Eksodosy 39:1-43

39  Ireo kofehy manga sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena ary kofehy mena midorehitra+ no nanaovan’izy ireo fitafiana+ tsara tenona, izay hoenti-manompo ao amin’ny toerana masina.+ Dia nataon’izy ireo ny fitafiana masina+ ho an’i Arona, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.  Ary ny efoda+ dia nataony tamin’ny volamena sy kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony miolana tsara.  Dia naka takela-bolamena izy ireo, ka nokapokapohiny mba hanify, ary nodidididiany ho lasa kofehy, mba hatao mifampidipiditra amin’ny kofehy manga sy ny volonondry volomparasy somary mena sy ny kofehy mena midorehitra ary ny kofehy rongony tena tsara, toy ny ataon’ny mpanao peta-kofehy.+  Ary nanao lamban-tsoroka izy ireo, ka natambatra tamin’ny efoda izany. Dia natambatra teo amin’ny tendrony roa ny efoda.  Ary toy ny fomba nanaovana ny efoda ihany no nanaovana ny fehikibo, izay natao teo amboniny mba hamatorana azy tsara. Nitovy koa ny zavatra nanaovana ny efoda sy ny fehikibo, dia kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.  Avy eo dia nataon’izy ireo tao anaty tranom-bato volamena ireo vato oniksa,+ izay nisy ny anaran’ny zanak’Israely+ voasokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase.  Ary napetrany teo amin’ny soroky ny efoda ireo, ho vato fahatsiarovana+ ny zanak’Israely, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.  Avy eo dia nataony ny saron-tratra,+ izay natao peta-kofehy. Toy ny fomba nanaovana ny efoda ihany no nanaovana azy, ka natao tamin’ny kofehy volamena sy kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony miolana tsara.+  Efamira ilay saron-tratra rehefa navalona roa. Dia nataon’izy ireo irain-jehy ny lavany ary irain-jehy ny sakany, rehefa navalona roa ilay izy.+ 10  Ary nasian’izy ireo vatosoa misy laharana efatra ilay izy, ka ny laharana voalohany dia robia sy topaza ary emeraoda.+ 11  Ny laharana faharoa+ dia torkoazy sy safira+ ary jaspa.+ 12  Ny laharana fahatelo+ dia vato lesema sy agata ary ametista. 13  Ary ny laharana fahefatra+ dia krizolita sy oniksa+ ary jady. Natao tao anaty tranom-bato volamena ireo vato, fa ireo tranom-bato kosa natsatoka tao anaty fitoerany avy. 14  Araka ny anaran’ny zanak’Israely ireo vato. Koa roa ambin’ny folo izy ireo araka ny anaran’ny zanak’Israely. Voasokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase ny anarana teo amin’ny vato tsirairay, ho an’ireo foko roa ambin’ny folo.+ 15  Ary teo amin’ilay saron-tratra dia nasian’izy ireo rojo mirandrana toy ny tady, vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony.+ 16  Avy eo dia nanao tranom-bato volamena roa sy mason-drojo volamena roa izy ireo, ary nasiany mason-drojo iray avy ny zorony roa tamin’ilay saron-tratra.+ 17  Dia natsofony teo amin’ireo mason-drojo roa teo amin’ny zoron’ilay saron-tratra, ireo tady volamena roa.+ 18  Ary natsofony teo amin’ireo tranom-bato roa ny lohan’ireo tady roa, ka nataony teo amin’ny soroky ny efoda teo anoloana.+ 19  Avy eo dia nanao mason-drojo volamena roa izy ireo, ka nasiany iray avy ny zorony roa ambany tamin’ilay saron-tratra, teo amin’ny sisiny anatiny mifanolotra amin’ny efoda.+ 20  Nanao mason-drojo volamena roa hafa koa izy ireo, ka nasiany iray avy ny lamban-tsoroka roa tamin’ny efoda. Nataony teny ambany teo anoloana izany, teo akaikin’izay nitambaran’ny efoda, teo ambonin’ny fehikibony.+ 21  Ary ny saron-tratra dia nafatotr’izy ireo tamin’ny kofehy manga, avy teo amin’ny mason-drojon’ny saron-tratra nankeo amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibon’ny efoda foana ny saron-tratra, ka tsy hihetsika eo ambonin’ny efoda, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ 22  Ary notenomina tamin’ny kofehy manga manontolo ny akanjo tsy misy tanany+ mifanolotra amin’ny efoda. 23  Ary nisy vozony toy ny vozon’ny akanjo vy fiarovan-tratra, teo afovoan’ilay akanjo tsy misy tanany. Dia nasiana sisiny ilay vozony, mba tsy haharovitra azy.+ 24  Ary ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany, dia nasian’izy ireo ampongabendanitra vita tamin’ny kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena ary kofehy mena midorehitra, izay niaraka naolanolana.+ 25  Dia nanao lakolosy kely tamin’ny volamena tsy misy fangarony izy ireo, ka nataony teny anelanelan’ny ampongabendanitra,+ nanaraka ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany, eny, nifanelanelana tamin’ny ampongabendanitra, 26  izany hoe lakolosy dia avy eo ampongabendanitra, ary toy izany hatrany nanaraka ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany+ izay hoenti-manompo, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 27  Ary ireto avy no nataon’izy ireo ho an’i Arona sy ny zanany: Akanjo lava notenomina tamin’ny rongony tena tsara;+ 28  satroka lamba+ sy fehiloha+ firavahan’ny mpisorona izay samy vita tamin’ny rongony tena tsara, ary kilaoty lava+ vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara; 29  fehikibo lamba+ izay notenomina tamin’ny kofehy rongony miolana tsara sy kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena ary kofehy mena midorehitra, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 30  Farany, dia nataon’izy ireo tamin’ny volamena tsy misy fangarony ilay takela-bolamena masina* mamirapiratra, ka nasiany soratra hoe: “An’i Jehovah ny fahamasinana.”+ Nataony sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase izany. 31  Ary nasian’izy ireo kofehy manga teo amin’izy io, mba hametahana azy teo amin’ilay satroka lamba,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 32  Dia vita daholo ny asa momba ny tranolay, izany hoe ny tranolay fihaonana, izay nataon’ny zanak’Israely araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ Izany indrindra no nataon’izy ireo. 33  Ary nentin’izy ireo tany amin’i Mosesy ny tranolay+ mbamin’ny fitaovany,+ ny faraingony,+ ny rafitra,+ ny barany,+ ny andry sy ny faladiany hitsatohany;+ 34  ny rakotra vita tamin’ny hoditr’ondry nolokoana+ mena, sy ny rakotra vita tamin’ny hoditra faoky,+ ary ny ridao fanakonana;+ 35  ny Vata+ misy ny tenin’ny vavolombelona sy ny bao filanjana+ azy ary ny sarony;+ 36  ny latabatra+ sy ny fitaovany rehetra+ ary ny mofo aseho; 37  ny fitoeran-jiro+ vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony, mbamin’ny jirony milahatra+ sy ny fitaovany rehetra+ ary ny menaky ny jiro;+ 38  ny alitara+ volamena, sy ny menaka masina fanosorana,+ sy ny emboka manitra,+ ary ny lamba fanakonana+ ho an’ny fidirana amin’ny tranolay; 39  ny alitara+ varahina sy ny makarakarany+ varahina, mbamin’ny bao filanjana+ azy sy ny fitaovany rehetra,+ ary ny kovetabe+ sy ny tongony;+ 40  ny fefy lamban’ny+ tokotany, ny andry+ sy ny faladiany hitsatohany,+ ny lamba fanakonana+ ho an’ny vavahadin’ny tokotany, ny tady fanenjanan-day+ sy ny fantsika be fanenjanan-day+ ary ny fitaovana+ rehetra ho an’ny fanompoana ao amin’ny tranolay, izany hoe ny tranolay fihaonana; 41  ny fitafiana+ tsara tenona izay hoenti-manompo ao amin’ny toerana masina, ny fitafiana masina+ ho an’i Arona mpisorona, ary ny fitafian’ireo zanany mba hanaovany ny asan’ny mpisorona.+ 42  Araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy, no nanaovan’ny zanak’Israely ny fanompoana rehetra.+ 43  Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy, ka hitany fa nataon’izy ireo araka izay nandidian’i Jehovah izany. Eny, toy izany no nataon’izy ireo. Koa nitso-drano azy ireo i Mosesy.+

Fanamarihana

Famantarana masina hoe voatokana ho an’Andriamanitra i Arona.