Ezekiela 14:1-23

14  Nisy anti-panahin’ny Israely tonga tao amiko, ka nipetraka teo anoloako.+  Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, nomen’ireo lehilahy ireo toerana lehibe ao am-pony ny sampiny maharikoriko, ary nataony teo anoloany ilay vato mahatafintohina izay nahatonga azy hanao fahadisoana.+ Dia hanaiky hanontanian’izy ireo ve aho?+  Koa mitenena aminy, ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Raha misy amin’ny taranak’Israely manatona mpaminany, nefa omeny toerana lehibe ao am-pony ny sampiny maharikoriko+ sady ataony eo anoloany ilay vato mahatafintohina izay nahatonga azy hanao fahadisoana, dia izaho Jehovah no hamaly azy arakaraka ny hamaroan’ireo sampiny maharikoriko,+  mba hisamborako ny taranak’Israely, ka amin’ny fony+ no hisamborako azy. Niala tamiko mantsy izy rehetra rehefa nanompo an’ireo sampiny maharikoriko.”’+  “Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Miverena, ka ilaozy ireo sampinareo maharikoriko+ ary halaviro ny zava-mahatsiravina rehetra fanaonareo.+  Fa raha misy amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny monina eo amin’ny Israely, manatona mpaminany mba hanontany ahy+ nefa niala tsy nanaraka ahy intsony,+ ka nomeny toerana lehibe tao am-pony ny sampiny maharikoriko sady nataony teo anoloany ilay vato mahatafintohina izay nahatonga azy hanao fahadisoana, dia izaho Jehovah mihitsy no hamaly azy.  Hanohitra an’izany olona izany aho,+ ka hataoko famantarana+ sy teny fanarabiana+ izy, ary haringako tsy ho anisan’ny oloko.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.”’+  “‘Ary raha misy mpaminany voafitaka nefa milaza faminaniana, dia izaho Jehovah no namitaka azy.+ Koa haninjitra ny tanako hamely azy aho, ary hofongorako tsy ho eo amin’ny Israely oloko izy.+ 10  Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fahadisoany izy ireo.+ Hitovy ihany ny fahadisoan’ilay nanontany sy ny fahadisoan’ilay mpaminany.+ 11  Amin’izay dia tsy hiala amiko intsony ny taranak’Israely+ ary tsy handoto ny tenany intsony amin’ny fahadisoana rehetra nataony. Dia ho oloko izy ireo, ary izaho ho Andriamaniny’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”+ 12  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 13  “Ry zanak’olona, raha mivadika amiko ny tany iray ka manota amiko,+ dia haninjitra ny tanako hamely azy aho. Koa hotapahiko tsy hisy ao intsony ny hazo fihantonan’ny mofo boribory.*+ Ary handefasako mosary ao amin’ilay tany,+ dia haripako daholo ny olona sy ny biby fiompy ao.”+ 14  “‘Na dia atao aza hoe ao amin’izany tany izany ireto telo lahy ireto, dia i Noa+ sy Daniela+ ary Joba,+ dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”+ 15  “‘Ary raha handefasako bibidia masiaka ao amin’ilay tany,+ ka hataony fongana ny ankizy ao,+ ary lasa lao ilay tany ka tsy misy olona mandalo intsony ao noho ireo bibidia,+ 16  ary na dia atao aza hoe ao amin’izany tany izany izy telo lahy ireo, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘fa ny tenany ihany no ho voavonjiny, ary ho lao ilay tany.’”+ 17  “‘Ary raha sabatra no hoentiko hamely an’ilay tany+ ka hoy aho: “Aoka hisy sabatra hitety ilay tany”, ka haripako daholo ny olona sy ny biby fiompy ao,+ 18  ary na dia atao aza hoe ao amin’izany tany izany izy telo lahy ireo,+ dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘fa ny tenany ihany no ho voavonjiny.’”+ 19  “‘Ary raha handefa areti-mandringana ao amin’ilay tany aho,+ ary hanampatra ny fahatezerako aminy ka hahatonga ra mandriaka,+ mba ho ripaka daholo ny olona sy ny biby fiompy ao, 20  ary na dia atao aza hoe ao amin’izany tany izany+ i Noa+ sy Daniela+ ary Joba,+ dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.’”+ 21  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ho toy izany no hitranga rehefa hampihariko amin’i Jerosalema ny didim-pitsarako efatra mitera-doza,+ dia ny sabatra sy ny mosary sy ny bibidia masiaka ary ny areti-mandringana,+ mba ho ripaka daholo ny olona sy ny biby fiompy ao.+ 22  Hisy sisa tavela ihany anefa, dia ireo olona sisa niangana, eny, ireo entina mivoaka avy ao.+ Zanakalahy sy zanakavavy ireo! Hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny fanaony sy ny zavatra nataony.+ Koa hahazo fampiononana ianareo na dia hoentiko hamely an’i Jerosalema aza ny loza, dia izay rehetra hamelezako azy.’” 23  “‘Hampionona anareo izy ireo rehefa hitanareo ny fanaony sy ny zavatra nataony. Dia ho fantatrareo fa misy antony matoa aho hanao an’izany zava-drehetra tsy maintsy hataoko aminy izany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”+

Fanamarihana

Misy lavaka eo afovoany.