Ezekiela 13:1-23

13  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, maminania momba an’ireo mpaminanin’ny Israely, dia ireo maminany+ nefa izay ao am-pony fotsiny no lazainy.+ Koa lazao amin’izy ireo hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah.+  Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Lozan’ireo mpaminany adala,+ izay mandeha araka ny saim-pantany,+ nefa tsy nisy na inona na inona hitany!+  Nanjary sahala amin’ny amboadia ao an-tanàna aolo ny mpaminaninao, ry Israely ô!+  Tsy hiakatra eo amin’ny banga+ amin’ny manda ianareo, ary tsy hanangana manda vato+ hiarovana ny taranak’Israely, ka tsy ho tafavoaka amin’ilay ady, amin’ny andron’i Jehovah.”+  “Nahita fahitana izy ireo, nefa fahitana tsy marina sy faminaniana sandoka avy amin’ny sikidy.+ Izao no lazain’izy ireo: ‘Izao no lazain’i Jehovah’, nefa i Jehovah tsy naniraka azy. Koa niandry izay hahatanteraka ny teny izy ireo.+  Tsy fahitana sandoka ve no hitanareo, ary tsy lainga avy amin’ny sikidy ve ny faminaniana nolazainareo, tamin’ianareo niteny hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah’, nefa izaho tsy niteny na inona na inona akory?”’+  “‘Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “‘Noho ianareo nilaza zavatra tsy marina sy nahita fahitana mandainga, dia homelohiko ianareo’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”  Ary ny tanako hamely an’ireo mpaminany mahita fahitana tsy marina sy maminany lainga avy amin’ny sikidy.+ Tsy ho anisan’ny oloko intsony izy ireo, dia ireo oloko mpinamana akaiky.+ Tsy ho voasoratra anarana+ ao amin’ny lisitry ny taranak’Israely koa izy ireo, sady tsy ho tonga any amin’ny tanin’ny Israely.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.+ 10  Nampaniasia ny oloko mantsy izy ireo rehefa nilaza hoe: “Fiadanana!”, nefa tsy misy fiadanana akory.+ Manangana rindrina hanasaraka efitra ny olona, fa ny hafa kosa manisy lalotra fotsy+ aminy, nefa ho very maina+ fotsiny ny lalotra nataony.’ 11  “Lazao amin’ireo manisy lalotra fotsy fa hirodana ilay rindrina. Ho avy ny oram-be mahatonga tondra-drano. Hilatsaka ianareo, ry havandra vaventy ô! Hisy tafio-drivotra mifofofofo hampitriatra ilay rindrina.+ 12  Dia hirodana tokoa ilay rindrina. Tsy hanontany anareo ve ny olona hoe: ‘Aiza izao ilay lalotra nataonareo?’+ 13  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hampifofofofo tafio-drivotra koa aho, noho ny fahavinirako. Handatsaka oram-be mahatonga tondra-drano aho, noho ny fahatezerako. Ary handrotsaka havandra vaventy handripahana azy aho,+ satria vinitra mafy. 14  Dia harodako ny rindrina nasianareo lalotra fotsy ka hazerako amin’ny tany, ary hiseho hatramin’ny fototra niorenany.+ Ho rava izy, ka ho ringana eo anivony ianareo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.’+ 15  “‘Ary hanampatra ny fahatezerako amin’ilay rindrina sy amin’ireo nanisy lalotra fotsy taminy aho, ka hilaza aminareo hoe: “Tsy misy intsony izao ilay rindrina ary tsy eo intsony koa ireo nandalotra azy,+ 16  dia ireo mpaminanin’ny Israely izay maminany momba an’i Jerosalema sy mahita fahitana hoe hiadana+ io tanàna io, nefa tsy misy fiadanana akory”’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ 17  “Ary ianao, ry zanak’olona, mitodiha+ any amin’ireo zanakavavin’ny firenenao, eny, amin’ireo vehivavy maminany+ nefa izay ao am-pony fotsiny no lazainy.+ Koa maminania ny amin’ny loza hanjo azy ireo. 18  Lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Lozan’ireo vehivavy manjaitra tapa-damba sy manambatambatra an’ireny hatao eo amin’ny kihon’izy rehetra, ary manamboatra voaly hatao amin’ny lohan’izy rehetra araka izay habeny, mba hihazana olona!+ Mihaza ny oloko ve ianareo, nefa ny anareo tsimbininareo? 19  Ary hozimbazimbainareo eo imason’ny oloko ve aho mba hahazoanareo vary orza eran’ny tanana sy hahazoanareo sombi-mofo,+ ka vonoinareo izay* tsy tokony ho faty+ ary tsimbininareo kosa izay tokony ho faty, noho ny nilazanareo lainga tamin’ny oloko, izay nihaino lainga?”’+ 20  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ry vehivavy, hopotipotehiko ny tapa-damba nampiasainareo hihazana olona, izay hazainareo toy ny vorona. Dia horovitiko hiala eny an-tsandrinareo ireny ka hafahako ireo nohazainareo toy ny vorona.+ 21  Horovitiko ny voalinareo, ary hovonjeko avy eny an-tananareo ny oloko, ka tsy ho toy ny haza eny an-tananareo intsony. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.+ 22  Nataonareo izay hahakivy ny fon’ny olo-marina noho ny lainganareo,+ nefa izaho aza tsy nanao izay hampalahelo azy akory. Nanome tanana ny ratsy fanahy koa ianareo,+ mba tsy hialany amin’ny lalan-dratsiny ka hitsimbinana ny ainy.+ 23  Noho izany, dia tsy hahita fahitana tsy marina intsony ianareo vehivavy,+ ary tsy hilaza faminaniana avy amin’ny sikidy+ intsony koa ianareo.+ Dia hovonjeko avy eny an-tananareo ny oloko,+ ka tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.’”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.