Eksodosy 4:1-31

4  Fa hoy i Mosesy: “Aoka anefa hatao hoe tsy mino ahy ry zareo sady tsy mihaino ny teniko,+ fa hilaza hoe: ‘Tsy niseho taminao i Jehovah.’”  Dia hoy i Jehovah: “Inona iny eny an-tananao iny?” Dia hoy izy: “Tehina.”+  Ary hoy izy tamin’i Mosesy: “Atsipazo amin’ny tany iny.” Koa natsipiny tamin’ny tany ilay izy ka niova ho bibilava.+ Dia nandositra an’ilay bibilava i Mosesy.  Ary hoy i Jehovah taminy: “Atsory ny tananao ka raiso amin’ny rambony izy.” Dia natsotrany ny tanany ary noraisiny ilay izy, ka niova ho tehina teny an-tanany.  Ary hoy koa Izy: “Amin’izay dia hino izy ireo fa niseho taminao+ i Jehovah Andriamanitry ny razany,+ dia Andriamanitr’i Abrahama+ sy Andriamanitr’i Isaka+ ary Andriamanitr’i Jakoba.”+  Ary hoy indray i Jehovah taminy: “Mba atsofohy ao amin’ilay miforitra eo amin’ny tratran’akanjonao hoe ny tananao, azafady.” Dia natsofony tao ny tanany, ka nony navoakany avy tao dia boka sady fotsy be.*+  Ary hoy Andriamanitra avy eo: “Atsofohy ao amin’ilay miforitra eo amin’ny tratran’akanjonao indray ny tananao.” Dia natsofony tao indray ny tanany, ka nony navoakany, dia niverina tamin’ny laoniny, ka lasa nitovy tamin’ny vatany manontolo.+  Ary hoy koa izy: “Raha tsy mino anao izy ireo ka tsy miraharaha an’ilay famantarana voalohany, dia hinoany kosa ilay famantarana aorian’io.+  Ary raha mbola tsy hinoan’izy ireo ihany ireo famantarana roa ireo, ka tsy henoiny ny teninao,+ dia makà rano ao amin’ny Reniranon’i Neily, ka araraho eo amin’ny tany maina. Ary tena hiova ho ra eo amin’ny tany maina tokoa ilay rano nalainao tao amin’ny Reniranon’i Neily.”+ 10  Dia hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Tena miala tsiny aminao aho Jehovah ô, fa tsy mahay mandaha-teny aho, efa hatramin’izay ka hatramin’izao iresahanao amin’ny mpanomponao izao, fa votsa vava aho sady miraiki-dela.”+ 11  Ary hoy i Jehovah taminy: “Iza moa no nanome vava ho an’ny olona? Ary iza no nampisy ny moana na ny marenina na ny mahiratra na ny jamba? Tsy izaho Jehovah ve?+ 12  Koa mandehana fa homba anao aho rehefa miteny ianao, ka hanoro anao izay tokony holazainao.”+ 13  Fa hoy kosa izy: “Tena miala tsiny aminao aho, Jehovah ô! Olon-kafa re irahina e! Izay tianao hirahina no iraho.” 14  Dia tezitra be tamin’i Mosesy i Jehovah, ka hoy izy: “Tsy rahalahinao moa i Arona Levita?+ Fantatro tsara fa tena mahay miteny izy, ary efa eny an-dalana hitsena anao izy. Ho faly mihitsy ny fony rehefa mahita anao.+ 15  Ary miresaha aminy ka lazao aminy ny teny rehetra tokony holazaina,+ ary izaho mihitsy no homba ny vavanao sy ny vavany,+ ka hatoroko anareo izay tokony hataonareo.+ 16  Ary izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao. Koa ho vava ho anao izy,+ ary ianao kosa ho Andriamanitra eo anatrehany.+ 17  Ary ento iny tehina iny, mba hanaovanao ireo famantarana.”+ 18  Dia niverina tany amin’i Jetro rafozandahiny i Mosesy ka niteny hoe:+ “Mba te hiverina any amin’ireo rahalahiko any Ejipta aho, hahitako raha mbola velona any ihany izy ireo.”+ Dia hoy i Jetro taminy: “Mandehana soa aman-tsara.”+ 19  Taorian’izay, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy tany Midianina: “Mandehana miverina any Ejipta, fa efa maty daholo ireo olona nifofo ny ainao.”*+ 20  Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny ampondra, ary niverina tany Ejipta izy. Ary nentin’i Mosesy teny an-tanany ny tehin’Andriamanitra.+ 21  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao ny fahagagana rehetra efa napetrako eo am-pelatananao.+ Fa izaho kosa hamela azy hikiribiby amin’ny heviny,*+ ka tsy handefa ny vahoaka izy.+ 22  Ary lazao amin’i Farao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Zanako ny Israely, zanako lahimatoa.+ 23  Koa hoy aho aminao: Alefaso ny zanako hanompo ahy. Fa raha mandà tsy handefa azy ianao, dia hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahimatoa.”’”+ 24  Ary teny an-dalana, teo amin’ny toeram-pilasiana,+ dia nitsena azy i Jehovah+ ka nitady izay hamonoana azy ho faty.+ 25  Koa naka vatoafo i Zipora+ tamin’ny farany, ka noforany ilay zanany.+ Dia nalainy ilay hoditra nesoriny ka nataony nikasoka tamin’ny tongotr’izy io, sady hoy izy: “Fa amiko, dia vady azo tamin’ny ra ianao.” 26  Dia nalefany izy. Ary hoy i Zipora tamin’izay: “Vady azo tamin’ny ra ianao”, noho ny famorana. 27  Avy eo, dia hoy i Jehovah tamin’i Arona: “Mandehana tsenao any an-tany efitra i Mosesy.”+ Ary nandeha izy dia nihaona tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra,+ ka nanoroka azy. 28  Dia nolazain’i Mosesy tamin’i Arona ny teny rehetra nolazain’i Jehovah, izay naniraka azy.+ Ary nolazainy taminy koa ny famantarana rehetra nasainy nataony.+ 29  Taorian’izay, dia nandeha namory ny anti-panahy rehetran’ny zanak’Israely i Mosesy sy Arona.+ 30  Koa nolazain’i Arona ny teny rehetra nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy,+ ary nanao ireo famantarana+ teo imason’ny vahoaka izy. 31  Dia nino ny vahoaka.+ Ary rehefa ren’izy ireo fa efa nitsinjo+ ny zanak’Israely i Jehovah, sady nahita ny fahoriany,+ dia niondrika sy niankohoka izy ireo.+

Fanamarihana

A.b.t.: “fotsy tahaka ny lanezy.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “hamela ny fony hikiribiby.”