Ezekiela 17:1-24

17  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, manaova ankamantatra+ sy fanoharana amin’ny taranak’Israely,+  ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Nisy voromahery+ lehibe iray nanana elatra+ lehibe. Lava be ny volon’elany, ary rakotra volo samihafa loko izy. Tonga tany Libanona+ izy ka nalainy ny laingon’ny+ hazo sedera.+  Notapahiny ny tendron’ireo rantsany mbola tanora, ka nentiny tany Kanana.+ Dia namboleny tao amin’ny tanànan’ny mpivarotra ilay izy.  Nalainy koa ny voa sasany tao amin’ilay tany,+ ka namboleny tao amin’ny saha famafazam-boa. Dia namboleny toy ny hazomalahelo eo amoron’ny rano be ilay izy,+ eny, namboleny toy ny hazomalahelo.  Koa nitsimoka ilay voa ka lasa foto-boaloboka mandrobona sy ivaiva.+ Rehefa naniry izy, dia tsy nisandrahaka ireo rantsany fa nikombona. Ary ny fakany kosa naniry tsikelikely tao ambaniny. Lasa voaloboka ilay izy tamin’ny farany, ka nisy sampany sy rantsany.+  “‘“Ary nisy voromahery lehibe hafa+ koa nanana elatra lehibe, ary ngezabe ny volon’elany.+ May erỳ io voaloboka io nampisandrahaka ny fakany ho any aminy!+ Ary ny rantsany kosa nataony nandady avy teo amin’ilay zaridaina nambolena azy, ka nalefany nankany amin’ilay voromahery mba hotondrahany.+  Efa nafindra tao amin’ny tany tsara teo amoron’ny rano be izy,+ mba hisy sampany sy hamoa ka ho lasa voaloboka lehibe.”’  “Lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ho vanona ve izy?+ Tsy hisy hanongotra ve ny fakany?+ Ary tsy hataony simban’ny bibikely ve ny voany? Tsy halazo daholo koa ve ireo tsimoka vao avy notapahina?+ Halazo tokoa ireny. Tsy sandry mahery na olona maro no ilaina mba hanongotra azy hatramin’ny fakany. 10  Ho vanona ve izy na dia nafindra aza? Tsy halazo tanteraka ve izy, toy ny tsofin’ny rivotra avy any atsinanana?+ Nitsimoka tao amin’ilay zaridaina izy, ary ao koa izy no halazo.”’”+ 11  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 12  “Lazao amin’io taranaka mpikomy+ io, azafady, hoe: ‘Tena tsy fantatrareo tokoa ve ny hevitr’izany zavatra izany?’ Koa lazao hoe: ‘Tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona ary nalainy ny mpanjaka+ sy ny andriana tao, ka nentiny nankatỳ Babylona.+ 13  Naka ny iray tamin’ny taranaky* ny mpanjaka koa izy,+ ka nanao fifanekena taminy ary nampianiana azy.+ Nentiny koa ireo olona ambony tao amin’ilay tany,+ 14  mba hietry ilay fanjakana+ ka tsy ho tafarina intsony, ary mba haharitra izy io raha manaja an’ilay fifanekena nataony izy.+ 15  Nikomy+ taminy anefa izy tamin’ny farany, ka naniraka olona ho any Ejipta mba hahazoany soavaly+ sy olona maro. Hahomby ve izy? Ho afa-mandositra ve izy, nefa nanao izany sady nivadika tamin’ny fifanekena? Ho afa-mandositra tokoa ve izy?’+ 16  “‘“Raha mbola velona koa aho”,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, “dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka nanao azy ho mpanjaka, no hahafatesan’ilay nanao tsinontsinona ny fianianany+ sy nivadika tamin’ny fifanekena nataony. Eny, any Babylona no hahafatesany.+ 17  Tsy hahavonjy azy amin’ny ady i Farao, na dia hampiasa tafika lehibe sy vahoaka be aza.+ Tsy ho vitany ny hanangana tovon-tany* sy manda hanaovana fahirano hoenti-mandringana olona* maro.+ 18  Nanao tsinontsinona ny fianianana+ izy rehefa nivadika tamin’ny fifanekena. Efa nanolotra tanana+ ho fanomezan-toky izy, nefa mbola nanao izany rehetra izany ihany. Koa tsy ho afa-mandositra izy.”’+ 19  “‘Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Raha mbola velona koa aho, dia hatsingeriko eo an-dohany ny nataony. Nianiana tamiko mantsy izy ary nanao fifanekena tamiko, nefa samy tsy nisy nohajainy izany.+ 20  Koa hovelariko hanarona azy ny haratoko, ka ho tratran’ilay fandrika harato izy.+ Dia hoentiko any Babylona izy ka hifandahatra aminy any aho, satria nivadika tamiko izy sady nanohitra ahy.+ 21  Ho lavon-tsabatra daholo izay miaramilany afa-nandositra. Ary izay sisa tavela kosa haely any amin’ny vazan-tany efatra.*+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no niteny izany.”’+ 22  “‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Izaho mihitsy no haka amin’ireo laingony eny an-tampon’ilay hazo sedera, ka hamboleko izany.+ Eo amin’ireo rantsany eny amin’ny tendrony no hanapahako rantsana iray mbola tanora.+ Dia hafindrako eny amin’ny tendrombohitra avo sy manerinerina izany.+ 23  Eny amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no hamindrako azy.+ Hisy sampany izy ary hamoa+ ka ho lasa hazo sedera lehibe.+ Ary honina eo ambaniny ny karazam-borona rehetra. Ho eny ambany aloky ny raviny izy ireo.+ 24  Dia tsy maintsy ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa izaho Jehovah+ no mampietry ny hazo avo+ sy manandratra ny hazo iva.+ Ataoko malazo ny hazo mbola maitso,+ ary ataoko misy voniny indray ny hazo efa malazo. Izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka+ izany.”’”

Fanamarihana

A.b.t.: “voa avy amin’ny.”
Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Jereo Je 49:32 f.a.p.