Estera 1:1-22

1  Ary tamin’ny andron’i Ahasoerosy,+ ilay Ahasoerosy nanjaka tamin’ny faritany fito amby roapolo amby zato, hatrany India ka hatrany Etiopia,+  eny, tamin’izany andro izany, tamin’i Ahasoerosy Mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianany+ tao an-dapan’i+ Sosana,+  tamin’ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasambe+ ho an’ny andrianany sy ny mpanompony rehetra izy, ary koa ho an’ny tafik’i Persa+ sy Media,+ sy ny olona ambony,+ ary ny mpifehy isam-paritany, izay samy teo anatrehany.+  Nandritra ny andro maro, izany hoe valopolo amby zato andro, dia nasehony ny harenan’ny+ fanjakany be voninahitra, mbamin’ny haja amam-boninahiny+ sy ny fahalehibeazany.  Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanao fanasambe ny mpanjaka, ho an’izay rehetra tao an-dapan’i Sosana, na ny olona ambony na ny olon-tsotra. Fito andro no nanaovana izany tao amin’ny zaridainan’ny lapan’ny mpanjaka.  Nisy lamba rongony sy lamba landihazo malefaka ary lamba manga,+ nofatorana tamin’ny kofehy vita tamin’ny lamba tena tsara sy kofehy volonondry nolokoana volomparasy somary mena.+ Ary ireo kofehy dia nafatotra teo amin’ny tahony boribory volafotsy izay teo amin’ny andry marbra. Ary nisy fandriana+ volamena sy volafotsy nipetraka teo ambony rarivato vita tamin’ny pôrfira* sy marbra fotsy sy hara* ary marbra mainty.  Ary naroso ny divay ka nosotroina tamin’ny kaopy volamena+ samy hafa. Be dia be araka izay nananan’ny mpanjaka ny divay+ naroso.  Tamin’izay dia tsy nampiharina ny lalàna mandidy ny hisotroana, fa samy navelan’ny mpanjaka hanao izay tiany ny tandapany rehetra.  Nanao fanasambe ho an’ny vehivavy koa i Vasty+ vadin’ny mpanjaka, tao amin’ny trano tao an-dapan’i Ahasoerosy Mpanjaka. 10  Tamin’ny andro fahafito, raha iny falifaly azon’ny divay iny ny fon’ny mpanjaka,+ dia nilazany i Mehomana sy Bizta sy Harbona+ sy Bigta sy Abagta sy Zetara ary Karkasa, tandapa fito lahy nanompo+ teo anatrehan’i Ahasoerosy Mpanjaka, 11  mba hitondra an’i Vasty vadin’ny mpanjaka ho eo anatrehany. Nasainy nentina i Vasty misatroka diadema, mba haseho amin’ny olona sy ny andriana ny hatsaran-tarehiny, fa tsara tarehy+ tokoa izy. 12  Tsy nanaiky+ ny tenin’ny mpanjaka nentin’ireo tandapa anefa i Vasty vadin’ny mpanjaka, ka tsy nety nankany mihitsy. Dia nisafoaka mafy ny mpanjaka ka nirehitra ny fahatezerany.+ 13  Ary niresaka tamin’ny olon-kendry+ nahalala ny fanao tamin’izany fotoana+ izany ny mpanjaka. Naka hevitra tamin’izay rehetra nahalala tsara ny lalàna sy ny fitsarana mantsy ny mpanjaka, tamin’ny raharahany rehetra. 14  I Karsena, Setara, Admata, Tarsisy, Meresa, Marsena, ary Memokana, izay andriana fiton’i+ Persa sy Media, no olona akaiky azy indrindra, ka afaka nankeo anatrehany+ ary nitana toerana ambony tao amin’ny fanjakana. 15  Dia hoy izy tamin’ireo: “Raha araka ny lalàna, inona no tokony hatao amin’i Vasty vadin’ny mpanjaka, noho izy tsy nanaiky ny tenin’i Ahasoerosy Mpanjaka nentin’ny tandapa?” 16  Dia hoy i Memokana,+ teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny andriana: “Tsy tamin’ny mpanjaka ihany i Vasty vadin’ny mpanjaka no diso,+ fa tamin’ny andriana rehetra koa sy tamin’ny olona rehetra any amin’ireo faritany manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka. 17  Handre momba ny zavatra nataon’ny vadin’ny mpanjaka mantsy ny vehivavy rehetra, ka samy hanao tsinontsinona+ ny vadiny+ avy, ary hilaza hoe: ‘Na i Ahasoerosy Mpanjaka aza nampiantso an’i Vasty vadiny ho eo anatrehany, nefa tsy nety izy.’ 18  Amin’ny andro handrenesan’ny andriambavy rehetran’i Persa sy Media ny zavatra nataon’ny vadin’ny mpanjaka, dia hiteny toy izany amin’ny vadiny koa izy ireo, ka ho be ny fanaovana tsinontsinona ary ho be koa ny ho tezitra.+ 19  Koa raha sitraky ny mpanjaka,+ dia aoka izy hamoaka didy mandrara an’i Vasty tsy hiditra intsony eo anatrehan’i Ahasoerosy Mpanjaka. Ary aoka ny voninahitr’i Vasty homen’ny mpanjaka ho an’izay vehivavy hafa tsara noho izy. Dia aoka hosoratana ao amin’ny lalàn’i+ Persa sy Media izany didy izany, mba tsy ho azo foanana.+ 20  Ary ho re manerana ity fanjakana midadasika ity izany didin’ny mpanjaka izany, ka samy hanome voninahitra+ ny vadiny+ avy ny vehivavy rehetra, na olona ambony ilay vadiny na olon-tsotra.” 21  Ary sitraky ny mpanjaka+ sy ny andriana izany, ka nanao araka izay nolazain’i Memokana ny mpanjaka. 22  Koa nandefasany taratasy+ ny faritany+ rehetra eran’ilay fanjakana, ka nosoratana araka ny fomba fanoratry ny faritany tsirairay sy araka ny fitenin’ny firenena tsirairay izany. Voalaza tao fa ny lehilahy rehetra no masi-mandidy ao an-tokantranony+ ary ny fitenin-drazany no tsy maintsy ampiasaina ao.

Fanamarihana

Karazam-bato sarobidy mafy be, miloko mena antitra sy mipentina fotsy.
Zavatra nalaina tamin’ny akorandriaka.