Ezekiela 1:1-28

  • Nahita fahitana avy tamin’i Jehovah i Ezekiela tany Babylona (1-3)

  • Fahitana momba ny kalesin’i Jehovah any an-danitra (4-28)

    • Rivo-mahery, rahona, ary afo (4)

    • Zavamananaina efatra (5-14)

    • Kodiarana efatra (15-21)

    • Zavatra fisaka nanjelanjelatra toy ny ranomandry (22-24)

    • Seza fiandrianan’i Jehovah (25-28)

1  Tamin’ny andro fahadimin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona faha-30, dia nisokatra ny lanitra ka nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra* aho. Niaraka tamin’ireo olona natao sesitany,+ teo amoron’ny reniranon’i Kebara,+ aho tamin’izay. 2  Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, izany hoe tamin’ny taona fahadimy nanaovana sesitany an’i Joiakina Mpanjaka,+ 3  dia nampita ny teniny tamin’i Ezekiela* zanak’i Bozy mpisorona i Jehovah, teo amoron’ny reniranon’i Kebara, tany amin’ny tanin’ny Kaldeanina.+ Teo no niasa taminy ny herin’i* Jehovah.+ 4  Tamin’izaho mbola nijery iny, dia nahita rivo-mahery+ avy any avaratra, sy rahona matevina, ary afo mitselatselatra be*+ voahodidin’ny hazavana mamirapiratra. Ary nisy zavatra namirapiratra hoatran’ny metaly manjelatra,* avy teo afovoan’ilay afo.+ 5  Nisy hoatran’ny zavamananaina efatra+ tao anatin’ilay izy, ka samy hoatran’ny bikabikan’olombelona no fahitana azy. 6  Samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra izy ireo.+ 7  Mahitsy ny tongotr’izy ireo, ary mitovy amin’ny kitron’ny zanak’omby ny faladiany. Namirapiratra toy ny varahina nokosehina hangirana koa ny tongony.+ 8  Samy nanana tanan’olona izy ireo teo ambanin’ny elany, teo amin’ny lafiny efatra. Ary samy nanana tarehy sy elatra izy efatra. 9  Nifampikasika ny elatr’izy ireo. Tsy nitodika mihitsy izy ireo rehefa nandeha, fa samy nandeha mahitsy.+ 10  Hoatr’izao ny tarehin’izy efatra: Tarehin’olona no teo anoloana, tarehin-diona+ no teo ankavanana, tarehin’omby+ no teo ankavia, ary tarehim-boromahery+ no tao aoriana. 11  Hoatr’izany no fahitana ny tarehiny. Nivelatra niakatra teo amboniny ny elany. Samy nanana elatra roa nifampikasika sy elatra roa hafa nanarona ny vatany izy ireo.+ 12  Samy nandeha mahitsy izy ireo, ka nandeha tany amin’izay tian’ny fanahy halehany.+ Tsy nitodika mihitsy izy ireo rehefa nandeha. 13  Mitovy amin’ny vainafo mirehitra no fahitana an’ireo zavamananaina ireo. Nisy hoatran’ny fanilo mirehitra afo mazava be, nivezivezy teo anelanelan’izy ireo, ary nisy tselatra nanjelanjelatra avy tao amin’ilay afo.+ 14  Hoatran’ny tselatra ny fandehan’ireo zavamananaina, rehefa nandeha nandroso sy niverina izy ireo. 15  Tamin’izaho mbola nijery an’ireo zavamananaina ireo, dia nahita kodiarana iray teo amin’ny tany aho, teo akaikin’ny zavamananaina tsirairay manana tarehy efatra.+ 16  Namirapiratra toy ny krizolita no fahitana an’ireo kodiarana ireo, ary nitovy daholo izy efatra. Hoatran’ny kodiarana ao anaty kodiarana* no fahitana an’ireo sy ny bikabikany. 17  Rehefa nandeha ireo, dia afaka nandroso na nihemotra na niankavia na niankavanana, nefa tsy nila nivily teny am-pandehanana. 18  Avo be ireo kodiarana ka tena nahavariana sady nampahatahotra. Ary feno maso ny ivelany amin’ireo kodiarana efatra.+ 19  Rehefa nandeha ireo zavamananaina, dia nandeha koa ny kodiarana. Ary rehefa niakatra niala tamin’ny tany ireo zavamananaina ireo, dia niakatra koa ny kodiarana.+ 20  Tany amin’izay nitarihan’ny fanahy azy no nandehanan’izy ireo, tany amin’izay nandehanan’ny fanahy. Dia niara-niakatra tamin’izy ireo ny kodiarana, satria ilay fanahy izay niasa tao amin’ireo zavamananaina* ihany no tao amin’ireo kodiarana ireo. 21  Rehefa nandeha izy ireo, dia nandeha koa ny kodiarana. Rehefa nijanona izy ireo, dia nijanona koa ny kodiarana. Ary rehefa niakatra niala tamin’ny tany izy ireo, dia niara-niakatra tamin’izy ireo koa ny kodiarana, satria ilay fanahy izay niasa tao amin’ireo zavamananaina ihany no tao amin’ireo kodiarana ireo. 22  Nisy hoatran’ny zavatra fisaka nivelatra be teny ambony lohan’ireo zavamananaina ireo. Nanjelanjelatra toy ny ranomandry ilay izy, sady nampitolagaga.+ 23  Nitsangana* sy nifampikasika ny elatr’izy ireo, teo ambanin’io zavatra fisaka io. Samy nanana elatra roa nanarona ny ilan’ny vatany izy ireo, ary elatra roa hafa nanarona ny ilany iray. 24  Hoatran’ny feon’ny rano be misasasasa ny fahenoako ny feon’ny elany, hoatran’ny feon’Ilay Mahery Indrindra.+ Rehefa nandeha izy ireo, dia toy ny feon’ny tafika ny fahenoana azy. Rehefa nijanona izy ireo, dia nampidininy ny elany. 25  Nisy feo heno tao ambonin’ilay zavatra fisaka teny ambony lohan’izy ireo. Rehefa nijanona izy ireo, dia nampidininy ny elany. 26  Teo ambonin’ilay zavatra fisaka teny ambony lohan’izy ireo, dia nisy zavatra toy ny vato safira,+ ary hoatran’ny seza fiandrianana+ ilay izy. Nisy nipetraka teo amin’ilay seza fiandrianana terỳ ambony, ary hoatran’ny olona no fahitana azy.+ 27  Dia nahita zavatra namirapiratra hoatran’ny metaly manjelatra+ sy hoatran’ny afo aho, avy eo amin’ilay hoatran’ny andilany no ho miakatra. Avy eo amin’ny andilany no ho midina indray, dia zavatra mitovy amin’ny afo+ no tazako. Ary nisy hazavana be nanodidina azy, 28  hoatran’ny hazavan’ny avana+ eny amin’ny rahona rehefa avy ny orana. Sahala amin’izany no fahitana an’ilay hazavana namirapiratra nanodidina azy. Hoatran’ny voninahitr’i Jehovah+ no fahitana an’ilay izy. Rehefa nahita an’izany aho, dia niankohoka, ary nanomboka naheno feon’olona niteny.

Fanamarihana

Na: “fahitana momba an’Andriamanitra.”
Midika hoe “Manatanjaka Andriamanitra.”
Abt: “tanan’i.”
Volamena sy volafotsy mifangaro sady manjelatra.
Na: “ary tselatra.”
Mety hoe mifanapaka eo afovoany ireo kodiarana, ka manome zoro mahitsy.
Abt: “ilay fanahin’ny zavamananaina.”
Na mety hoe “Nivelatra nahitsy.”