Eksodosy 7:1-25

7  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa nataoko Andriamanitra eo anatrehan’i Farao ianao,+ ary i Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.+  Ianao no hilaza izay rehetra handidiako anao,+ fa i Arona rahalahinao kosa no hiteny amin’i Farao.+ Ary tsy maintsy handefa ny zanak’Israely hiala amin’ny tany Ejipta izy.+  Ary izaho hamela an’i Farao hikiribiby amin’ny heviny,*+ ka hampitomboiko tokoa ny isan’ny famantarana sy fahagagana hataoko eo amin’ny tany Ejipta.+  Ary tsy hihaino anareo i Farao,+ ka tsy maintsy hamely an’i Ejipta ny tanako. Hoentiko hivoaka avy ao amin’ny tany Ejipta ny tafiko,+ dia ny zanak’Israely+ oloko,+ ka hisy didim-pitsarana lehibe hampihariko.+  Dia ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah, rehefa hahinjitro hamely an’i Ejipta ny tanako.+ Ary hoentiko hiala eo amin’izy ireo ny zanak’Israely.”+  Ary i Mosesy sy Arona nanao araka izay nandidian’i Jehovah azy.+ Izany indrindra no nataony.+  Ary valopolo taona i Mosesy, fa i Arona kosa telo amby valopolo taona, fony izy ireo niresaka tamin’i Farao.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Raha milaza aminareo i Farao hoe: ‘Manaova àry fahagagana!’+ Dia teneno i Arona hoe: ‘Raiso ny tehinao,+ ka atsipazo eo anoloan’i Farao.’ Ary hiova ho bibilava ngezabe ilay tehina.”+ 10  Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy Arona, ka narahiny an-tsakany sy an-davany izay nandidian’i Jehovah azy. Koa natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy ny mpanompony ny tehiny, ka niova ho bibilava ngezabe. 11  Nantsoin’i Farao koa anefa ny olon-kendry sy ny mpilalao ody.+ Ary ny mpisorona tao Ejipta, izay nampiasa herin’ny maizina, dia nanao toy izany koa tamin’ny hery miafina nananany.+ 12  Dia samy nanipy ny tehiny izy ireo ary niova ho bibilava ngezabe daholo ireny, nefa natelin’ny tehin’i Arona ny tehin’izy ireo. 13  Na izany aza, dia nikiribiby tamin’ny heviny+ i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy, araka izay efa nolazain’i Jehovah. 14  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Be di-doha+ i Farao. Tsy nety nandefa ny vahoaka izy.+ 15  Koa mankanesa any amin’i Farao rahampitso maraina, fa hivoaka hankeny amin’ny rano izy.+ Koa mijanòna eny amoron’ny Reniranon’i Neily mba hihaonanao aminy,+ ary ento eny an-tananao ilay tehina izay niova ho bibilava.+ 16  Ary lazao aminy hoe: ‘Efa naniraka ahy tatỳ aminao i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo,+ ka niteny hoe: “Alefaso ny oloko hanompo ahy any an-tany efitra.”+ Tsy nankatò anefa ianao hatramin’izao. 17  Koa izao no nolazain’i Jehovah:+ “Izao no hahafantaranao fa izaho no Jehovah:+ Hokapohiko amin’ity tehina etỳ an-tanako ity ny rano ao amin’ny Reniranon’i Neily,+ ka hiova ho ra.+ 18  Ary ho faty ny trondro+ ao amin’ny Reniranon’i Neily, dia ho maimbo+ ilay renirano, ka tsy hahavita hisotro rano ao ny Ejipsianina.”’”+ 19  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Teneno i Arona hoe: ‘Raiso ny tehinao, ka atsory eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao,+ dia eo ambonin’ny reniranony, sy ireo lakandranon’i Neily, sy ny kamoriny anirian’ny bararata,+ ary ny lavaka fanangonan-drano rehetra ao aminy, mba ho lasa ra ireny.’ Ary ho feno ra tokoa eran’ny tany Ejipta sy any anaty fitoeran-drano vita amin’ny hazo na vato.” 20  Avy hatrany dia nanao izany i Mosesy sy Arona,+ araka izay nandidian’i Jehovah.+ Koa nanainga ny tehina izy, ary nikapoka ny rano tao amin’ny Reniranon’i Neily teo imason’i Farao sy ny mpanompony,+ ka niova ho ra ny rano rehetra tao amin’ny Reniranon’i Neily.+ 21  Dia maty ny trondro+ tao amin’ny Reniranon’i Neily ary maimbo ilay renirano, ka tsy afaka nisotro rano tao ny Ejipsianina.+ Ary feno ra eran’ny tany Ejipta. 22  Nampiasa hery miafina anefa ireo mpisorona tao Ejipta, izay nampiasa herin’ny maizina, ka mba nanao toy izany koa.+ Dia mbola nikiribiby tamin’ny heviny ihany i Farao,+ ka tsy nihaino azy mirahalahy, araka izay efa nolazain’i Jehovah.+ 23  Dia nihodina i Farao ka lasa nody tany an-tranony. Ary tsy nahoany akory izany tao am-pony.+ 24  Ary ny Ejipsianina rehetra nandeha nandavaka teny amin’ny manodidina ny Reniranon’i Neily mba hahazoana rano hosotroina, satria tsy afaka nisotro rano avy tao amin’ny Reniranon’i Neily mihitsy izy ireo.+ 25  Ary fito andro no lasa, taorian’ny namelezan’i Jehovah ny Reniranon’i Neily.

Fanamarihana

A.b.t.: “hamela ny fon’i Farao hikiribiby.”