Estera 8:1-17

8  Tamin’iny andro iny, dia nomen’i Ahasoerosy Mpanjaka an’i Estera vadin’ny mpanjaka ny tranon’i Hamana,+ ilay nankahala ny Jiosy.+ Ary nankeo anatrehan’ny mpanjaka i Mordekay, satria efa nolazain’i Estera ny fifandraisan’izy mianaka.+  Dia nesorin’ny mpanjaka ny peratra fanombohan-kaseny+ izay efa nalainy teny amin’i Hamana, ka nomeny an’i Mordekay. Ary notendren’i Estera hiandraikitra ny tao an-tranon’i Hamana i Mordekay.+  Ary niteny teo anatrehan’ny mpanjaka indray i Estera, ka niankohoka teo an-tongony sady nitomany sy nitalaho+ famindram-po taminy, mba hanafoanana ny hasomparan’i+ Hamana Agagita sy ny teti-dratsiny+ hamelezana ny Jiosy.+  Koa notondroin’ny mpanjaka tamin’ilay tehina volamena+ i Estera ka nitsangana. Ary nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka izy,  ka niteny hoe: “Raha sitraky ny mpanjaka ka mahazo sitraka+ amin’ny mpanjaka aho, ary raha hitan’ny mpanjaka fa mety izao ka mahazo sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy taratasy+ hosoratana mba hanafoanana an’izay nosoratan’i Hamana zanak’i Hamedota Agagita,+ momba ny teti-dratsiny handringanana ny Jiosy+ any amin’ny faritany rehetra eran’ny fanjakana.+  Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?”  Dia hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka sy Mordekay Jiosy: “Efa nomeko an’i Estera ny tranon’i Hamana,+ ary izy kosa efa nahantona teo amin’ny tsato-kazo+ noho izy naninjitra ny tanany hamely ny Jiosy.  Koa aoka ianareo hanao taratasy mba hamonjena ny Jiosy, araka izay hitanareo fa mety. Ataovy amin’ny anaran’ny mpanjaka+ izany, ary tombohy amin’ny peratra fanombohan-kaseny. Tsy azo foanana mantsy izay efa nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka sy notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.”+  Ary ny mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka, dia nantsoina tamin’io andro fahatelo amby roapolon’ny volana fahatelo io, izany hoe ny volana Sivana. Ary izay rehetra nandidian’i Mordekay no nosoratana ho an’ny Jiosy sy ny lehibem-paritany+ sy ny governora ary ny mpifehy isam-paritany tany amin’ireo faritany fito amby roapolo amby zato, hatrany India ka hatrany Etiopia.+ Nosoratana araka ny fomba fanoratra+ ao amin’ny faritany tsirairay sy araka ny fitenin’ny+ firenena tsirairay izany, ary nosoratana ho an’ny Jiosy koa araka ny fomba fanoratr’izy ireo sy ny fiteniny.+ 10  Koa nosoratan’i Mordekay tamin’ny anaran’i Ahasoerosy Mpanjaka+ ilay taratasy sady notombohiny+ tamin’ny peratra fanombohan-kasen’ny mpanjaka,+ ka nampitondrainy an’ireo iraka mitaingina soavaly+ haingam-pandeha, fanaovana fanompoana ho an’ny mpanjaka. 11  Voalaza tao fa navelan’ny mpanjaka hifamory+ sy hiaro ny ainy ny Jiosy tany amin’ny tanàna rehetra, ka handripaka sy hamono ary handringana an’izay andian’olona mitam-piadiana any amin’ireo firenena+ sy faritany fahavalony, mbamin’ny zaza amam-behivavy, ary handroba ny fananan’ireny.+ 12  Navela hanao izany izy ireo any amin’ireo faritany manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka, amin’ilay andro iray,+ dia ny fahatelo ambin’ny folon’ny+ volana faharoa ambin’ny folo, izany hoe ny volana Adara.+ 13  Ary izay voasoratra tao amin’ilay taratasy,+ dia navoaka ho lalàna tany amin’ny faritany rehetra sy naely tany amin’ny firenena rehetra, mba hiomanan’ny Jiosy ho amin’io andro io ka hamaliany+ ny fahavalony. 14  Navoaka tao an-dapan’i Sosana+ koa ilay lalàna. Dia lasa ireo iraka+ mitaingina soavaly haingam-pandeha, fanaovana fanompoana ho an’ny mpanjaka, ka nasaina nandeha haingana sy niolomay+ noho ny tenin’ny mpanjaka. 15  Ary niala teo anatrehan’ny mpanjaka i Mordekay, nanao akanjom-boninahitra+ vita tamin’ny lamba manga sy lamba rongony. Nanao satroboninahitra volamena lehibe koa izy, sady nanao fitafiana ivelany tena tsara+ vita tamin’ny volonondry nolokoana volomparasy somary mena.+ Dia nihorakoraka sy faly be ny tao an-tanànan’i Sosana,+ 16  satria nisy tara-pahazavana sy fifaliana+ sy firavoravoana ary voninahitra ho an’ny Jiosy. 17  Ary nanerana an’ireo faritany sy ny tanàna rehetra nahatongavan’ny tenin’ny mpanjaka sy ny lalàny, dia nisy fifaliana sy firavoravoana ho an’ny Jiosy, eny, fanasambe+ sy andro mahafaly. Maro koa ny olona+ tao amin’ilay tany no nilaza ny tenany ho Jiosy,+ satria natahotra+ ny Jiosy izy ireo.

Fanamarihana