  Varahina ny andry roapolo teo aminy sy ny faladiany roapolo nitsatohan’ny andry. Volafotsy kosa ny fantsika fanantonana sy ny fampitohizana teo amin’ireo andry.+ 11  Zato hakiho koa ny lafiny avaratra, ka varahina ny andry roapolo sy ny faladiany roapolo nitsatohan’ny andry. Ary volafotsy ny fantsika fanantonana sy ny fampitohizana teo amin’ireo andry.+ 12  Teo amin’ny lafiny andrefana kosa, dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho sy andry folo ary faladiany nitsatohan’ny andry.+ Ary volafotsy ny fantsika fanantonana sy ny fampitohizana teo amin’ireo andry. 13  Dimampolo hakiho koa ny lafiny atsinanana manandrify ny fiposahan’ny masoandro,+ 14  ka teo amin’ny andaniny iray tamin’io lafiny io dia nisy fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho, sy andry telo ary faladiany telo nitsatohan’ny andry.+ 15  Ary teo amin’ny ankilany koa, teo akaikin’ny vavahadin’ny tokotany, dia nisy fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho. Koa nitovy ny teo amin’ny andaniny sy teo amin’ny ankilany. Ary nisy andry telo sy faladiany telo nitsatohan’ny andry koa teo.+ 16  Vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara ny fefy lamba rehetran’ny tokotany manodidina. 17  Ary varahina ireo faladiany nitsatohan’ny andry. Volafotsy kosa ny fantsika fanantonana sy ny fampitohizana teo amin’ireo andry. Dia nopetahana takela-bolafotsy ny tampon’ireo andry. Ary nisy fampitohizana volafotsy teo amin’ny andry rehetran’ny tokotany.+ 18  Ary ny lamba fanakonana ho an’ny vavahadin’ny tokotany, dia notenomina tamin’ny kofehy manga sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony miolana tsara.+ Roapolo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny haavony, nanomboka tamin’ny ilany iray ka hatramin’ny ilany iray, nitovy tamin’ny an’ny fefy lamban’ny tokotany.+ 19  Ary varahina ny andry efatra teo aminy sy ny faladiany efatra nitsatohan’ny andry. Volafotsy kosa ireo fantsika fanantonana teo aminy, ary nopetahana takela-bolafotsy ny tampon’ireo andry, ary volafotsy ireo fampitohizana teo aminy. 20  Ary varahina daholo ny fantsika be fanenjanan-day ho an’ny tranolay sy ho an’ny tokotany manodidina.+ 21  Ireto no zavatra natao lisitra momba ny tranolay, dia ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Natao lisitra araka ny didin’i Mosesy ireo, ka anjaran’ny Levita+ ny nanao izany teo ambany fiandraiketan’i Itamara+ zanak’i Arona mpisorona. 22  Ary nanao izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy i Bezalila,+ zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda. 23  Ary niaraka taminy i Oholiaba+ zanak’i Ahisamaka avy amin’ny fokon’i Dana. Mpanao asa tanana i Oholiaba sady mpanao peta-kofehy ary mpanao tenona tamin’ny kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony tena tsara. 24  Nitovy lanja tamin’ny volamena natao fanatitra ahetsiketsika,+ ny volamena rehetra nampiasaina tamin’ny asa rehetra momba ny toerana masina, izany hoe talenta sivy amby roapolo, ary koa sekely telopolo sy fitonjato, araka ny sekelin’ny+ toerana masina.+ 25  Ary ny volafotsy avy tamin’ireo olona voasoratra anarana teo anivon’ny fiangonana, dia nilanja talenta zato, ary koa sekely dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekelin’ny toerana masina. 26  Ny antsasaky ny sekely izay nomen’ny tsirairay, dia ny antsasa-tsekely araka ny sekelin’ny toerana masina. Nanome izany ny lehilahy rehetra voasoratra anarana, izay roapolo taona no ho miakatra.+ Dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy ny isan’izy ireo.+ 27  Ary talenta volafotsy zato no narendrika nanaovana ireo faladiany ho an’ny toerana masina sy ho an’ny ridao, ka talenta zato no nanaovana faladiany zato, izany hoe talenta iray ho an’ny faladiany iray.+ 28  Ary ireo sekely volafotsy dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, no nanaovany fantsika fanantonana teo amin’ireo andry. Dia nopetahany takela-bolafotsy ny tampon’ireo andry, ary nampifampitohiziny ireo andry. 29  Talenta fitopolo, ary koa sekely efajato sy roa arivo ny lanjan’ny varahina natao fanatitra ahetsiketsika. 30  Ary tamin’ireo no nanaovany ny faladiany ho an’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ary koa ny alitara varahina sy ny makarakarany varahina, mbamin’ny fitaovana rehetran’ny alitara, 31  sy ny faladiany ho an’ny tokotany manodidina, sy ny faladiany ho an’ny vavahadin’ny tokotany, ary ny fantsika be fanenjanan-day+ rehetra ho an’ny tranolay sy ho an’ny tokotany manodidina.

Fanamarihana