Estera 7:1-10

7  Ary lasa ny mpanjaka sy Hamana+ nankao amin’ilay fanasana nataon’i Estera vadin’ny mpanjaka.  Koa hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera, nandritra ny fotoana fandrosoana divay+ tamin’io andro faharoa io: “Inona no angatahinao,+ ry Estera vadin’ny mpanjaka ô? Fa homena anao izany!+ Ary inona no tadiavinao? Fa na hatramin’ny antsasaky ny fanjakana+ aza dia homena anao!”  Ary hoy ny navalin’i Estera vadin’ny mpanjaka: “Raha mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka ô, ary raha sitraky ny mpanjaka, dia ny hitsimbinana ny aiko+ no angatahiko ary ny hitsimbinana ny fireneko+ no tadiaviko.  Fa namidy izahay,+ dia izaho sy ny fireneko, mba haripaka sy hovonoina ary haringana.+ Raha mba namidy ho mpanompolahy+ sy mpanompovavy fotsiny mantsy izahay, dia ho nangina ihany aho, saingy hitondra fahavoazana ho an’ny mpanjaka koa izany loza izany, ka tsy tokony havela hitranga!”  Ary niteny tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka i Ahasoerosy Mpanjaka, hoe: “Iza no olona ho sahy hanao izany,+ ary aiza izany olona izany?”  Ary hoy i Estera: “Io Hamana ratsy fanahy io no rafy+ sy fahavalo!”+ Dia raiki-tahotra+ teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadiny i Hamana.  Ary nitsangana tamin-katezerana ny mpanjaka+ ka niala teo amin’ilay fanasana, dia nankany amin’ny zaridainan’ny lapa. Dia fantatr’i Hamana fa misy loza miandry azy+ avy amin’ny mpanjaka,+ ka nitsangana hitalaho tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka izy mba hitsimbinana ny ainy.+  Rehefa niverina avy tany amin’ny zaridainan’ny lapa ny mpanjaka ka nankao amin’ny trano nisy ilay fanasana,+ dia hitany niankohoka teo ambonin’ny fandriana+ nisy an’i Estera i Hamana. Dia hoy ny mpanjaka: “Tadiavinao hovetavetaina koa angaha ny vadin’ny mpanjaka, nefa izaho ato an-trano?” Raha vao tapitra ny tenin’ny mpanjaka,+ dia nosaronana ny tarehin’i Hamana.  Ary hoy i Harbona,+ tandapan’ny+ mpanjaka: “Misy tsato-kazo+ mirefy dimampolo hakiho mitsangana ao akaikin’ny tranon’i Hamana. Nasain’i Hamana natao izy io mba hanantonana an’i Mordekay izay nilaza zavatra nahasoa ny mpanjaka.”+ Dia hoy ny mpanjaka: “Ahantony eo amin’izany i Hamana.”+ 10  Koa nahantona teo amin’ilay tsato-kazo+ nomaniny ho an’i Mordekay i Hamana.+ Dia nitony ny fahatezeran’ny mpanjaka.

Fanamarihana