Eksodosy 5:1-23

  • Mosesy sy Arona teo anatrehan’i Farao (1-5)

  • Vao mainka nitombo ny fijaliana (6-18)

  • Nanome tsiny an’i Mosesy sy Arona ny Israely (19-23)

5  Nankao amin’i Farao i Mosesy sy Arona taorian’izay, ka niteny taminy hoe: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Alefaso ny vahoakako mba hankalaza fety ho ahy any an-tany efitra.’” 2  Hoy anefa i Farao: “Fa izany Jehovah izany moa no iza+ no tokony hankatò ny teniny aho, dia handefa ny Israely?+ Tsy fantatro mihitsy izany Jehovah izany, sady tsy halefako koa ny Israely.”+ 3  Fa hoy izy roa lahy: “Niresaka taminay ny Andriamanitry ny Hebreo. Koa mba te handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra re izahay e, mba hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray!+ Raha tsy izany mantsy, dia hamely anay amin’ny aretina izy na amin’ny sabatra.” 4  Dia namaly azy ireo ny mpanjakan’i Ejipta hoe: “Fa maninona ianareo, ry Mosesy sy Arona, no mandrebireby ny vahoaka? Izao ry zareo lasa tsy mahavita ny asany! Mandehana miverina miasa!”+ 5  Hoy koa i Farao: “Jereo fa be dia be mihitsy ny olona miasa eto amin’ity tany ity. Dia tadiavinareo hijanona tsy hiasa daholo ve izany ry zareo?” 6  Ny androtr’iny ihany, dia nomen’i Farao baiko ireo mpanery olona hiasa sy ny mpanara-maso ny mpiasa hoe: 7  “Aza omena mololo hanaovana biriky intsony ny vahoaka,+ fa avelao ry zareo ihany no handeha hanangona ny mololony. 8  Izay isan’ny biriky nasaina nenjehiny hatramin’izay ihany anefa no asaivo ataony. Aza ahena ny isany, fa mitady hipetrapetraka fotsiny* ry zareo. Izany no mahatonga an-dry zareo hitabataba hoe: ‘Te handeha izahay! Te hanao sorona ho an’ny Andriamanitray izahay!’ 9  Tereo hiasa mafy kokoa ry zareo, dia omeo asa hatao foana, amin’izay ry zareo tsy hihaino an’izao lainga rehetra izao.” 10  Koa nivoaka ireo mpanery olona hiasa+ sy ny mpanara-maso ny mpiasa, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Izao no nolazain’i Farao: ‘Tsy omeko mololo intsony ianareo. 11  Mandehana maka mololo ho anareo any amin’izay hahitanareo. Fa ny asanareo anefa tsy hahena mihitsy.’” 12  Dia niparitaka nanerana an’i Ejipta ny vahoaka, mba hanangona vodivary hatao mololo. 13  Ary niteniteny azy ireo foana ny mpanery azy ireo hiasa hoe: “Tsy maintsy mamita ny asanareo daholo ianareo isan’andro, hoatran’ny tamin’ianareo mbola nomena mololo ihany.” 14  Nokapohina+ koa ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa, izay teo ambany fiandraiketan’ireo mpanery olona hiasa notendren’i Farao. Nanontaniana izy ireo hoe: “Fa maninona no tsy tratranareo ny isan’ny biriky fanaonareo? Efa tsy tratra ilay izy omaly, dia mbola hoatr’izany koa androany.” 15  Dia nankao amin’i Farao ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa, ka nitaraina hoe: “Fa maninona no dia ataonao hoatr’izao ny mpanomponao? 16  Tsy omena mololo ny mpanomponao, nefa tenenina hoe: ‘Manaova biriky!’ Kapohina ny mpanomponao, nefa ny vahoakanao no diso.” 17  Fa hoy i Farao: “Mipetrapetraka fotsiny* ianareo! Mipetrapetraka fotsiny!*+ Izany no mahatonga anareo hiteny hoe: ‘Te handeha izahay! Te hanao sorona ho an’i Jehovah izahay!’+ 18  Mandehana amin’izay miverina miasa! Tsy hisy mololo homena anareo eo, nefa tsy maintsy tratrarinareo ny isan’ny biriky mila enjehinareo.” 19  Ary hitan’ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa fa nidiran-doza izy ireo noho ilay didy hoe: “Tsy azonareo ahena mihitsy ny isan’ny biriky enjehinareo isan’andro.” 20  Rehefa nivoaka avy tao amin’i Farao izy ireo, dia nihaona tamin’i Mosesy sy Arona. Efa nijoro teo mantsy izy roa lahy mba hihaona tamin’izy ireo. 21  Tonga dia nilaza tamin’izy roa lahy izy ireo hoe: “Enga anie i Jehovah hijery an’izay nataonareo sy hitsara anareo! Fa efa nataonareo izay hankahalan’i Farao sy ny mpanompony anay,* ary nasianareo sabatra teny an-tanany hamonoany anay.”+ 22  Dia nitodika tany amin’i Jehovah i Mosesy ka niteny hoe: “Jehovah ô! Nahoana ianao no mampijaly an’ity firenena ity? Fa maninona re ianao no naniraka ahy e? 23  Nanomboka tamin’ny fotoana nidirako teo anatrehan’i Farao mba hiteny tamin’ny anaranao,+ dia vao mainka nampitondra faisana an’ity vahoaka ity izy.+ Tsy novonjenao akory anefa ny vahoakanao.”+

Fanamarihana

Na: “fa kamo.”
Na: “Kamo.”
Na: “Kamo.”
Na: “efa nanamaimbo anay teo anatrehan’i Farao sy ny mpanompony ianareo.”