Ezekiela 12:1-28

12  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, eo anivon’ny taranaka mpikomy+ no misy anao. Mana-maso hijerena izy ireo nefa tsy mahita,+ ary manan-tsofina hihainoana nefa tsy mandre,+ fa taranaka mpikomy+ izy.  Koa manamboara entana ianao, ry zanak’olona, hoatran’ny hoe hatao sesitany. Dia mandehana any an-tsesitany amin’ny andro antoandro, eo imason’izy ireo, ka mialà eo amin’izay misy anao, mba ho any an-tsesitany any an-toeran-kafa. Ary ataovy eo imason’izy ireo izany. Angamba mba ho tonga saina izy ireo, na dia taranaka mpikomy+ aza.  Koa ento mivoaka ny entanao, toy ny entan’olona hatao sesitany. Ataovy amin’ny andro antoandro sy eo imason’izy ireo izany. Hanainga eo imason’izy ireo ianao rehefa harivariva, toy ny olona hatao sesitany.+  “Loahy eo imason’izy ireo ny rindrina ka avy eo no amoahanao ny entanao.+  Ataovy eo an-tsorokao, eo imason’izy ireo, ilay entana ka ento mivoaka rehefa maizina ny andro. Ary saròny ny tarehinao mba tsy hahitanao ny tany, satria nataoko fambara+ ho an’ny taranak’Israely ianao.”+  Koa nataoko izay nandidiana ahy,+ ka nentiko nivoaka tamin’ny andro antoandro ny entako, toy ny entan’olona hatao sesitany. Rehefa harivariva, dia noloahako tamin’ny tanako ny rindrina. Ary avy teo no namoahako ny entako, rehefa maizina ny andro. Nataoko teo an-tsoroko ilay izy, teo imason’izy ireo.  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah, rehefa maraina, nanao hoe:  “Ry zanak’olona, tsy nanontany anao ve ny taranak’Israely, izay taranaka mpikomy,+ hoe: ‘Inona ity ataonao?’ 10  Koa izao lazaina aminy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Misy fanambarana ho an’ilay mpiadidy,+ ary fanamelohana ho an’i Jerosalema sy ny taranak’Israely rehetra izay monina ao.”’ 11  “Koa lazao hoe: ‘Fambara+ ho anareo aho. Ireny nataoko ireny no hatao amin’izy ireo. Hatao sesitany sy hobaboina tokoa izy ireo.+ 12  Ilay mpiadidy eo amin’izy ireo dia hitondra ny entany eo an-tsorony rehefa maizina ny andro, ka hanainga. Ary hogorobahan’ny olona ny manda mba hamoahan’izy ireo ny entany.+ Hosaronan’ilay mpiadidy ny tarehiny mba tsy hahita ny tany ny masony.’ 13  Dia hovelariko hanarona azy ny haratoko, ka ho tratran’ilay fandrika harato+ izy. Ary hoentiko any Babylona, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy,+ nefa tsy hahita an’ilay tany. Any izy no ho faty.+ 14  Haeliko any amin’ny vazan-tany efatra ny olona rehetra manodidina azy, izay mpanohana azy, mbamin’ny miaramilany rehetra.+ Ary hanatsoaka sabatra aho hamelezana azy ireo.+ 15  Dia tsy maintsy ho fantatr’izy ireo fa izaho no Jehovah rehefa haparitako any amin’ireo firenena izy ireo, ka haeliko any amin’ny tany samy hafa.+ 16  Havelako hisy vitsivitsy hiangana ihany anefa amin’izy ireo, dia ireo sisa tsy matin’ny sabatra+ sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Amin’izay ireny dia ho afaka hitantara any amin’ireo firenena handehanany,+ ny zava-maharikoriko+ rehetra nataony. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.” 17  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 18  “Ry zanak’olona, hano amin-kovitra ny mofonao, ary sotroy amin’ahiahy sy tebiteby ny ranonao.+ 19  Ary lazao amin’ny vahoaka hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony amin’ny mponin’i Jerosalema, izay any amin’ny tanin’ny Israely:+ “Ao anatin’ny tebiteby no hihinanany mofo, ary ao anatin’ny horohoro no hisotroany rano, satria ho lao ny taniny ary ho fongana izay rehetra ao,+ noho ny herisetran’ny mponina rehetra ao.+ 20  Ho rava ireo tanàna misy mponina,+ ary ho lao tanteraka ny tany.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.”’”+ 21  Mbola tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 22  “Ry zanak’olona, inona indray izany fitenenana malaza eo amin’ny tanin’ny Israely izany?+ Hoy mantsy izy ireo: ‘Mandeha ihany ny fotoana,+ nefa tsy misy tanteraka akory ny fahitana!’+ 23  Koa lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hatsahatro izany fitenenana izany, ka tsy hisy hiteny izany intsony ao Israely.”’+ Lazao amin’izy ireo kosa hoe: ‘Efa akaiky ny fotoana+ sy ny fahatanterahan’ny fahitana rehetra.’ 24  Fa ho foana tsy hisy eo amin’ny taranak’Israely ny fahitana tsy misy dikany+ sy ny sikidy mamitaka.+ 25  ‘“Fa izaho Jehovah no hilaza izay tiako holazaina, ka ho tanteraka izany.+ Tsy hisy hataka andro intsony,+ satria hilaza zavatra aho amin’izao andronareo+ izao ka hotanterahiko tokoa izany, ry taranaka mpikomy ô!”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’” 26  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 27  “Ry zanak’olona, milaza ny taranak’Israely hoe: ‘Any aoriana any vao ho tanteraka ny fahitany, ary mbola ho ela be vao ho tanteraka ny faminaniany.’+ 28  Koa lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “‘Tsy hisy hataka andro intsony fa ho tanteraka daholo ny teniko.+ Fa izay holazaiko dia ho tanteraka tokoa’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”’”+

Fanamarihana