Estera 9:1-32

9  Dia tonga ny andro fahatelo ambin’ny folon’ny volana faharoa ambin’ny folo, izany hoe ny volana Adara.+ Tamin’io andro io no tokony hanatanterahana ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny,+ sady efa nandrasan’ny fahavalon’ny Jiosy mba hampahoriana azy ireo. Nivadika anefa ny rasa ka ny Jiosy indray no naharesy an’izay nankahala azy.+  Koa nifamory+ tany amin’ny tanànany avy ny Jiosy, tany amin’ireo faritany nanerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka,+ mba haninjitra ny tanany hamely an’izay nitady hanisy ratsy azy.+ Ary tsy nisy nahajoro teo anatrehan’ny Jiosy, satria natahotra+ azy ny firenena rehetra.  Ary nanampy an’ireo Jiosy avokoa ny mpifehy isam-paritany+ sy ny lehibem-paritany+ sy ny governora ary ny mpiandraikitra ny raharahan’ny+ mpanjaka, satria natahotra+ an’i Mordekay izy ireo.  Nitana toerana ambony+ tao an-dapan’ny mpanjaka mantsy i Mordekay, ary niely eran’ireo faritany ny lazany+ satria nihanisondrotra hatrany ralehilahy.+  Koa nasian’ny Jiosy tamin’ny sabatra ny fahavalony rehetra,+ ka novonoiny sy naringany. Dia nanao izay sitraky ny fony tamin’ireo nankahala azy izy ireo.+  Ary nandripaka olona tao an-dapan’i Sosana+ ny Jiosy, ka dimanjato lahy no matiny.  Novonoin’izy ireo koa i Parsandata sy Dalfona sy Aspata  sy Porata sy Adalia sy Aridata  sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata, 10  dia izy folo lahy zanak’i+ Hamana+ zanak’i Hamedota, ilay nankahala ny Jiosy.+ Tsy nandroba fananana+ anefa ny Jiosy. 11  Tamin’iny andro iny ihany, dia nolazaina tamin’ny mpanjaka ny isan’ny maty tao an-dapan’i Sosana. 12  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka:+ “Nandripaka olona teto an-dapan’i Sosana+ ny Jiosy, ka dimanjato lahy no matiny, ary maty koa ny zanak’i Hamana folo lahy. Mba nanao ahoana kosa àry ny tany amin’ireo faritany+ manerana ny fanjakana?+ Sao dia mbola misy zavatra angatahinao anefa? Fa homena anao izany!+ Ary inona no tadiavinao?+ Fa hotanterahina izany!” 13  Koa hoy i Estera: “Rahampitso, raha sitraky ny mpanjaka,+ dia aoka ny Jiosy eto Sosana havela hanao araka ny lalàna nampiharina androany.+ Ary aoka hahantona eo amin’ny tsato-kazo ny zanak’i Hamana folo lahy.”+ 14  Dia nasain’ny mpanjaka natao izany.+ Ary nisy lalàna navoaka tao Sosana, ka nahantona ny zanak’i Hamana folo lahy. 15  Dia nifamory indray ny Jiosy tao Sosana tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny+ volana Adara, ka nahafaty telonjato lahy tao. Tsy nandroba fananana anefa izy ireo.+ 16  Nifamory koa ny Jiosy sisa tany amin’ireo faritany+ nanerana ny fanjakana. Dia niaro ny ainy+ sy namaly faty+ an’ireo fahavalony izy ireo, ka nahafatesany dimy arivo sy fito alina ireo nankahala azy. Tsy nandroba fananana anefa izy ireo 17  tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folon’ny volana Adara. Ary nitsahatra izy ireo tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folo, ka nataony andro fanasambe+ sy fifaliana+ izany. 18  Fa ny Jiosy tao Sosana kosa nifamory tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folo+ sy fahefatra ambin’ny folo. Ary nitsahatra izy ireo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folo, ka nataony andro fanasambe sy fifaliana+ io andro io. 19  Koa ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana Adara+ no nataon’ny Jiosy tany amin’ireo tanàna ivelan’ny renivohitra, ho andro fifaliana+ sy fanasambe ary andro mahafaly+ hifanaterana sakafo.+ 20  Dia nosoratan’i Mordekay+ ireny zava-nitranga ireny. Ary nandefasany taratasy ny Jiosy rehetra tany amin’ireo faritany+ nanerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka, na ny lavitra na ny akaiky, 21  ka nodidiany+ hankalaza isan-taona ny andro fahefatra ambin’ny folo sy fahadimy ambin’ny folon’ny volana Adara. 22  Tamin’ireo andro ireo mantsy no afaka tamin’ny fahavalony ny Jiosy,+ ary tamin’io volana io no nanovana ny alahelony ho hafaliana, sy ny fahoriany+ ho andro mahafaly. Eny, nodidiany ny Jiosy hanao ireo andro ireo ho andro fanasambe sy fifaliana sy fifanaterana sakafo+ ary fanaterana fanomezana ho an’ny mahantra.+ 23  Dia neken’ny Jiosy ny hanao izay efa natombok’izy ireo sy izay nosoratan’i Mordekay taminy. 24  Efa nanao teti-dratsy handripahana ny Jiosy+ mantsy i Hamana+ zanak’i Hamedota+ Agagita,+ ilay nankahala+ ny Jiosy rehetra, sady nampanao ny Pora,+ na ny Antsapaka,+ mba hampisahotahana sy handripahana azy ireo. 25  Tamin’i Estera tonga teo anatrehan’ny mpanjaka anefa, dia namoaka izao didy natao an-tsoratra+ izao ny mpanjaka: “Aoka hatsingerina eo an-dohan’i Hamana ny teti-dratsiny+ hamelezana ny Jiosy.”+ Dia nahantona teo amin’ny tsato-kazo izy sy ny zanany lahy.+ 26  Koa nantsoina hoe Porima, avy tamin’ilay teny hoe Pora,+ ireo andro ireo. Ary izay rehetra voasoratra tao amin’ilay taratasy,+ sy izay hitan’ireo Jiosy sy nanjo azy, 27  no nahatonga azy ireo hanapa-kevitra sy hanaiky fa izy ireo sy ny taranany ary izay rehetra miaraka aminy+ dia tsy maintsy mankalaza foana ireo andro roa ireo, araka izay voasoratra momba izany sy araka ny fotoana voatondro isan-taona. 28  Ireo andro ireo dia tokony hotsarovana sy hankalazain’ny taranaka mifandimby sy ny fianakaviana tsirairay sy ny faritany tsirairay ary ny tanàna tsirairay. Tsy azo foanana eo amin’ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ary tsy tokony hitsahatra ny fahatsiarovana+ izany eo amin’ny taranany. 29  Dia nisy taratasy faharoa nosoratana momba ny Porima, ary nanoratra taratasy nanamafisana izany i Estera vadin’ny mpanjaka, zanak’i Abihaila,+ ary koa i Mordekay Jiosy. 30  Dia nandefasany taratasy nirakitra resaka momba ny fiadanana sy ny fahamarinana+ ny Jiosy rehetra tany amin’ny faritany+ fito amby roapolo amby zato, tao amin’ny fanjakan’i Ahasoerosy.+ 31  Nohamafisina tao amin’izany fa tokony hankalaza ny Porima amin’ny fotoana voatondro ny Jiosy rehetra sy ny taranany,+ araka izay nandidian’i+ Mordekay Jiosy sy Estera vadin’ny mpanjaka, sy araka ny fanapahan-kevitry ny Jiosy, ho fahatsiarovana ny fifadian-kanina+ sy ny antso vonjy+ nataon’izy ireo. 32  Koa nohamafisin’ny tenin’i Estera ireo zava-drehetra momba ny Porima+ ireo, ary nosoratana tao amin’ny boky.

Fanamarihana