Ezekiela 16:1-63

16  Ary mbola tonga tamiko ihany ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, ampahafantaro+ an’i Jerosalema ny zava-maharikoriko ataony.+  Koa lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony amin’i Jerosalema: “Avy any amin’ny tanin’ny Kananita+ ny fiavianao, ary tany koa ianao no teraka. Amorita+ ny rainao, ary Hetita+ ny reninao.  Tamin’ianao teraka,+ dia tsy notapahina ny tadim-poitranao, tsy nampandroina tamin’ny rano ianao hanadiovana anao, ary tsy nokosehina tamin’ny sira ianao na nohodidinina lamban-jaza, tamin’ny andro nahaterahanao.  Tsy nisy olona niantra anao ka nanao ny iray tamin’ireo zavatra ireo taminao, ho fangorahana anao.+ Fa natsipy teny an-tsaha kosa ianao satria naharikoriko, tamin’ny andro nahaterahanao.  “‘“Nandalo teo akaikinao aho, ka nahita anao nitsipatsipaka sady nihosin-dra. Koa hoy aho taminao, raha mbola nihosin-dra ianao: ‘Ho velona anie ianao!’+ Eny, hoy aho taminao, raha mbola nihosin-dra ianao: ‘Ho velona anie ianao!’  Nataoko maro dia maro toy ny zavamaniry mitsimoka any an-tsaha ianao+ ka nitombo sy nihalehibe, sady nanao firavaka faran’izay tsara.+ Efa hita tsara ny bikan’ireo nononao roa ary efa nihanatevina ny volonao, tamin’ianao mbola nitanjaka sy niboridana.”’  “‘Nandalo teo akaikinao indray aho ka nahita anao. Efa tonga ny fotoana nitsirian’ny fitiavanao+ tamin’izay. Dia novelariko handrakotra anao ny akanjoko,+ ka norakofako ny fitanjahanao. Nianiana taminao aho ka nanao fifanekena taminao’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘ary lasako ianao.+  Dia nodioviko tamin’ny rano ianao,+ ary nosasako hiala taminao ny ranao, ka nohosorako menaka ianao.+ 10  Nampanaoviko akanjo misy peta-kofehy ianao,+ ary koa kiraro vita tamin’ny hoditra faoky.*+ Nampitafiako lamba rongony tena tsara+ ianao, ary nataoko feno zavatra lafo vidy teny aminao. 11  Dia noravahako firavaka ianao, ary nasiako brasele+ ny tananao, ary rojo+ ny vozonao. 12  Nasiako kavina ny oronao+ sy ny sofinao,+ ary diadema tsara tarehy no nataoko teny amin’ny lohanao.+ 13  Niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary lamba rongony tena tsara sy zavatra lafo vidy ary akanjo nisy peta-kofehy no nanaovanao.+ Lafarinina tsara toto sy tantely ary menaka+ no fihinanao, ary lasa tena tsara tarehy be ianao, ka toeran’ny mpanjaka no nanjary sahaza anao.’”+ 14  “‘Lasa nalaza teo amin’ireo firenena ianao noho ny hatsaran-tarehinao. Tonga lafatra mantsy ny hatsaran-tarehinao satria nataoko teo aminao ny voninahitro’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” 15  “‘Natoky ny hatsaran-tarehinao anefa ianao+ ka nanjary nivaro-tena satria nalaza.+ Nanaram-po nivaro-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao,+ ka nafoinao ho an’ireny ny hatsaran-tarehinao. 16  Nalainao ny akanjonao sasany, ary nanao toerana avo+ samihafa loko ianao, ka nivaro-tena teo amin’ireny.+ Tsy tokony hitranga anefa ny toy izany, ary tsy tokony hisy akory. 17  Ary nalainao koa ireo firavakao tsara tarehy, avy tamin’ny volamenako sy ny volafotsiko izay efa nomeko anao,+ ka nanamboaranao sarin-dehilahy,+ ary nivaro-tena tamin’ireny sarivongana ireny ianao.+ 18  Ary nalainao ireo akanjonao misy peta-kofehy ka nampitafianao an’ireny. Nataonao teo anatrehan’ireny ny menaka sy ny emboka manitra+ tokony ho ahy. 19  Ny sakafo izay nomeko anao, izany hoe ny lafarinina tsara toto sy ny menaka ary ny tantely nampihinaniko anao,+ dia nataonao teo anatrehan’ireny mba ho hanitra mampitony,+ ary mbola izany foana no ataonao’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” 20  “‘Dia nalainao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao tamiko,+ ka nataonao sorona ho an’ireny mba ho levona.+ Mbola tsy ampy anao angaha ny fivarotan-tena nataonao? 21  Koa novonoinao ny zanako,+ ka natolotrao an’ireny rehefa nodoranao* tao anaty afo.+ 22  Tamin’ianao nanao an’izany zava-maharikoriko rehetra izany sy tamin’ianao nivaro-tena, dia tsy mba nahatsiaro ny andron’ny fahazazanao ianao, fony ianao mbola nitanjaka sy niboridana. Nitsipatsipaka sady nihosin-dra ianao tamin’izany.+ 23  Rehefa vitanao izany ratsy rehetra izany—“Loza! Lozanao!”,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony— 24  dia nanamboatra dongon-tany ho anao ianao, ary nanao toerana avo teny amin’ny tany malalaka rehetra.+ 25  Nanorina toerana avo+ teny amin’ny sampanan-dalana rehetra ianao, ary nataonao lasa zava-maharikoriko+ ny hatsaran-tarehinao. Koa nisaveraka teo anoloan’izao mpandalo rehetra izao ny fenao,+ ary nivaro-tena tamin’ny olona maro kokoa ianao.+ 26  Nivaro-tena tamin’ireo zanakalahin’i Ejipta ianao,+ eny, tamin’ireo be nofo,*+ izay monina tsy lavitra anao. Ary vao mainka nivaro-tena ianao mba hampahatezitra ahy. 27  Dia haninjitra ny tanako hamely anao aho+ ka hahenako ny anjara sakafonao.+ Hatolotro an’ireo vehivavy mankahala anao ianao,+ eny, hatolotro an’ireo zanakavavin’ny Filistinina,+ dia ireo vehivavy menatra noho ny fitondran-tenanao baranahiny,+ ka hataony aminao daholo izay tiany.+ 28  “‘Ary mbola nivaro-tena tamin’ny zanakalahin’i Asyria koa ianao satria mbola tsy afa-po.+ Dia nivaro-tena tamin’ireny foana ianao nefa mbola tsy afa-po ihany. 29  Koa vao mainka nivaro-tena tamin’ny tany Kanana+ sy tamin’ny Kaldeanina+ ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany na izany aza. 30  Tena tezitra mafy+ aminao aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘satria ianao nanao izany rehetra izany, izay asa fanaon’ny vehivavy+ mpivaro-tena tsy misy henatra!+ 31  Nanamboatra dongon-tany teny amin’ny sampanan-dalana rehetra ianao, ary nanao toerana avo teny amin’ny tany malalaka rehetra. Tsy mba sahala amin’ny mpivaro-tena rehetra anefa ianao satria tsy nahoanao akory izay karama. 32  Raha manitsakitsa-bady ny vehivavy, dia olon-kafa no alainy fa tsy ny vadiny.+ 33  Ny mpivaro-tena rehetra dia omena fanomezana,+ fa ianao kosa tsy mba toy izany, satria ianao indray no manome fanomezana ho an’ny lehilahinao rehetra.+ Manome tsolotra ianao mba ho tonga avy any rehetra any ireny mba hahafahanao hivaro-tena aminy.+ 34  Mifanohitra amin’ny vehivavy hafa ianao rehefa mivaro-tena, ary tsy nisy mpivaro-tena nanao toa anao, satria ianao indray no manome karama fa tsy mba omena. Koa mifanohitra amin’ny fanaon’ny hafa ny ataonao.’ 35  “Koa henoy ny tenin’i Jehovah,+ ry mpivaro-tena ô!+ 36  Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Nanampatra ny filan-dratsinao ianao,+ ary nahariharinao ny fivavianao+ rehefa nivaro-tena tamin’ireo lehilahinao+ ianao, sady nivaro-tena tamin’ireny sampinao maharikoriko+ rehetra ireny. Natolotrao ho an’ireny sampy ireny mihitsy aza ny ran’ny zanakao.+ 37  Koa angoniko daholo ireo lehilahinao, dia ireo nomenao fahafinaretana, mbamin’ireo tianao sy ireo halanao, eny, angoniko avy eny amin’ny manodidina ireny, mba hanohitra anao. Dia haharihariko amin’izy ireo ny fivavianao ka ho hitany manontolo izany.+ 38  “‘Hotsaraiko toy ny fitsara vehivavy mpanitsakitsa-bady+ sy mpandatsa-dra+ ianao. Koa hanampatra ny fahatezerako sy ny fahasarotam-piaroko aminao aho, ka halatsako ny ranao.+ 39  Ary hatolotro eo an-tanan’ireny ianao. Dia horavany ny dongon-tany namboarinao,+ ary harodana ny toerana avo nataonao.+ Hendahany ny fitafianao+ sady ho lasany ny firavakao tsara tarehy,+ ary havelany mitanjaka sy miboridana eo ianao. 40  Hamory vahoaka ireny mba hamely anao,+ ka hitora-bato+ sy hamono anao amin’ny sabany.+ 41  Handoro ny tranonao ireny+ ka hampihatra didim-pitsarana aminao, eo imason’ny vehivavy maro.+ Ary hatsahatro hatreo ny maha mpivaro-tena anao,+ ka tsy hanome karama intsony ianao. 42  Tsy ho tezitra+ aminao na ho saro-piaro aminao intsony aho.+ Dia hionona aho ka tsy ho sosotra intsony.’ 43  “‘Tsy mba nahatsiaro ny andron’ny fahazazanao ianao,+ fa nampiady saina ahy noho ireny zava-drehetra ireny,+ ka hatsingeriko eo an-dohanao koa ny nataonao’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Tsy hanaraka fitondran-tena baranahiny intsony ianao ho fanampin’ny zava-maharikoriko rehetra nataonao. 44  “‘Izay mampiasa ohabolana+ hanesoana anao, dia hilaza an’izao ohabolana izao: “Taha-dreny!”+ 45  Tena zanakavavin-dreninao tokoa ianao,+ satria mankahala vady+ aman-janaka ny reninao. Ary rahavavin’ny rahavavinao tokoa ianao, satria mankahala vady aman-janaka ireo rahavavinao. Hetita+ ny reninareo, ary Amorita+ ny rainareo.’” 46  “‘I Samaria+ sy ireo tanàna miankina aminy+ no zokinao vavy, izay monina eo ankavianao, ary i Sodoma+ sy ireo tanàna miankina aminy+ no zandrinao vavy, izay monina eo ankavananao. 47  Nanao sahala amin’ny nataon’izy ireo sy nanaraka ny zava-maharikoriko fanaony ianao,+ nefa tsy vitan’izany ihany fa vetivety koa dia efa nihoatra noho ny ratsy nataon’izy ireo ny zava-drehetra nataonao.+ 48  Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘na dia i Sodoma rahavavinao sy ireo tanàna niankina taminy aza tsy nahavita ny ratsy vitanao sy ireo tanàna niankina taminao.+ 49  Izao no fahadisoan’i Sodoma rahavavinao: Nirehareha+ izy sy ireo tanàna niankina taminy,+ betsaka ny sakafony,+ tsy niraharaha+ sy tsy rototra izy ireo, sady tsy nanampy ny ory+ sy ny mahantra.+ 50  Mbola nanambony tena+ koa izy ireo sady nanaraka fanao maharikoriko teo anatrehako.+ Dia naripako izy ireo tamin’ny farany, satria hitako hoe izany no mendrika azy.+ 51  “‘Na i Samaria+ aza tsy nahavita ny antsasaky ny fahotana vitanao. Betsaka noho ny an’ireo ny zava-maharikoriko nataonao, hany ka ny rahavavinao indray no toa marina raha ampitahaina aminao, noho ny fanao maharikoriko rehetra narahinao.+ 52  Zakao ny fahafaham-barakanao rehefa manamarina an’ireo rahavavinao ianao. Marina kokoa noho ianao izy ireo+ satria mbola maharikoriko kokoa noho ny nataon’izy ireo ny fahotana vitanao. Aoka koa ianao ho menatra ka zakao ny fahafaham-barakanao, satria nataonao izay hahatonga an’ireo rahavavinao ho toa marina kokoa noho ianao.’ 53  “‘Dia hangoniko avy amin’ny fahababoana izy ireo,+ dia ny mponin’i Sodoma sy ireo tanàna niankina taminy, mbamin’ny mponin’i Samaria sy ireo tanàna niankina taminy. Hangoniko miaraka amin’izy ireo koa ny olonao babo,+ 54  mba ho afa-baraka ianao.+ Ho menatra ianao noho izay rehetra nataonao, tamin’ny nampiononanao azy ireo.+ 55  Ho toy ny taloha indray ireo rahavavinao, dia i Sodoma sy ireo tanàna niankina taminy, sy Samaria sy ireo tanàna niankina taminy. Ary ho toy ny taloha indray ianao sy ireo tanàna niankina taminao.+ 56  Noheverinao ho tsy mendrika hotononin’ny vavanao i Sodoma rahavavinao, tamin’ny fotoana nireharehanao,+ 57  talohan’ny nampiharihariana ny ratsy nataonao,+ toy ny tamin’ny fotoana nahazoanao latsa avy tamin’ny zanakavavin’i Syria+ sy avy tamin’ireo rehetra nanodidina azy, dia ireo zanakavavin’i Filistinina.+ Samy nanesoeso anao tamin’ny lafiny rehetra mantsy ireo.+ 58  Hizaka+ ny vokatry ny fitondran-tenanao baranahiny+ sy ireo zava-maharikoriko nataonao ianao’, hoy i Jehovah.” 59  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Havaliko aminao izay nataonao,+ satria nataonao tsinontsinona ilay fianianana ka tsy nohajainao ny fifanekena nataoko taminao.+ 60  Fa izaho kosa hahatsiaro ilay fifanekena nataoko taminao fony ianao mbola zaza,+ ka hanao fifanekena aminao aho, dia fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 61  Dia hotsaroanao ny nataonao+ ka ho menatra ianao rehefa mandray an’ireo rahavavinao, izay zokinao sy zandrinao. Homeko anao ho zanakao vavy izy ireo,+ nefa tsy noho ilay fifanekena nifanaovana taminao.’+ 62  “‘Ary hanao fifanekena aminao aho,+ dia tsy maintsy ho fantatrao fa izaho no Jehovah. 63  Amin’izay dia hahatsiaro ianao, ary ho menatra+ ka tsy hisy antony hitenenanao intsony,+ satria ho afa-baraka ianao rehefa hanao fandrakofam-pahotana+ ho anao aho noho izay rehetra nataonao’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana

Biby an-dranomasina.
A.b.t.: “nampandalovinao.”
Na: “filahiana.”