Ezekiela 15:1-8

15  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, inona no maha hafa ny hazo voaloboka+ na ny sampam-boaloboka any an’ala, raha oharina amin’ny hazo hafa rehetra?  Azo akana vatan-kazo hanaovana asa sasany ve izy? Sa azo anamboarana hazo fanantonan-javatra?  Atsipy ao anaty afo izy mba hatao kitay!+ Samy levon’ny afo ny tendrony roa, ary may koa ny eo antenatenany.+ Koa azo ampiasaina hiasana ve izy?  Mbola tsy nisy nanombinana aza izy tsy azo nampiasaina hiasana, koa mainka fa rehefa levon’ny afo sy may? Mbola azo ampiasaina amin’ny asa hafa ve izy?”+  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Toy ilay hazo voaloboka any an’ala, izay hatsipiko ao anaty afo mba hatao kitay, dia hataoko toy izany koa ny mponin’i Jerosalema.+  Ary hanohitra azy ireo aho.+ Nivoaka avy tao anaty afo izy ireo, nefa ho levon’ny afo ihany.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, rehefa hanohitra azy ireo aho.’”+  “‘Hataoko lao ilay tany+ satria nivadika tamiko izy ireo’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana