Eksodosy 40:1-38

40  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany,+ no hanangananao ny tranolay, izany hoe ny tranolay fihaonana.+  Ao no hametrahanao ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona,+ ka sakano amin’ilay ridao+ ny lalana mankeo amin’ny Vata.  Ary ento ao amin’ny tranolay ny latabatra,+ ka alaharo izay tokony hatao eo amboniny. Ento ao koa ny fitoeran-jiro,+ ary areheto ny jirony.+  Dia ataovy eo anoloan’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona ny alitara volamena ho an’ny emboka manitra,+ ary apetaho eo amin’ny toerany ny lamba fanakonana an’ilay fidirana amin’ny tranolay.+  “Ary ny alitaran’ny+ fanatitra dorana, dia apetraho eo anoloan’ny fidirana amin’ny tranolay, izany hoe ny tranolay fihaonana.  Apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara kosa ny kovetabe, ka asio rano ao anatiny.+  Dia ataovy manodidina ny tranolay ny tokotaniny,+ ka apetaho ny lamba fanakonana+ ny vavahadin’ny tokotany.  Ary alaivo ny menaka masina fanosorana,+ ka hosory ny tranolay sy ny zava-drehetra ao anatiny.+ Dia hamasino ny tranolay sy ny fitaovany rehetra, mba ho zava-masina ilay tranolay. 10  Hosory koa ny alitaran’ny fanatitra dorana sy ny fitaovany rehetra, ka hamasino ny alitara+ mba ho alitara masina indrindra.+ 11  Dia hosory ny kovetabe sy ny tongony, ka hamasino ny kovetabe. 12  “Avy eo dia ampanatony eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana i Arona sy ny zanany, ka sasao amin’ny rano.+ 13  Ary ampanaovy an’i Arona ny fitafiana masina,+ ka hosory izy+ ary hamasino. Dia hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy. 14  Avy eo dia ampanatony ny zanany, ka ampanaovy akanjo lava.+ 15  Ary hosory ho mpisorona izy ireo, tahaka ny nanosoranao ny rainy.+ Dia hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy ireo. Noho izany fanosorana izany, dia ho afaka hanao ny asa fisoronana mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo, hatramin’ny taranany fara mandimby.”+ 16  Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy i Mosesy.+ Eny, izany indrindra no nataony. 17  Koa tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, tamin’ny taona faharoa, dia voatsangana ny tranolay.+ 18  Rehefa nanangana ny tranolay i Mosesy, dia napetrany ireo faladiany,+ napetany ireo rafitra,+ natsofony ireo barany,+ ary natsangany ireo andry.+ 19  Dia novelariny teo ambonin’ny tranolay ny rakotra,+ ary napetrany teo ambonin’iny ny rakotra+ ivelany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 20  Ary nalainy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ ka nataony tao anatin’ilay Vata.+ Dia natsofony ny bao filanjana+ an’ilay Vata, ary nataony teo ambonin’ilay Vata+ ny sarony.+ 21  Dia nentiny nankao amin’ny tranolay ny Vata, ary napetany teo amin’ny toerany ny ridao+ fanakonana, ka nosakanany ny lalana mankeo amin’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 22  Ary napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana teo ivelan’ny ridao ny latabatra,+ teo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tranolay. 23  Dia nalahany nilamina tsara teo ambonin’izy io ireo mofo,+ eny, nalahany teo anatrehan’i Jehovah, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 24  Avy eo dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana tandrifin’ny latabatra ny fitoeran-jiro,+ teo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tranolay. 25  Dia nampirehetiny teo anatrehan’i Jehovah ireo jiro,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 26  Avy eo dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana teo anoloan’ilay ridao ny alitara volamena,+ 27  ka eo ambonin’izy io no handoroany emboka manitra mba hidona-tsetroka,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 28  Farany, dia nataony teo amin’ny toerany ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana amin’ny tranolay. 29  Ary napetrany teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay, izany hoe ny tranolay fihaonana, ny alitaran’ny+ fanatitra dorana, mba hanolorany ny fanatitra dorana+ sy ny fanatitra varimbazaha eo ambonin’ilay alitara, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 30  Avy eo dia napetrany teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ka nasiany rano tao anatiny mba hisasana.+ 31  Ary nanasa ny tanany sy ny tongony teo i Mosesy mbamin’i Arona sy ny zanany. 32  Nisasa+ izy ireo rehefa nankao amin’ny tranolay fihaonana, sy rehefa nanatona ny alitara, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 33  Farany, dia nataony manodidina ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny tokotany,+ ary napetany ny lamba fanakonana ny vavahadin’ny tokotany.+ Koa vitan’i Mosesy ny asa. 34  Dia nanarona ny tranolay fihaonana ny rahona,+ ka feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranolay. 35  Koa tsy afaka niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy, satria nitoetra teo ambonin’izy io ny rahona,+ ary feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranolay.+ 36  Ary rehefa niakatra avy teo ambonin’ny tranolay ny rahona, dia nifindra lasy ny zanak’Israely nandritra ny diany rehetra.+ 37  Fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra lasy izy ireo fa niandry ny andro niakaran’izy io indray.+ 38  Teo ambonin’ny tranolay mantsy ny rahon’i Jehovah nandritra ny andro, ary nisy afo foana teo ambonin’ilay tranolay nandritra ny alina. Ary nahita izany daholo ny taranak’Israely, nandritra ny diany rehetra.+

Fanamarihana