Ezekiela 10:1-22

10  Ary mbola nijery aho, ka io fa nisy zavatra toy ny vato safira+ teo ambonin’ilay zavatra fisaka+ terỳ ambony lohan’ny kerobima. Toy ny seza fiandrianana+ nipoitra terỳ ambonin’izy ireo no fahitako azy io.  Dia hoy izy tamin’ilay lehilahy nanao akanjo rongony:+ “Midira eo anelanelan’ireo kodiarana mihodinkodina,+ eo ambanin’ireo kerobima, ary fenoy vainafo+ avy eo anelanelan’ireo kerobima ny felatananao roa ka atsipazo ao an-tanàna.”+ Koa niditra teo imasoko izy.  Nijoro teo ankavanan’ilay trano ireo kerobima rehefa niditra ilay lehilahy, ary feno rahona ny tokotany anatiny.+  Ary niakatra niala teo amin’ireo kerobima ny voninahitr’i Jehovah+ ka nankeo amin’ny tokonan’ilay trano. Dia nihafeno rahona ilay trano,+ ary ny tokotany kosa feno ny famirapiratan’ny voninahitr’i Jehovah.  Re hatreny amin’ny tokotany ivelany ny feon’ny elatr’ireo kerobima,+ toy ny feon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra rehefa miteny.+  Rehefa nanome baiko an’ilay lehilahy nanao akanjo rongony izy hoe: “Makà afo avy eo anelanelan’ireo kodiarana mihodinkodina, eo anelanelan’ireo kerobima”, dia niditra ilay lehilahy ka nijoro teo anilan’ny kodiarana.  Ary nisy kerobima nanatsotra ny tanany avy teo anelanelan’ireo kerobima mba haka afo,+ izay teo anelanelan’ireo kerobima,+ ka nitondra izany ary nametraka izany teo amin’ny felatanan’ilay lehilahy nanao akanjo rongony.+ Dia noraisin’ilay lehilahy izany, ary lasa izy nivoaka.  Ary hita fa nisy hoatran’ny tanan’olombelona teo ambany elatr’ireo kerobima.+  Ary mbola nijery aho ka hitako fa nisy kodiarana efatra teo anilan’ireo kerobima. Samy nisy kodiarana iray teo anilan’ny kerobima tsirairay.+ Namirapiratra tahaka ny vato krizolita ny fahitako an’ireo kodiarana. 10  Nitovy daholo ny fahitana azy efatra, toy ny kodiarana ao anaty kodiarana.+ 11  Rehefa nandeha izy ireo, dia afaka nandeha tamin’izay hitsin’ny lafiny efatra, nefa tsy nila nivily. Tany amin’izay natrehin’ny lohan’ny kerobima mantsy no nandehanany, fa tsy nila nivily izy ireo rehefa nandeha.+ 12  Feno maso daholo ny tenany manontolo sy ny lamosiny sy ny tanany sy ny elany, mbamin’ireo kodiarana.+ Samy nanana ny kodiarany avy izy efatra. 13  Ary reko nisy niantso an’ireo kodiarana hoe: “Ry kodiarana mihodinkodina ô!” 14  Samy nanana tarehy efatra izy tsirairay:+ Toy ny tarehin’ny kerobima ilay tarehy voalohany, toy ny tarehin’olombelona ilay faharoa,+ toy ny tarehin’ny liona ilay fahatelo, ary toy ny tarehin’ny voromahery ilay fahefatra.+ 15  Ary niakatra ireo kerobima.+ Zavamananaina efa hitako teo amoron’ny reniranon’i Kebara+ ihany ireo. 16  Rehefa nandeha ireo kerobima, dia nandeha teo anilany koa ireo kodiarana.+ Ary rehefa nanainga ny elany hiakatra avo ambonin’ny tany ireo kerobima, dia tsy nila nivily ireo kodiarana sady tsy niala teo anilan’izy ireo.+ 17  Rehefa nijanona ireo, dia nijanona koa ny kodiarana, ary rehefa niakatra ireo,+ dia niakatra koa ny kodiarana, satria tao amin’ny kodiarana ihany koa ilay fanahy tao amin’ny zavamananaina. 18  Ary niala teo ambonin’ny tokonan’ilay trano ny voninahitr’i+ Jehovah ka nijanona terỳ ambonin’ny kerobima.+ 19  Dia nanainga ny elany ny kerobima ka niakatra niala tamin’ny tany,+ teo imasoko. Rehefa nandeha izy ireo, dia teo anilany koa ny kodiarana. Nijoro teo amin’ilay fidirana amin’ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah izy ireo, teo amin’ilay fidirana teo atsinanana. Ary terỳ ambonin’izy ireo ny voninahitr’ilay Andriamanitry ny Israely. 20  Ireo zavamananaina+ ireo ihany ilay hitako teo ambanin’ilay Andriamanitry ny Israely, teo amoron’ny reniranon’i Kebara.+ Koa fantatro fa kerobima izy ireo. 21  Samy nanana tarehy efatra+ sy elatra efatra izy efatra. Ary nisy hoatran’ny tanan’olombelona tao ambany elany. 22  Tena nitovy tamin’ireo endrika efa hitako teo amoron’ny reniranon’i Kebara ny fahitako ny endriny.+ Ary samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ny tsirairay taminy.+

Fanamarihana