Ezekiela 11:1-25

11  Ary nisy fanahy+ nanainga ahy+ ka nitondra ahy tany amin’ilay vavahady atsinanana amin’ny tranon’i Jehovah, izay mitodika miantsinanana.+ Ary hitako fa nisy lehilahy dimy amby roapolo teo amin’ny fidirana amin’ilay vavahady,+ ary anisan’izy ireo i Jazania zanak’i Azora sy Pelatia zanak’i Benaia. Andrianan’ny vahoaka+ daholo izy ireo.  Dia hoy Andriamanitra tamiko: “Ry zanak’olona, ireo lehilahy ireo no mitetika hanisy ratsy sy manolo-kevi-dratsy hahavoa an’ity tanàna ity,+  ka manao hoe: ‘Tsy efa kely ve sisa dia hanomboka ny fanaovan-trano?+ Ity tanàna ity no vilanibe+ ary isika no hena.’  “Koa maminania ny amin’ny loza hanjo azy ireo. Eny, maminania, ry zanak’olona.”+  Dia nilatsaka tamiko ny fanahin’i* Jehovah,+ ka hoy izy tamiko: “Lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah:+ “Marina ny voalazanareo, ry taranak’Israely, ary fantatro+ ny ao an-tsainareo.  Maro be no novonoinareo tao amin’io tanàna io, ka nofenoinareo fatin’olona ny lalambe ao.”’”+  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ireo olona novonoinareo tao no hena,+ ary ilay tanàna no vilanibe.+ Fa ianareo kosa havoaka avy ao.’”+  “‘Natahotra sabatra ianareo,+ nefa sabatra mihitsy no hoentiko hamely anareo’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+  ‘Havoakako avy ao tokoa ianareo, ka hatolotro eo an-tanan’ny hafa firenena.+ Ary hampihariko aminareo ny didim-pitsarako.+ 10  Ho lavon-tsabatra ianareo.+ Ary eo amin’ny sisin-tanin’i Israely+ no hitsarako anareo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.+ 11  Tsy ho vilanibe+ ho anareo io tanàna io ary tsy ho hena ao anatiny ianareo. Ary eo amin’ny sisin-tanin’i Israely no hitsarako anareo. 12  Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, satria tsy nanaraka ny fitsipiko ianareo ary tsy nanatanteraka ny didim-pitsarako,+ fa ny didim-pitsaran’ireo firenena manodidina anareo indray no notanterahinareo.’”+ 13  Raha vao avy naminany aho, dia maty i Pelatia zanak’i Benaia.+ Koa niankohoka aho ka nitalaho mafy+ hoe: “Indrisy, Jehovah Tompo Fara Tampony ô,+ dia haripakao ve ny sisa amin’ny Israely?”+ 14  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 15  “Ry zanak’olona, ny rahalahinao,+ eny, ny rahalahinao, izany hoe ireo olona maniry hiaro ny zonao hanavotra ny lovanao, mbamin’ny taranak’Israely manontolo, eny, izy rehetra mihitsy, no nilazan’ny mponin’i Jerosalema hoe: ‘Manalavira an’i Jehovah! Anay ity tany ity! Efa nomena ho fanananay ity.’+ 16  Koa lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Na dia nalefako lavitra any amin’ireo firenena aza izy ireo, ary naparitako any amin’ny tany samy hafa,+ dia ho toerana masina ho azy ireo vetivety aho, any amin’izay tany nalehany.”’+ 17  “Koa lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hangoniko avy any amin’ireo firenena koa ianareo ary hovoriko avy any amin’ireo tany nanaparitahako anareo, ka homeko anareo ny tanin’ny Israely.+ 18  Dia ho tonga any tokoa izy ireo, ka hesoriny daholo ny zava-maharikoriko sy ny zava-mahatsiravina rehetra any.+ 19  Fo iray no homeko azy ireo,+ ary toe-tsaina vaovao no hataoko ao anatiny.+ Hesoriko ao aminy ny fo vato,+ ary fo nofo no homeko azy,+ 20  mba hitandremany ny lalàko sy hanajany ny didim-pitsarako ka hanatanterahany izany.+ Dia ho oloko tokoa izy ireo,+ ary izaho ho Andriamaniny.”’+ 21  “‘“Fa izay manana fo mifikitra amin’ny zava-maharikoriko sy ny zava-mahatsiravina fanaony kosa,+ dia hatsingeriko eo an-dohany ny nataony”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’”+ 22  Dia nanainga ny elany ny kerobima,+ ary teo anilany ireo kodiarana.+ Ary terỳ ambonin’izy ireo+ ny voninahitr’ilay+ Andriamanitry ny Israely. 23  Dia niakatra niala teo amin’ilay tanàna ny voninahitr’i Jehovah,+ ka nijanona terỳ ambonin’ilay tendrombohitra+ atsinanan’ny tanàna.+ 24  Ary nisy fanahy+ nanainga ahy+ ka nitondra ahy tany Kaldea, tany amin’ireo olona natao sesitany.+ Tao anatin’ny fahitana, tamin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra, no nahitako izany. Dia niakatra niala tamiko ilay fahitana hitako. 25  Ary nolazaiko tamin’ireo olona natao sesitany ny zava-drehetra nasehon’i Jehovah tamiko.+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.