Eksodosy 6:1-30

6  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ho hitanao ankehitriny izay hataoko amin’i Farao,+ fa noho ny tanako mahery no handefasany azy ireo, ary noho ny tanako mahery no handroahany azy ireo hiala amin’ny tany Ejipta.”+  Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Izaho no Jehovah.+  Niseho tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba+ aho, tamin’ny maha Andriamanitra Mahery Indrindra+ ahy. Fa ilay anarako hoe Jehovah+ kosa, mbola tsy tena nampahafantariko+ azy.  Ary nanao fifanekena tamin’izy ireo koa aho, dia ny hanome azy ny tany Kanana izay nivahiniany.+  Ary izaho mihitsy no nandre ny fitarainan’ny zanak’Israely,+ izay andevozin’ny Ejipsianina, ka tsaroako ilay fifanekena nataoko.+  “Koa lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Izaho no Jehovah, ary hamoaka anareo ho afaka amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’ny Ejipsianina aho, ka hanafaka anareo amin’ny fanandevozany.+ Ary hanavotra anareo aho, ka sady haninjitra ny sandriko aho amin’izay no hamoaka didim-pitsarana lehibe.+  Ary halaiko ho oloko tokoa ianareo,+ ka ho Andriamanitrareo aho.+ Ary ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay mamoaka anareo ho afaka amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’i Ejipta anareo.+  Ary izaho hampiditra anareo any amin’ny tany izay efa nananganako tanana ka nianianako+ homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Dia homeko ho fanananareo tokoa izany.+ Izaho no Jehovah.’”+  Taorian’izay, dia nilaza izany tamin’ny zanak’Israely i Mosesy. Tsy nihaino azy anefa ireo, noho ny hakiviana sy ny hamafin’ny fanandevozana.+ 10  Koa hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 11  “Mankanesa ao amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta,+ ka lazao aminy fa tokony halefany hiala amin’ny tany Ejipta ny zanak’Israely.”+ 12  Fa hoy kosa i Mosesy tamin’i Jehovah: “Ny zanak’Israely aza ange tsy nihaino ahy e!+ Koa ahoana moa no hihainoan’i Farao ahy,+ dia izaho izay tsy voafora molotra?”+ 13  Mbola niteny tamin’i Mosesy sy Arona ihany anefa i Jehovah, ary mbola izy roa lahy koa no nampiasainy hanomezana didy ho an’ny zanak’Israely sy ho an’i Farao mpanjakan’i Ejipta, mba hamoahana ny zanak’Israely avy tao amin’ny tany Ejipta.+ 14  Ary ireto avy ny lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy: Ny zanakalahin’i Robena, izay lahimatoan’i Israely,+ dia i Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.+ Ireo no fianakavian’i Robena.+ 15  Ary ny zanakalahin’i Simeona dia i Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara, ary koa i Saoly zanakalahin’ny vehivavy kananita.+ Ireo no fianakavian’i Simeona.+ 16  Ary ireto avy ny anaran’ny zanakalahin’i Levy,+ araka ny taranany avy:+ Gersona sy Kehata ary Merary.+ Ary ny taona niainan’i Levy dia fito amby telopolo amby zato taona. 17  Ary ny zanakalahin’i Gersona, dia i Libny sy Simey,+ araka ny fianakaviany avy.+ 18  Ary ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.+ Ary ny taona niainan’i Kehata dia telo amby telopolo amby zato taona. 19  Ary ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy Mosy.+ Ireo no fianakaviamben’ny Levita, araka ny taranany avy.+ 20  Ary nalain’i Amrama ho vadiny i Jokebeda anabavin-drainy.+ Tatỳ aoriana, dia niteraka tamin’i Amrama ravehivavy, ka niteraka an’i Arona sy Mosesy.+ Ary ny taona niainan’i Amrama dia fito amby telopolo amby zato taona. 21  Ary ny zanakalahin’i Jizara dia i Kora+ sy Nafega ary Zikry. 22  Ary ny zanakalahin’i Oziela dia i Misaela sy Elizafana ary Sitry.+ 23  Ary nalain’i Arona ho vadiny i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona.+ Tatỳ aoriana, dia niteraka tamin’i Arona ravehivavy, ka niteraka an’i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.+ 24  Ary ny zanakalahin’i Kora dia i Asira sy Elkana ary Abiasafa.+ Ireo no fianakavian’ny Korahita.+ 25  Ary i Eleazara, zanakalahin’i Arona,+ naka ny iray tamin’ny zanakavavin’i Potiela ho vadiny. Tatỳ aoriana ravehivavy dia niteraka an’i Finehasa+ taminy. Ireo no lohan’ny fianakaviamben’ny Levita, araka ny fianakaviany avy.+ 26  Ary ireo no Arona sy Mosesy izay nilazan’i Jehovah hoe:+ “Ento mivoaka avy ao amin’ny tany Ejipta ny zanak’Israely, araka ny tafika misy azy avy.”+ 27  Izy ireo no niteny tamin’i Farao mpanjakan’i Ejipta, mba hamoahana ny zanak’Israely avy tao Ejipta.+ Ireo no Mosesy sy Arona. 28  Ary tamin’ny andro niresahan’i Jehovah tamin’i Mosesy tany amin’ny tany Ejipta,+ 29  dia mbola niteny tamin’i Mosesy koa i Jehovah hoe: “Izaho no Jehovah.+ Lazao amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta ny zavatra rehetra lazaiko aminao.” 30  Ary hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Tsy voafora molotra ange aho e! Koa ahoana moa no hihainoan’i Farao ahy?”+

Fanamarihana