Eksodosy 9:1-35

9  Koa hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mankanesa ao amin’i Farao ary teneno izy hoe:+ ‘Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: “Alefaso ny oloko hanompo ahy.  Fa raha mbola tsy mety mandefa azy ihany ianao, ka mbola mihazona azy,+  dia hamely ny biby fiompinao+ any an-tsaha ny tanan’i Jehovah.+ Ho voan’ny areti-mandringana+ tena mahery ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva ary ny omby aman’ondry.  Ary hataon’i Jehovah miavaka amin’ny biby fiompin’i Ejipta tokoa ny biby fiompin’ny Israely, ka tsy hisy ho faty na iray aza izay rehetra an’ny zanak’Israely.”’”+  Efa nanondro fotoana koa i Jehovah, ka niteny hoe: “Rahampitso i Jehovah no hanao izany zavatra izany eto amin’ny tany Ejipta.”+  Dia nataon’i Jehovah tokoa izany ny ampitson’iny, ka maty avokoa ny karazana biby fiompy rehetra tao Ejipta.+ Fa ny biby fiompin’ny zanak’Israely kosa tsy nisy maty na iray aza.  Ary naniraka olona hijery i Farao, ka io tokoa fa tsy nisy maty ny biby fiompin’ny Israely, na iray aza. Mbola be di-doha+ ihany anefa i Farao, ka tsy nandefa ny vahoaka.  Avy eo, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: “Samia maka molaly eran’ny tanan-droa avy, ao amin’ny lafaoro fandoroana biriky,+ ary aoka i Mosesy hanipy izany ho eny amin’ny lanitra, eo imason’i Farao.  Dia hamovoka eran’ny tany Ejipta izany, ka ho lasa vay mamoro-nana+ hipoipoitra eny amin’ny olona sy ny biby eran’ny tany Ejipta.” 10  Koa naka molaly tao amin’ny lafaoro fandoroana biriky izy roa lahy ary nitsangana teo anatrehan’i Farao. Dia natsipin’i Mosesy ho eny amin’ny lanitra ny molaly, ka niova ho vay mamoro-nana+ nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby. 11  Ary noho ny vay, dia tsy nahajanona teo anatrehan’i Mosesy ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina. Nipoipoitra teny amin’ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina sy ny Ejipsianina rehetra mantsy ny vay.+ 12  Navelan’i Jehovah hikiribiby tamin’ny heviny anefa i Farao. Koa tsy nihaino azy roa lahy izy, araka izay efa nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy.+ 13  Avy eo, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mifohaza maraina, ary mankanesa eo anatrehan’i Farao,+ ka teneno izy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: “Alefaso ny oloko hanompo ahy,+ 14  fa amin’ity indray mandeha ity dia alefako hamely ny fonao sy hamely ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra avy amiko, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka ahy na aiza na aiza eran-tany.+ 15  Azoko natao ny naninjitra ny tanako, mba hamelezana anao sy ny vahoakanao tamin’ny areti-mandringana, ary mba hamongorana anao tsy ho amin’ny tany.+ 16  Raha ny marina anefa, dia izao no mbola namelako anao ho velona:+ Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.+ 17  Koa mbola miavonavona amin’ny oloko ihany ve ianao ka tsy handefa azy?+ 18  Hampilatsaka havandra be dia be aho rahampitso, tokotokony ho amin’ny ora toy izao, dia havandra mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny andro nanorenana an’i Ejipta ka hatramin’izao.+ 19  Koa maniraha olona, ka ento hamonjy fialofana ny biby fiompinao rehetra sy ny fanananao rehetra any an-tsaha. Fa izay olona na biby hita any an-tsaha, ka tsy nampodiana any an-trano, dia hilatsahan’ny havandra+ ka ho faty.”’” 20  Koa izay mpanompon’i Farao natahotra ny tenin’i Jehovah, dia nampandositra ny mpanompony sy ny biby fiompiny ho any an-trano.+ 21  Fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’i Jehovah kosa, dia namela ny mpanompony sy ny biby fiompiny tany an-tsaha ihany.+ 22  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Atsory manondro ny lanitra ny tananao+ mba hilatsahan’ny havandra+ eran’ny tany Ejipta, dia amin’ny olona sy ny biby ary ny zavamaniry rehetra any an-tsaha, eran’ny tany Ejipta.” 23  Koa natsotran’i Mosesy hanondro ny lanitra ny tehiny. Dia nandefa kotroka sy havandra+ i Jehovah, ary nisy afo koa nilatsaka tamin’ny tany. Ary nampilatsaka havandra be dia be teo amin’ny tany Ejipta i Jehovah. 24  Koa nilatsaka ny havandra, ary nisy afo koa niaraka taminy. Ary tena nirotsaka be izany, ka mbola tsy nisy toy izany mihitsy eran’ny tany Ejipta hatrizay naha firenena azy.+ 25  Ary namely an’i Ejipta manontolo ny havandra. Dia nasian’ny havandra avokoa ny zava-drehetra tany an-tsaha, na ny olona na ny biby, mbamin’ny karazan-javamaniry rehetra. Ary potiky ny havandra koa ny karazan-kazo rehetra tany an-tsaha.+ 26  Tany amin’ny tany Gosena izay nisy ny zanak’Israely ihany no tsy nisy havandra.+ 27  Farany, dia nampiantso an’i Mosesy sy Arona i Farao, ka nanao hoe: “Nanota aho tamin’ity indray mandeha ity.+ I Jehovah no marina,+ fa izaho sy ny oloko kosa no diso. 28  Mba iangavio i Jehovah hampitsahatra ny kotroka sy ny havandra avy amin’Andriamanitra,+ dia halefako ianareo ka tsy hijanona atỳ intsony.” 29  Koa hoy i Mosesy taminy: “Raha vao tafavoaka ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin’i Jehovah.+ Dia hitsahatra ny kotroka ary tsy hilatsaka intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’i Jehovah ny tany.+ 30  Efa fantatro anefa, fa na amin’izay aza dia mbola tsy hatahotra an’i Jehovah Andriamanitra ihany ianao sy ny mpanomponao.”+ 31  Ary potika ny rongony sy ny vary orza, satria efa teraka ny vary orza tamin’izay ary efa namony ny rongony.+ 32  Fa tsy ripaka kosa ny varimbazaha sy ny vary spelta,+ satria tatỳ aoriana kokoa ireny vao vokatra. 33  Ary niala teo amin’i Farao i Mosesy, dia nankany ivelan’ny tanàna ka namelatra ny tanany tamin’i Jehovah. Koa nijanona ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nisy orana nilatsaka intsony tamin’ny tany.+ 34  Ary rehefa hitan’i Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia nanota indray izy ka nanamafy ny fony,+ eny, izy sy ny mpanompony. 35  Ary mbola nikiribiby tamin’ny heviny foana i Farao ka tsy nandefa ny zanak’Israely, araka izay efa nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.+

Fanamarihana