Eksodosy 8:1-32

8  Niteny tamin’i Mosesy i Jehovah avy eo hoe: “Mandehana mankao amin’i Farao, dia lazao aminy hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Avelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.+ 2  Fa raha mbola tsy mety mandefa azy ihany ianao, dia hofenoiko sahona ny taninao rehetra.+ 3  Koa ho feno sahona be dia be ao amin’ny Reniranon’i Neily. Dia hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao sy ao amin’ny efitra fatorianao, hankeny am-pandriananao, hiditra any an-tranon’ny mpanomponao, hankeny amin’ny vahoakanao, ary ho ao anatin’ny lafaoronao sy ny vilia* famolavolanao koba.+ 4  Ho eny aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra ny sahona.”’” 5  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, tatỳ aoriana: “Teneno i Arona hoe: ‘Atsory ilay tananao mitazona tehina, ka ataovy eo ambonin’ny renirano sy ny lakandranon’i Neily ary ny honahona. Dia ampiakaro ho eny amin’ny tany Ejipta ny sahona.’” 6  Koa natsotran’i Arona teo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tanany, ka nanomboka niakatra ny sahona ary nandrakotra an’ilay tany. 7  Nanao hoatr’izany koa anefa ny mpisorona mpanao sikidy, izay nampiasa hery miafina. Nampiakatra sahona hankeny amin’ny tany Ejipta koa izy ireo.+ 8  Nantsoin’i Farao àry i Mosesy sy Arona ka noteneniny hoe: “Iangavio i Jehovah hanala ny sahona etỳ amiko sy eny amin’ny vahoakako,+ fa vonona aho handefa ny vahoaka. Amin’izay ry zareo afaka manao sorona ho an’i Jehovah.” 9  Dia hoy i Mosesy tamin’i Farao: “Omeko anao ny voninahitra hiteny amiko hoe rahoviana aho no hiangavy amin’Andriamanitra mba hanesorana an’ireny sahona ireny eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ao an-tranonao. Dia ao amin’ny Reniranon’i Neily ihany sisa no hisy sahona.” 10  Dia hoy i Farao: “Rahampitso.” Ary hoy i Mosesy: “Ho tanteraka tokoa ny teninao, amin’izay dia ho fantatrao hoe tsy misy mitovy amin’i Jehovah Andriamanitray.+ 11  Hiala eny aminao sy ao an-tranonao ireny sahona ireny, ary hiala eny amin’ny mpanomponao sy ny vahoakanao. Dia ao Neily ihany sisa no hisy.”+ 12  Koa nivoaka avy tao amin’i Farao i Mosesy sy Arona. Dia niangavy an’i Jehovah i Mosesy mba hanala ny sahona nalefany tany amin’i Farao.+ 13  Koa nataon’i Jehovah izay nangatahin’i Mosesy, ka maty tsikelikely ny sahona tany an-trano sy teny an-tokotany ary tany an-tsaha. 14  Ary nangonina ireny dia nivangongo teny rehetra teny, ka maimbo ilay tany. 15  Rehefa hitan’i Farao fa efa afaka ilay loza, dia niziriziry tamin’ny heviny* izy.+ Tsy nety nihaino azy roa lahy izy, araka ny efa nolazain’i Jehovah. 16  Hoy àry i Jehovah tamin’i Mosesy: “Teneno i Arona hoe: ‘Atsory ny tehinao ary kapohy ny vovoky ny tany, dia ho lasa moka eran’i Ejipta.’” 17  Ary nataon’izy ireo izany. Natsotran’i Arona ilay tanany nitazona tehina ary nokapohiny ny vovoky ny tany. Dia lasa moka nanerana an’i Ejipta ny vovoka rehetra tamin’ny tany,+ ka nankeny amin’ny olona sy ny biby. 18  Ary nampiasa hery miafina ny mpisorona mpanao sikidy+ ka nanandrana nampisy moka koa, saingy tsy nahavita. Dia nankeny amin’ny olona sy ny biby ny moka. 19  Koa niteny tamin’i Farao ireo mpisorona mpanao sikidy hoe: “Tena rantsantanan’Andriamanitra ity!”+ Mbola niziriziry tamin’ny heviny foana anefa i Farao* ka tsy nihaino azy roa lahy, araka ny efa nolazain’i Jehovah. 20  Hoy i Jehovah avy eo tamin’i Mosesy: “Mifohaza maraina, dia mankanesa eo anatrehan’i Farao. Hivoaka hankeny amin’ny rano izy, ka ilazao hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Avelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy. 21  Fa raha tsy alefanao ny vahoakako, dia handefasako fihitra* ianao, sy ny mpanomponao, sy ny vahoakanao, ary ny ao an-tranonao. Ho feno fihitra ny trano eto Ejipta, ary na ny tany hijoroan’izy ireo* aza ho rakotra fihitra. 22  Ny any Gosena, ilay tany misy ny vahoakako, kosa tsy maintsy harovako amin’io andro io. Tsy hisy fihitra any,+ ka izany no hahafantaranao fa izaho Jehovah dia eto amin’ity tany ity.+ 23  Ary hataoko miavaka amin’ny vahoakanao ny vahoakako. Rahampitso izany famantarana izany no hitranga.”’” 24  Dia nataon’i Jehovah izany, ka nisy andiana fihitra be dia be nirohotra nankao an-tranon’i Farao sy tao an-tranon’ny mpanompony ary eran’i Ejipta.+ Koa nandravarava tao amin’ilay tany ny fihitra.+ 25  Nantsoin’i Farao i Mosesy sy Arona tamin’ny farany, dia noteneniny hoe: “Mandehana manao sorona ho an’ny Andriamanitrareo, saingy eto Ejipta ihany.” 26  Hoy anefa i Mosesy: “Tsy mety izany, satria zavatra maharikoriko amin’ny Ejipsianina+ no hataonay sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray. Tsy hotorahan’ny Ejipsianina vato ve izahay raha zavatra maharikoriko azy no hataonay sorona, sady amin’izay eo imasony mihitsy? 27  Handeha lalana telo andro hankany an-tany efitra izahay, ka any izahay no hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray, araka izay nolazainy taminay.”+ 28  Dia hoy i Farao: “Halefako hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitrareo any an-tany efitra ianareo. Fa aza mandeha lavitra loatra fotsiny. Dia mba mivavaha ho ahy.”+ 29  Dia hoy i Mosesy: “Hiala eto aminao aho izao, ary hitalaho amin’i Jehovah. Koa hiala amin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny fihitra rahampitso. Tandremo anefa sao mamitaka* anay indray i Farao, ka tsy hanaiky handefa ny vahoaka hanao sorona ho an’i Jehovah akory.”+ 30  Dia nivoaka avy tao amin’i Farao i Mosesy, ary nitalaho tamin’i Jehovah.+ 31  Koa nataon’i Jehovah izay nolazain’i Mosesy, ka niala tamin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny fihitra. Tsy nisy tavela na iray aza. 32  Mbola niziriziry tamin’ny heviny* indray anefa i Farao, ka tsy nalefany ny vahoaka.

Fanamarihana

Na: “vilia baolina.”
Na: “nanamafy ny fony.”
Abt: “ny fon’i Farao.”
Karazana lalitra manaikitra.
Izany hoe ny Ejipsianina.
Na: “manadala.”
Na: “nanamafy ny fony.”