Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokin’i Ezekiela

Toko

Topy Maso

  • 1

    • Nahita fahitana avy tamin’i Jehovah i Ezekiela tany Babylona (1-3)

    • Fahitana momba ny kalesin’i Jehovah any an-danitra (4-28)

      • Rivo-mahery, rahona, ary afo (4)

      • Zavamananaina efatra (5-14)

      • Kodiarana efatra (15-21)

      • Zavatra fisaka nanjelanjelatra toy ny ranomandry (22-24)

      • Seza fiandrianan’i Jehovah (25-28)

  • 2

    • Voatendry ho mpaminany i Ezekiela (1-10)

      • “Na hihaino izy ireo na tsy hihaino” (5)

      • Nampisehoana horonam-boky nisy hira fisaonana (9, 10)

  • 3

    • Nasaina nihinana an’ilay horonam-boky i Ezekiela (1-15)

    • Notendrena ho mpitily i Ezekiela (16-27)

      • Raha tsy mampitandrina dia lasa tompon’andraikitra amin’ny ra (18-21)

  • 4

    • Naseho ny fomba hanaovana fahirano an’i Jerosalema (1-17)

      • Nitondra fahadisoana nandritra ny 390 andro sy 40 andro (4-7)

  • 5

    • Naseho ny faharavan’i Jerosalema (1-17)

      • Nozaraina telo ny volon’ilay mpaminany avy nokakasana (1-4)

      • Maditra kokoa noho ireo firenena i Jerosalema (7-9)

      • Sazy telo hampiharina amin’ireo mpikomy (12)

  • 6

    • Loza hanjo an’ireo tendrombohitr’i Israely (1-14)

      • Hopotipotehina ny sampy (4-6)

      • “Tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah” (7)

  • 7

    • Tonga ny farany (1-27)

      • Loza mbola tsy nisy hoatr’izany (5)

      • Hatsipy eny an-dalana ny vola (19)

      • Hozimbazimbaina ny tempoly (22)

  • 8

    • Nentina tany Jerosalema tao anatin’ny fahitana i Ezekiela (1-4)

    • Zavatra maharikoriko hita tao amin’ny tempoly (5-18)

      • Vehivavy nitomany an’i Tamoza (14)

      • Lehilahy nivavaka tamin’ny masoandro (16)

  • 9

    • Mpandringana enina sy lehilahy iray nanisy marika (1-11)

      • Natomboka tao amin’ny toerana masina ny fandringanana (6)

  • 10

    • Afo nalaina avy teo anelanelan’ireo kodiarana (1-8)

    • Kerobima sy kodiarana (9-17)

    • Niala tao amin’ny tempoly ny voninahitr’i Jehovah (18-22)

  • 11

    • Nomelohina ireo andriana ratsy fanahy (1-13)

      • Oharina amin’ny vilany ilay tanàna (3-12)

    • Haverina any amin’ny taniny ny vahoaka (14-21)

      • Homena “toe-tsaina vaovao” (19)

    • Niala tao Jerosalema ny voninahitr’i Jehovah (22, 23)

    • Niverina tany Kaldea i Ezekiela, tao anatin’ny fahitana (24, 25)

  • 12

    • Hatao sesitany ny mponina ao Jerosalema (1-20)

      • Entan’ny olona hatao sesitany (1-7)

      • Hiainga ny mpiadidy rehefa maizina ny andro (8-16)

      • Mofo sy tebiteby, rano sy horohoro (17-20)

    • Hita hoe diso ilay ohabolana (21-28)

      • ‘Tsy hisy hihemotra ny teniko’ (28)

  • 13

    • Hahita loza ireo mpaminany sandoka (1-16)

      • Hirodana ny rindrina nasiana lalotra fotsy (10-12)

    • Hahita loza ireo mpaminanivavy sandoka (17-23)

  • 14

    • Nomelohina ireo mpanompo sampy (1-11)

    • Tsy maintsy ho tanteraka ny fanamelohana an’i Jerosalema (12-23)

      • Olo-marina i Noa, Daniela, ary Joba (14, 20)

  • 15

    • Voaloboka tsy misy ilana azy i Jerosalema (1-8)

  • 16

    • Fitiavan’i Jehovah an’i Jerosalema (1-63)

      • Zaza nariana (1-7)

      • Nasian’Andriamanitra firavaka sy nanaovany fifanekena (8-14)

      • Nivadika i Jerosalema (15-34)

      • Hofaizina satria nanitsakitsa-bady (35-43)

      • Ratsy kokoa noho i Samaria sy Sodoma (44-58)

      • Hahatsiaro an’ilay fifanekena nataony i Jehovah (59-63)

  • 17

    • Ankamantatra: Voromahery roa sy voaloboka (1-21)

    • Laingony lasa hazo sedera lehibe (22-24)

  • 18

    • Samy tompon’andraikitra amin’ny fahotany ny tsirairay (1-32)

      • Izay olona manota no ho faty (4)

      • Tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny rainy ny zanaka (19, 20)

      • ‘Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy’ (23)

      • Ho velona izay mibebaka (27, 28)

  • 19

    • Hira fisaonana an’ireo mpiadidy (1-14)

  • 20

    • Nikomy foana ny Israely (1-32)

    • Haverina any amin’ny taniny ny Israely (33-44)

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo ny faritra atsimo (45-49)

  • 21

    • Hotsoahana avy ao anaty tranony ny sabatr’i Jehovah (1-17)

    • Hanafika an’i Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona (18-24)

    • Hesorina ilay ratsy fanahy mpiadidy ny Israely (25-27)

      • “Tsoahy ny satroboninahitra” (26)

      • “Mandra-pahatongan’ilay manana zo ara-dalàna” (27)

    • Sabatra handripahana ny Amonita (28-32)

  • 22

    • Jerosalema, ilay tanàna mpandatsa-dra (1-16)

    • Hoatran’ny tain-drendrika tsy misy ilana azy ny Israely (17-22)

    • Nomelohina ny mpitondra sy ny vahoakan’Israely (23-31)

  • 23

    • Mpirahavavy lasa nanitsakitsa-bady (1-49)

      • Niaraka tamin’i Asyria i Ohola (5-10)

      • Niaraka tamin’i Babylona sy Ejipta i Oholiba (11-35)

      • Sazin’izy mirahavavy (36-49)

  • 24

    • Hoatran’ny vilany harafesenina i Jerosalema (1-14)

    • Famantarana ilay hoe maty ny vadin’i Ezekiela (15-27)

  • 25

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo ny Amonita (1-7)

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo an’i Moaba (8-11)

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo an’i Edoma (12-14)

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo ny Filistinina (15-17)

  • 26

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo an’i Tyro (1-21)

      • “Toerana fanahazana harato” (5, 14)

      • Hatsipy any anaty rano ny vato sy ny vovoka (12)

  • 27

    • Hira fisaonana ny sambon’i Tyro (1-36)

  • 28

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo ny mpanjakan’i Tyro (1-10)

      • ‘Miteny ianao hoe “andriamanitra aho”’ (2, 9)

    • Hira fisaonana an’ilay mpanjakan’i Tyro (11-19)

      • ‘Tao Edena ianao’ (13)

      • ‘Kerobima voahosotra sady mpiaro’ (14)

      • ‘Hita hoe nanao ratsy ianao’ (15)

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo an’i Sidona (20-24)

    • Haverina any amin’ny taniny ny Israely (25, 26)

  • 29

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo an’i Farao (1-16)

    • Homena ho karaman’i Babylona i Ejipta (17-21)

  • 30

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo an’i Ejipta (1-19)

      • Hanafika i Nebokadnezara (10)

    • Hotapahina ny sandrin’i Farao (20-26)

  • 31

    • Hianjera i Ejipta, ilay sedera avo be (1-18)

  • 32

    • Hira fisaonana an’i Farao sy Ejipta (1-16)

    • Halevina miaraka amin’ny tsy mifora i Ejipta (17-32)

  • 33

    • Andraikitry ny mpitily (1-20)

    • Vaovao hoe rava i Jerosalema (21, 22)

    • Hafatra ho an’ny mponin’ireo tanàna rava (23-29)

    • Tsy hanaraka an’izay lazaina aminy ny olona (30-33)

      • ‘Hoatran’ny olona manao hiram-pitiavana’ i Ezekiela (32)

      • “Efa nisy mpaminany teo aminy” (33)

  • 34

    • Hisy loza hanjo an’ireo mpiandry ondry eo amin’ny Israely (1-10)

    • Hokarakarain’i Jehovah ny ondriny (11-31)

      • “I Davida mpanompoko” no ho mpiandry azy ireo (23)

      • “Fifanekem-pihavanana” (25)

  • 35

    • Faminaniana hoe hisy loza hanjo ny tendrombohitr’i Seira (1-15)

  • 36

    • Faminaniana momba ny tendrombohitr’i Israely (1-15)

    • Haverina any amin’ny taniny ny Israely (16-38)

      • “Hohamasiniko ny anarako be voninahitra” (23)

      • “Hoatran’ny zaridainan’i Edena” (35)

  • 37

    • Fahitana momba an’ilay tany lemaka feno taolam-paty (1-14)

    • Tapa-kazo roa hakambana (15-28)

      • Mpanjaka iray hitondra firenena iray (22)

      • Fifanekem-pihavanana mandrakizay (26)

  • 38

    • Hanafika ny Israely i Goga (1-16)

    • Ho tezitra amin’i Goga i Jehovah (17-23)

      • ‘Tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah’ (23)

  • 39

    • Haringana i Goga sy ny miaramilany (1-10)

    • Halevina ao amin’ny Lohasahan’i Hamona-goga (11-20)

    • Haverina any amin’ny taniny ny Israely (21-29)

      • Handatsaka ny fanahiny amin’ny Israely i Jehovah (29)

  • 40

    • Nentina tany Israely i Ezekiela, tao anatin’ny fahitana (1, 2)

    • Nahita tempoly i Ezekiela, tao anatin’ny fahitana (3, 4)

    • Tokotany sy vavahady (5-47)

      • Vavahady mitodika miantsinanana (6-16)

      • Tokotany ivelany; vavahady hafa (17-26)

      • Tokotany anatiny sy ny vavahady tao (27-37)

      • Efitra fisakafoana tao amin’ny tempoly (38-46)

      • Alitara (47)

    • Lala-mitafon’ilay tempoly (48, 49)

  • 41

    • Ny Masina tao amin’ny tempoly (1-4)

    • Ny rindrina sy ireo efitrefitra nanodidina (5-11)

    • Tranobe teo andrefana (12)

    • Norefesina ireo trano (13-15a)

    • Ny tao anatin’ny Masina (15b-26)

  • 42

    • Fitambaran-trano feno efitra fisakafoana (1-14)

    • Norefesina ireo ilany efatra amin’ilay tempoly (15-20)

  • 43

    • Feno ny voninahitr’i Jehovah ilay tempoly (1-12)

    • Alitara (13-27)

  • 44

    • Hihidy foana ny vavahady mitodika miantsinanana (1-3)

    • Fitsipika momba ny hafa firenena (4-9)

    • Fitsipika ho an’ny Levita sy ny mpisorona (10-31)

  • 45

    • Ny fanomezana masina sy ilay tanàna (1-6)

    • Ny anjaran’ny mpiadidy (7, 8)

    • Tokony hanao ny marina ny mpiadidy (9-12)

    • Fanomezana ataon’ny vahoaka sy andraikitry ny mpiadidy (13-25)

  • 46

    • Fanatitra atao amin’ny fotoana sasany (1-15)

    • Tanin’ny mpiadidy homeny ho lova (16-18)

    • Toerana hampangotrahana ny fanatitra (19-24)

  • 47

    • Renirano nikoriana avy teo amin’ny tempoly (1-12)

      • Nihalalina ilay rano (2-5)

      • Ho sitrana ny Ranomasina Maty (8-10)

      • Tsy ho sitrana ny honahona (11)

      • Hazo fihinam-boa sy fanasitranana (12)

    • Faritr’ilay tany (13-23)

  • 48

    • Fizarana an’ilay tany (1-29)

    • Misy vavahady 12 ilay tanàna (30-35)

      • Anaran’ilay tanàna: “I Jehovah no Ao” (35)