Estera 5:1-14

5  Ary tamin’ny andro fahatelo,+ dia nanao akanjom-boninahitra+ i Estera, ka nitsangana teo amin’ny tokotany anatiny+ teo anoloan’ny tranon’ny mpanjaka. Tao an-tranony ny mpanjaka, sady nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany tandrifin’ny fidirana.  Vao hitan’ny mpanjaka nitsangana teo amin’ilay tokotany i Estera, dia nahazo sitraka+ taminy, ka notondroiny tamin’ilay tehina volamena+ teny an-tanany. Koa nanatona i Estera ka nikasika ny tendron’ilay tehina.  Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Misy ilainao angaha, ry Estera vadin’ny mpanjaka ô, ary inona no tadiavinao?+ Fa na hatramin’ny antsasaky ny fanjakana+ aza dia homena anao!”  Ary hoy i Estera: “Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana+ ho tonga any amin’ny fanasana+ nataoko ho azy anio.”  Ary hoy ny mpanjaka : “Mandehana ianareo, ka antsoy haingana+ i Hamana, araka ny tenin’i Estera.” Dia nankao amin’ilay fanasana nataon’i Estera ny mpanjaka sy Hamana.  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, nandritra ny fotoana fandrosoana divay: “Inona no angatahinao?+ Fa homena anao izany! Ary inona no tadiavinao? Fa na hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia homena anao!”  Ary hoy ny navalin’i Estera: “Izao no angatahiko sy tadiaviko:  Raha mahazo sitraka amin’ny mpanjaka aho+ ary tian’ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy tadiaviko, dia aoka ho tonga ao amin’ilay fanasana hataoko rahampitso ny mpanjaka sy Hamana. Amin’izay aho no hilaza ny fangatahako.”+  Dia lasa i Hamana tamin’iny andro iny, ary faly+ izy sady ravoravo ny fony. Vao nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka+ anefa izy, dia tezitra be+ taminy satria tsy nitsangana+ na tora-kovitra teo anatrehany+ i Mordekay. 10  Nifehy tena anefa i Hamana ka nankany an-tranony. Dia nampanantsoiny ireo namany sy Zaresy+ vadiny. 11  Ary nirehareha teo anatrehan’izy ireo izy ny amin’ny harem-beny+ sy ny hamaroan’ny zanany+ ary ny zava-drehetra nanomezan’ny mpanjaka voninahitra azy sy nanandratany azy ho ambony noho ireo andriana sy mpanompon’ny mpanjaka.+ 12  Hoy koa i Hamana: “Ankoatra izany, dia tsy nisy afa-tsy izaho no nasain’i Estera vadin’ny mpanjaka mba hiaraka tamin’ny mpanjaka tany amin’ilay fanasana nataony.+ Ary mbola nasainy koa aza aho rahampitso,+ miaraka amin’ny mpanjaka. 13  Tsy misy mahafa-po ahy anefa izany rehetra izany raha mbola hitako mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay Jiosy.” 14  Ary hoy i Zaresy vadiny sy ny namany rehetra: “Mampanaova tsato-kazo+ dimampolo hakiho.* Ary angataho amin’ny mpanjaka rahampitso+ maraina mba hahantona eo i Mordekay.+ Avy eo dia mandehana amim-pifaliana miaraka amin’ny mpanjaka mankany amin’ilay fanasana.” Dia sitrak’i Hamana izany,+ ka nampanao an’ilay tsato-kazo izy.+

Fanamarihana

22,3 m eo ho eo.