Estera 3:1-15

3  Taorian’izany dia nomen’i Ahasoerosy Mpanjaka voninahitra sy nasandrany+ i Hamana+ zanak’i Hamedota Agagita,+ ka nomeny seza fiandrianana ambony noho ny an’ny andriana hafa rehetra.+  Ary ny mpanompon’ny mpanjaka teo am-bavahadiny+ dia niondrika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamana avokoa, satria izany no didin’ny mpanjaka. Fa i Mordekay kosa tsy mba niondrika na niankohoka.+  Ary hoy ireo mpanompon’ny mpanjaka teo am-bavahady tamin’i Mordekay: “Nahoana ianao no mandika ny didin’ny mpanjaka?”+  Niteny taminy isan’andro izy ireo, nefa tsy nohenoiny. Koa niresaka tamin’i Hamana izy ireo mba hahitana raha mbola holeferina ihany na tsia ny fihetsik’i Mordekay.+ Nilaza tamin’izy ireo mantsy i Mordekay hoe Jiosy+ izy.  Ary hitan’i Hamana fa tsy niondrika na niankohoka teo anatrehany i Mordekay,+ ka romotry ny hatezerana izy.+  Tsy nahafa-po azy anefa raha i Mordekay irery no hovonoina, satria efa nisy niresaka taminy momba an’ilay firenena niavian’i Mordekay. Koa nitady hevitra izy mba handripahana+ ny Jiosy rehetra, dia ny firenen’i Mordekay nanerana ny fanjakan’i Ahasoerosy.+  Tamin’ny volana voalohany,+ izany hoe ny volana Nisana, tamin’ny taona+ faharoa ambin’ny folo nanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka, dia natao teo anatrehan’i Hamana ny Pora,+ na ny Antsapaka,+ ka nojerena ny andro sy ny volana tsirairay. Koa ny volana faharoa ambin’ny folo, izany hoe ny volana Adara,+ no voafidy.  Ary hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy Mpanjaka: “Misy vahoaka iray miparitaka+ any amin’ireo firenena, any amin’ireo faritany manerana ny fanjakanao.+ Mitokantokana anefa izy ireo. Hafa noho ny an’ny vahoaka rehetra ny lalàny, ary tsy arahiny ny lalàn’ny mpanjaka.+ Koa tsy tsara raha avelan’ny mpanjaka amin’izao fotsiny izy ireo.  Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didy hatao an-tsoratra handripahana azy ireo. Ary handoa talenta volafotsy iray alina+ aho, homena an’ireo hanao izany,+ ka harotsaka ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.” 10  Koa nesorin’ny mpanjaka teny an-tanany ny peratra fanombohan-kaseny+ ka nomeny an’i Hamana,+ zanak’i Hamedota Agagita,+ dia ilay nankahala ny Jiosy.+ 11  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: “Homena anao ny volafotsy,+ mbamin’izany vahoaka izany, ka ataovy izay tianao hatao aminy.”+ 12  Dia nantsoina ireo mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folon’ny volana voalohany. Ary izay rehetra nandidian’i Hamana no nosoratana+ ho an’ireo lehibem-paritany+ notendren’ny mpanjaka sy ny governoran’ny faritany samy hafa ary ny mpifehy isam-pirenena. Nosoratana araka ny fomba fanoratry+ ny faritany tsirairay sy ny fitenin’ny firenena tsirairay izany, ka natao tamin’ny anaran’i+ Ahasoerosy Mpanjaka, sady notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.+ 13  Dia nampitondraina an’ireo iraka+ ny taratasy ho an’ny faritany rehetra eran’ilay fanjakana, mba handripahana sy hamonoana sy handringanana ny Jiosy rehetra, na antitra na tanora, mbamin’ny zaza amam-behivavy, ary mba handrobana ny fananany.+ Andro iray+ ihany no hanaovana izany, dia ny fahatelo ambin’ny folon’ny volana faharoa ambin’ny folo, izany hoe ny volana Adara.+ 14  Ary izay voasoratra tao amin’ilay taratasy ka navoaka ho lalàna+ tany amin’ny faritany+ rehetra, dia naely tany amin’ny firenena rehetra, mba hiomanan’izy ireo ho amin’izany andro izany. 15  Navoaka tao an-dapan’i Sosana+ koa ilay lalàna. Dia niolomay+ ireo iraka noho ny tenin’ny mpanjaka. Ary nipetraka hisotro i Hamana sy ny mpanjaka,+ fa nisahotaka+ kosa ny tao an-tanànan’i Sosana.+

Fanamarihana