Estera 4:1-17

4  Rehefa fantatr’i Mordekay+ izany rehetra izany,+ dia norovitiny ny akanjony. Ary nitafy lamba gony+ sy nihosin-davenona+ izy, ka nankeo afovoan-tanàna sady niantsoantso mafy tamin’alahelo.+  Tonga teo anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka+ izy tamin’ny farany, nefa nijanona hatreo ihany satria tsy nisy olona nitafy gony nahazo niditra teo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka.  Nalahelo mafy+ koa ny Jiosy tany amin’ny faritany+ rehetra nahatongavan’ny didin’ny mpanjaka sy ny lalàny. Koa nifady hanina+ sy nitomany ary nidradradradra izy ireo. Ary maro no natory teo ambony gony+ sy lavenona.+  Dia nankao amin’i Estera ny mpanompovaviny sy ny tandapany*+ ka nitantara izany taminy. Koa nalahelo mafy i Estera vadin’ny mpanjaka, ka nampitondra akanjo hanaovan’i Mordekay mba hanesorana ny lamba gony teny aminy. Tsy noraisin’i Mordekay anefa izany.+  Dia nantsoin’i Estera i Hatàka+ tandapan’ny* mpanjaka, izay notendrena hikarakara an’i Estera, ka nasainy nankany amin’i Mordekay hahafantarany izay nitranga.  Koa lasa i Hatàka nankany amin’i Mordekay teo amin’ny tany malalaky ny tanàna, teo anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka.  Dia notantarain’i Mordekay taminy izay rehetra nanjo azy,+ sy ny mombamomba ny vola nolazain’i Hamana fa harotsany ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana+ mba handripahana ny Jiosy.+  Ary nomeny an’i Hatàka mba hasehony an’i Estera sy horesahiny aminy, ny dika mitovy+ amin’ilay lalàna navoaka tao Sosana+ momba ny handripahana ny Jiosy. Nasainy nilazana koa i Estera+ mba hankao amin’ny mpanjaka, ka hitalaho famindram-po aminy+ sy hangataka eo anatrehany mihitsy ho an’ny firenen’i Estera.+  Dia tonga tao amin’i Estera i Hatàka,+ ka nolazainy taminy ny tenin’i Mordekay. 10  Ary nasain’i Estera nilaza tamin’i Mordekay+ izy hoe: 11  “Mahafantatra daholo ny mpanompon’ny mpanjaka sy ny vahoaka any amin’ireo faritany manerana ny fanjakany, fa izay lehilahy na vehivavy tonga tsy nantsoina eo amin’ny tokotany anatiny+ mba hankeo anatrehan’ny mpanjaka, dia hovonoina ho faty, araka ny lalàna+ tokana navoakan’ny mpanjaka. Izay tondroin’ny mpanjaka amin’ny tehiny volamena ihany no ho velona.+ Izaho anefa tsy nantsoina hankao amin’ny mpanjaka, efa telopolo andro izao.” 12  Rehefa nolazaina tamin’i Mordekay ny tenin’i Estera, 13  dia hoy ny navaliny an’i Estera: “Aza mieritreritra ianao hoe izay anisan’ny ankohonan’ny mpanjaka dia tsy ho faty miaraka amin’ny Jiosy rehetra.+ 14  Fa raha mangina tsy miteny ianao amin’izao, dia avy any an-toeran-kafa no hiavian’ny famonjena sy fanafahana ny Jiosy.+ Ianao sy ny ankohonan-drainao anefa ho faty. Ary iza no mahalala raha ho amin’ny toe-javatra toy izao indrindra no nisandratanao ho vadin’ny mpanjaka?”+ 15  Dia hoy ny navalin’i Estera an’i Mordekay: 16  “Mandehana àry, ka vorio ny Jiosy rehetra eto Sosana.+ Ary mifadia hanina+ noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro,+ na andro na alina. Hifady hanina koa izaho sy ny mpanompovaviko.+ Avy eo dia hankao amin’ny mpanjaka aho, na tsy araka ny lalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho,+ dia aoka ho faty.” 17  Dia lasa i Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian’i Estera azy.

Fanamarihana

Lehilahy novosirina.
Lehilahy novosirina.