Estera 6:1-14

6  Ary tsy nahita tory ny mpanjaka tamin’iny alina iny,+ ka nasainy nentina teo aminy ny boky mirakitra ny tantara+ tamin’izany andro izany. Koa novakina teo anatrehan’ny mpanjaka izany.  Farany dia hita voasoratra tao ny tatitra+ nataon’i Mordekay momba an’i Bigtana sy Taresy, tandapan’ny+ mpanjaka sady mpiandry varavarana, izay nitady hamono an’i Ahasoerosy Mpanjaka.  Ary hoy ny mpanjaka: “Inona no voninahitra sy valisoa efa mba nomena an’i Mordekay noho izany?” Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka: “Mbola tsy nisy na inona na inona nomena azy.”+  Dia hoy ny mpanjaka: “Iza no ao an-tokotany ao?” Ary teo amin’ny tokotany+ ivelan’ny tranon’ny mpanjaka i Hamana tamin’izay. Tonga mantsy izy mba hangataka tamin’ny mpanjaka ny hanantonana an’i Mordekay teo amin’ilay tsato-kazo+ efa nomaniny ho azy.  Koa hoy ny mpanompon’ny mpanjaka: “I Hamana+ no mijoro ao an-tokotany ao.” Dia hoy ny mpanjaka: “Ampandrosoy izy.”  Rehefa niditra i Hamana, dia hoy ny mpanjaka taminy: “Inona no tokony hatao amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra?”+ Ary niteny anakampo i Hamana hoe: “Iza indray moa no tian’ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?”+  Koa hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Izao no aoka hatao amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra:  Aoka halaina ny akanjom-boninahitra+ fanaovan’ny mpanjaka, sy ny soavaly fitaingenan’ny mpanjaka,+ dia soavaly hasiana satroboninahitra,  ka hapetraka ho andraikitry ny andriana ambony iray ao amin’ny fanjakana.+ Dia hampanaovina an’ilay akanjo ilay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra, ary hampitaingenina an’ilay soavaly izy ka hoentina eny amin’ny tany malalaky+ ny tanàna.+ Ary hisy hiantsoantso eo alohany hoe: ‘Izao no atao amin’ny lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!’”+ 10  Avy hatrany dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: “Alaivo haingana ilay akanjo sy soavaly, araka ny teninao. Dia ataovy amin’i Mordekay Jiosy izay mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka izany teninao izany, ka aza atao misy latsaka na iray aza.”+ 11  Nalain’i Hamana ilay akanjo+ ka nampanaoviny an’i Mordekay,+ ary nalainy koa ilay soavaly. Dia nampitaingeniny an’ilay soavaly i Mordekay, ka nentiny teny amin’ny tany malalaky+ ny tanàna. Ary niantsoantso teo alohany izy+ hoe: “Izao no atao amin’ny lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.”+ 12  Niverina teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay taorian’izay.+ Fa i Hamana kosa nody haingana tany an-tranony, ary nalahelo mafy izy ka nosaronany ny lohany.+ 13  Ary notantarain’i Hamana tamin’i Zaresy+ vadiny sy ny namany rehetra ny zava-drehetra nanjo azy. Dia hoy ny olon-kendriny+ sy Zaresy vadiny: “Koa satria Jiosy i Mordekay, ary efa nanomboka lavo teo anatrehany ianao, dia tsy haharesy azy ianao fa tsy maintsy ho lavo eo anatrehany.”+ 14  Raha mbola teo am-piresahana izy ireo, dia tonga ny tandapan’ny mpanjaka mba haka haingana+ an’i Hamana ho any amin’ilay fanasana+ nataon’i Estera.

Fanamarihana